Teny iditra arenina (arina)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ajoro: Areno tsara io andry io fa mitongilana
Atao mitovy tantana, marintampona: Narenina aloha ny tany vao naorina ny trano
Asaina mipetraka mitombina tsara: Areno ny marary fa hisakafo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be levelled; to be set upright [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on nivelle, qu'on redresse, qu'on met d'aplomb [1.8]
Ohatra 
1Arenina ho tanimboly ny eo an-tenatenany. [2.117]
2Mbola tsy voakaonty ankehitriny ny zavatra simba tsy azo arenina eo amin' ny tontolo iainana aterak' ireo tetikasa ireo; [4.27]
3Heverin' ny Malagasy kosa anefa fa miavaka ihany ny vintana, dia izy azo arenina : misy tena manatona mpanandro mihitsy hanao an' izany; [2.285]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : arenina, areniko, areninao, areniny, arenintsika, areninay, areninareo, arenin', arenin-, arenim-, areni-
Ny lasa : narenina, nareniko, nareninao, nareniny, narenintsika, nareninay, nareninareo, narenin', narenin-, narenim-, nareni-
Ny hoavy : harenina, hareniko, hareninao, hareniny, harenintsika, hareninay, hareninareo, harenin', harenin-, harenim-, hareni-
Filaza mandidy : areno
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2024/03/02