Teny iditra hajambaina (jamba)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao izay hahajamba, potsiri-maso mba tsy hahita: Nohajambain' ny habokana izy
Voatampina ny mason' eritreritra: Nohajambain' ny vola Rangahy io ka ny zanany avy no namidiny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be blinded; to be dazzled [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on aveugle, qui est ébloui [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : hajambaina, hajambaiko, hajambainao, hajambainy, hajambaintsika, hajambainay, hajambainareo, hajambain', hajambain-, hajambaim-, hajambai-
Ny lasa : nohajambaina, nohajambaiko, nohajambainao, nohajambainy, nohajambaintsika, nohajambainay, nohajambainareo, nohajambain', nohajambain-, nohajambaim-, nohajambai-
Ny hoavy : hohajambaina, hohajambaiko, hohajambainao, hohajambainy, hohajambaintsika, hohajambainay, hohajambainareo, hohajambain', hohajambain-, hohajambaim-, hohajambai-
Filaza mandidy : hajambao

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20