Teny iditra elanelan > elañela
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Vezo] Ce qui est entre, distance, espace intermédiaire, intervalle [1.68]
Sampanteny 

Teny iditra elanelan > elanelana (elana)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ny afovoany: Ny fanondroadala dia eo anelanelan' ny fanondro sy ny monarapoana
Ny tsy itoviana: Ny elanelan' ny 9 sy ny 4 dia 5
Halaviran-toerana mampisaraka zavatra na tanàna anankiroa Be elanelana loatra ireto andry ireto: Ohatrinona ny elanelan' Antananarivo sy Ambohimanga?
Ny eo afovoan' ny roa tonta ka tsy momba ny atsy na iroa: Aoka fa ianao no ho elanelan' ny adinay
Mitovy hevitra: alanalana ~ aloalo ~ ebanebana ~ elanelana ~ evanevana ~ tamotamo elanelan-tsoratra ~ tsy an' ny atsy tsy an' ny aroa ~ tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The time or place between; a go-between [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Intervalle de temps ou d'espace [1.8]
Ohatra 
1Ny lalambe no elanelana ny tsena sy Ambohitsorohitra. [2.48]
2Nahoana moa raha izaho no atao elanelana mampiray anareo? [2.499]
3Tsy ampy halainao indroa alina intsony izany elanelana izany. [2.643]
Haiendriteny 
Tsotra : elanelana, elanelako, elanelanao, elanelany, elanelantsika, elanelanay, elanelanareo, elanelan', elanelan-, elanelam-, elanela-
Sampanteny 
Tovy hevitra elakelaka
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra elanelan > elañela
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Vezo] Ce qui est entre, distance, espace intermédiaire, intervalle [1.68]
Sampanteny