Teny iditra asiana (isy)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ilazana zavatra iray izay ampiana zavatra hafa: Asio sira ny laoka
Velezina, vonoina amin' ny kapoka, ampiharana fahavoazana, na ara-batana na ara-tsaina: Nasiana tehamaina ny zanako ka tsy manaiky aho. / Nasian-dRakoto teny ratsy Rabe
Enti-milaza toerana hanorenan-trano: Nasiana trano teo andrefanay;
-- toerana ambolena zavatra: Asio vomanga itỳ sombin-tany itỳ;
-- toerana ametahana zavatra: Asio bokotra kely itỳ akanjoko
-- toerana ametrahana zavatra: Nasiany voninkazo ny latabatra fiasako [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To have something put with it or into it
To be struck or attacked [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Où l'on met
Qu'on frappe, qu'on attaque [1.8]
Ohatra 
1Diovina avy eo ary asiana sira. [2.117]
2Ary andrefan-trano no asiana azy. [2.442]
3Dia asiana volafotsy eo amin' ny vozon' ny voatavo arivolahy. [2.508]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : asiana, asiako, asianao, asiany, asiantsika, asianay, asianareo, asian', asian-, asiam-, asia-
Ny lasa : nasiana, nasiako, nasianao, nasiany, nasiantsika, nasianay, nasianareo, nasian', nasian-, nasiam-, nasia-
Ny hoavy : hasiana, hasiako, hasianao, hasiany, hasiantsika, hasianay, hasianareo, hasian', hasian-, hasiam-, hasia-
Filaza mandidy : asio, asivo
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/15