Teny iditra Ary hitako
Singan-teny ary ; hita
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Andriarimalala René
Lahatsoratra 
Ary hitako fa tsy misy zava-maharitra
Eto ambonin'ny tany;
Izay mila hoheverina ho mahafinaritra
Dia mihelina ihany.
Nisaina aho, nandinika, niandry sy niaritra,
Hamantatra hatrany,
Fa tsy misy mihitsy na dia iray aza faritra
Tsy tratran'izany.

Ary hitako ny filendan' ny olo-mangirika
Ny fahasambarana,
Mitady harena izay andriany ilika
Tsy misy hasasarana:
Ny sasany lasana lavitra ery no mijirika
Irony fianarana;
Kanefa nony azony, injay misy hiriky
Ny ankasomparana.

Ary hitako fa ireo falifaly, mpihoraka
Fa feno ny soa.
Nihevitra ho avo tsy tratry ny toraka
Tsy hety ho voa,
Dia niandry ny farany ihany hamboraka
Ny niafina koa:
Ilay aloka iray mahatra-mampangoraka;
Dia ny alok'akoho!

Ary hitako ny rehetra fa manana fetrany
Tsy azo ihodivirana;
Fa na inona kiriny sy hoe amboletrany,
Tiany hidirana,
Izay tiany indrindra tsy maintsy hapetrany
Tsy azo ifikirana,
Fa ity tany ity, dia izany no toetrany
- Tsy azo ifandirana.

Ary hitako koa fa ny ratsy dia ambinina
- Saiky matetika -
Ary angamba izy mihevitra fa tsy hoadinina,
Ka be fitetika,
Manjehy andro ho lava izay satry hofihinina,
Hany ka mbetika
Ny fieritreretany tsy hainy ampanginina
Iniany alentika.

Ary hitako am-po sy an-tsaina tsy miambatra,
Hitako loatra
Fa samy hizaka ny anjara tsy miangatra
- Tsy afa-manoatra -
Ary hitako fa rehefa izany no atambatra,
Tsy misy hoatra
Ny mihevitra Toerana Hafa hahasambatra,
Dia any Ankoatra.

Ary hitako fa rahefa tsy maintsy hihelina
- Tsy hisy fandavana -
Tsy maintsy ho vovoka isika olombelona
Dia tsara hozahavana
Izay mba mahamamy kokoa ka ho telina
Ny fiainana, rahavana,
Tsotra io:
rantsano izay manelingelina
Ny fifankatiavana.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2024/01/22