Fanazavàna teny malagasy | Enti-manondro zavatra na olona tsy hita maso akaiky, izany hoe, ohatra, ao ambadiky ny varavarana: Ampangino izao radio midradradradra ao an' efitra ao izao, ry Ikoto a! na somary takontakona: Jereo izao itangoronan' ny olona izao, rankizy a. Ny "izao" koa anefa dia mety hanan-kevitra roa manokana hafa: 1) zavatra mitranga amin' ilay fotoana itenenana: Mahafinaritra ahy izao fahatongavanareo maro be mitsidika ahy izao. 2) hevitra na teny vao holazaina: Tsarovy tsara izao teny izao: Asio fieritreretana ny atao rehetra. [1.1]
|