Teny iditra feno hipoka
Singan-teny feno ; hipoka
Sokajin-teny kambanteny
Fanazavàna teny malagasy Feno hiboka, feno hika: Feno hipoka ny tranoka nijoro fotsiny teny alatrano izay tratra aoriana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Jammed full [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Bondé [1.8]
Ohatra 
1Mbola feno hipoka indray ny efitra fiandrasana. [2.470]
2Feno hipoka ny trano, na ny tao arnbany na ny tany am-bony rihana. [2.649]

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/20