Teny iditra mamototra (fototra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandray na maka eo akaikin' ny fototra: Tsy nahay namototra tsara ireo zanakazo nafindrany izy ka be no tapaka
Mandinika tsara, manadihady, mamakafaka: Efa namototra ny amin' ilay vonoana olona teo Behoririka ny fanjakana ka dia miandry isika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To take root; to investigate thoroughly; to grasp. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Saisir près de la racine, près de la base, examiner à fond, jusqu'au principe [1.3]
Ohatra 
1Tsy izany no hevitro, fa tsy hahita na inona na inona raha izy no mamototra. [2.324]
2Raha manontany ianao ka mamototra, dia izao no azoko lazaina aminao: marina fa mitana sampy aho; [2.588]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamototra
Ny lasa : namototra
Ny hoavy : hamototra
Filaza mandidy : mamotora

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20