Teny iditra borahina (boraka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Alaina ary vahana hisaratsaraka: Noborahin' ny Polisy ny entany tao an-tranony ka nahitana zavatr' olona maro
Ambara, aseho tsy misy afenina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy See boraka [1.2]
Ohatra 
1fa tsy maintsy borahina hiaraha-mandinika; [2.245]
2Borahina sy aely ny tsinainy sy ny taimboraka ka tononina izao teny izao [2.508]
3Ny alahelo, tompoko, raki-malala, ka raha tsy amin' olon-tiana tsy borahina. [2.347]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : borahina, borahiko, borahinao, borahiny, borahintsika, borahinay, borahinareo, borahin', borahin-, borahim-, borahi-
Ny lasa : noborahina, noborahiko, noborahinao, noborahiny, noborahintsika, noborahinay, noborahinareo, noborahin', noborahin-, noborahim-, noborahi-
Ny hoavy : hoborahina, hoborahiko, hoborahinao, hoborahiny, hoborahintsika, hoborahinay, hoborahinareo, hoborahin', hoborahin-, hoborahim-, hoborahi-
Filaza mandidy : boraho, borahy
Tovy hevitra aboraka

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20