Teny iditra mamohehatra (fohehatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mampahita angano, loza: Mamohehatra ireo ankizy ireo
Manimba: Mamohehatra ny raharahako ny nataonao [1.1]
 Ahitana henatra [2.285]
Fanazavàna teny anglisy (imp and rel not used). To injure, to hurt. [1.2]
Ohatra 
1tompokolahy, izany ody ratsy izany, fandrao indray dia mamohehatra! [2.69]
2Tsy maintsy tony tanteraka ny tena, ny fikoropahana sy ny fanao tsy voahevitra, matetika mamohehatra. [2.4]
3Na dia mamy sy zary ilaofan-kanin-kotrana toy ny mahazatra aza ny ranondresy, dia poizina mamohehatra sy mamono aina [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamohehatra
Ny lasa : namohehatra
Ny hoavy : hamohehatra
Filaza mandidy : mamohehara
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20