Teny iditra loloha (loha)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fitondrana zavatra an-doha: Loloha kitay
Fitindrana zavatra mitatao ambonin' ny loha: Loloha lanitra ka samy mitondra ny tandrifiny
Ny havana akaiky izay sahirankirana na mananosarotra amin' ny fivelomana ka adidin' ny tena ny manohana azy: Lolohanao ireo antitra ireo ka tsy azonao ariana amin' olona. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The act of carrying on the head; family responsibility [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Action de porter sur la tête [1.3, 1.8]
 Les proches parents qu'il faut assister [1.3]
 Devoir d'assister les proches parents [1.8]
Ohatra aza manary loloha fa hava'nao, hoy Andrimanelo tamy ny Halambo. [2.48]
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/21