Teny iditra lakolosy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Zavamaneno vita amin' ny halimo, mibikana vara mihohoka, izay misy kiboriny mipaipaika azy ao anatiny ka mahatonga azy haneno; ny lakolosy dia ampiasaina hiantsoana olona na hilaza fotoana na ora: Mamelona lakolosy; tranon-dakolosy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A bell [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay Cloche [1.8]
Ohatra 
1Lakolosy no nanamarika ny fanombohana sy firavan' asa. [2.472]
2Lakolosy Niato tamin' ny 4 ora sy 15 minitra, tolak' andro, ny fivoriana. [1.368]
Voambolana 
Kamban-teny 
Renianarana zavamaneno
Anarana iray reny adabo, ambio, ambioka, amponga, ampongabe, ampongantaolo, ampongavilany, anakidory, angaroa, angorodao, angorodaovava, anjomara, anjombona, antsiva, antsodiny, antsoly, armonia, atranatra, atranatrana, bakora, barakoma, belahara, belela, bengilahy, bezoma, bingona, bingy, dedeboka, detra, diapazona, doka, dombolo, doribe, dory, dretra, farara, fararantsaonjo, faray, fikasihandokanga, filiotra, garadoboky, gitara, gorodo, harpa, hatrotrobe, hazolahy, jazy, jejelava, jejevoatavo, jejilava, jejy, jejyvoatavo, jenjy, jinjilava, jy, kabaosa, kabaosy, kabiro, kabiry, kabosa, kabosy, kahamba, kahiamba, kiatsody, kidedra, kilakila, kilangay, kilarinety, kilerao, kiloloka, kipantsona, kitrivo, korintsana, kotra, kovabe, langoroana, langoroany, langorony, lokanga, lokangahisatra, lokangambazaha, lokangavava, lokangavoatavo, makasa, manandria, manandrialahy, manandriavavy, maromaso, marovany, morarava, nlapa, nlapabe, organa, piano, pirango, piripity, pisto, pitikilangy, pitsofaoro, raloba, rimorimo, rondro, sarinety, silingary, silongary, sobaba, sodina, takoritsoka, tambovo, taralila, tary, trompetra, trotrobe, tsikadraha, tsirivo, tsotsoka, valiha, valihajihyvy, valihamarovany, valihatoryfolo, valihatorytenany, valihatsimihety, valihavata, valihavero, zezo
Ny fihaviany Frantsay: la cloche.

Teny iditra lakolosy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fomban-drandram-bolo fanao amin' ny volon' ankizy: avòna eo an-daniny roa ny volo ka manjary toy ny boriborin-dakolosy [1.1]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/19