Teny iditra dikain > dikaina (dika)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ihoarana avy eo ambony: Dia tsy ho hainao dikaina ve io tatatra io
Seranana na salovanana eo anoloana na eo ambony: Aza dikainao itỳ dadatoanao, anaka
Andalovana fotsiny, tsy raharahaina: Loza fa nodikainaony lehibenao, hadinonao angaha ny hoe: aza manao rano dihain-jinga!
Nodinganina, navela fa hadino: Andalana tala no nodikain' ny mpanoratra amin' ny milina
Tsy narahina: Nodikainao ny lalàna ha hofaizina ianao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be overstepped, to be translated [1.2]
 To be crossed by something [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Dont on s'est écarté [1.8]
Ohatra 
1Ka ianareo tsy manivaka, milaza ny marina tsy azonay dikaina. [2.245]
2Nanorenana tetezana teny amin' ireo renirano tsy maintsy dikaina. [2.445]
3Fa izaho no saonjo an-kihin-karana : tsy hadím-body, tsy hanin-dravina, ka raha dikaina, mahabe lohalika; [1.406]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : dikaina, dikaiko, dikainao, dikainy, dikaintsika, dikainay, dikainareo, dikain', dikain-, dikaim-, dikai-
Ny lasa : nodikaina, nodikaiko, nodikainao, nodikainy, nodikaintsika, nodikainay, nodikainareo, nodikain', nodikain-, nodikaim-, nodikai-
Ny hoavy : hodikaina, hodikaiko, hodikainao, hodikainy, hodikaintsika, hodikainay, hodikainareo, hodikain', hodikain-, hodikaim-, hodikai-
Filaza mandidy : dikao
Kamban-teny 
Ohabolana