Teny iditra fisosohana (sosona)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fananana sosoka na fanampiana lamba rovitra na marambato mba hitovy tantana: Hampihena betsaka ny vidiny ny fisosohan'itỳ palitao itỳ
Fankanesana ho eo amin'ny toeran'olon-kafa iray: Tsy nahateny ny olona nahita ny fisosohan'ilay vahiny tsy fantatra teo amin'ny toeran' ny filoha
Fisalovanana eo anoloana: Mahasosotra ahy ny fisosohanao eo anoloako
Fitsabahana amin'ny raharahan'ny sasany: Tsy ilaiko akory ny fisosohanao amin' ny raharahako [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31