Teny iditra arofanina
Singan-teny aro ; fanina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fefy atao tsy dia avo loatra fa nokendrena ho azo iankinana, manaraka ny sisin' ny tohatra na ny lavarangana, mba hiarovana tsy hianjera [1.1]
 Fefy fiarovana mba tsy hampianjera [1.13]
Fanazavàna teny anglisy [ aro-fanina ] A balustrade, lit. a protection against giddiness. [1.2]
 A railing [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Garde-fou [1.3, 1.13]
 Balustrade [1.3]
 Garde corps [1.13]
Ohatra 
1Arofanina avokoa ireny, dia arofanina mba tsy hianjerana amin'ny fanjakan'i Baroa. [2.503]
2Nilaoza-malaina ilay arofanina niankinana, dia nidina mbola nifampisakambina ihany izahay. [2.944]
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/15