Teny iditra jinjana (jinja)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Kapaina amin' ny antsim-bary: Hojinjainany varintsika rahampitso
Azo otazana: Inona no soa hojinjain' ny kamolahy, hoy ianao? [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on coupe, qu'on moissonne [1.3]
Ohatra 
1Dia hoy ny ntaolo raha mananatra : "Manetsa vary mahalana, ny atao ihany no jinjana. [1.316]
2Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin' izay, fa efa tonga ny fararano. [2.996]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : jinjana, jinjako, jinjanao, jinjany, jinjantsika, jinjanay, jinjanareo, jinjan', jinjan-, jinjam-, jinja-
Ny lasa : nojinjana, nojinjako, nojinjanao, nojinjany, nojinjantsika, nojinjanay, nojinjanareo, nojinjan', nojinjan-, nojinjam-, nojinja-
Ny hoavy : hojinjana, hojinjako, hojinjanao, hojinjany, hojinjantsika, hojinjanay, hojinjanareo, hojinjan', hojinjan-, hojinjam-, hojinja-
Filaza mandidy : jinjao
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20