Teny iditra fitaratra (taratra)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tamaboha fisaka fanao amin' ny varavarana izay tsy mamela ny rivotra hiditra nefa ahazoana mahita izay rehetra any ivelany: Mometaka fitaratra amin' ny varavarankely
Tamaboha malamalama tsara ary nasiana manjany ao an-damosiny ka afaka mamerina ny sarin' izay zavatra eo anoloany: Alao ny fitaratra hijereko ny tarehiko fa sao misy arina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Glass, a looking-glass, a mirror. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Manière de regarder, le miroir, la glace, ce qui réfléchit la lumière [1.3]
 Vitre [1.13]
Ohatra 
1Izaho, hono, izany no mba fitaratra! [2.4]
2mba mijere tandindona aloha vao mizaha fitaratra. [2.69]
3Farafaharatsiny soloana karakara vy madini-maso ny fitaratra. [2.117]
Haiendriteny 
Tsotra : fitaratra, fitaratro, fitaratrao, fitarany, fitaratsika, fitaratray, fitaratrareo, fitaratr', fitara-, fitaratry
Tovonana : -pitaratra, -pitaratro, -pitaratrao, -pitarany, -pitaratsika, -pitaratray, -pitaratrareo, -pitaratr', -pitara-, -pitaratry
Kamban-teny 
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/18