Teny iditra apariaka (pariaka (riaka))
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Aparitaka, ahahaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be scattered, to be dispersed, to be dissipated. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay à éparpiller [1.3]
Ohatra 
1Ary ny vary ny Sianaka, tsy mba manetsa fa vary apariaka [2.48]
2Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako [2.996]
3Hafaliana no nentin' i Bina sy Fatakamana hapariaka eo amin' izy mianaka kanjo hay nisy latiratsiny koa ireny [2.499]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : apariaka, apariako, apariakao, apariany, apariatsika, apariakay, apariakareo, apariak', aparia-
Ny lasa : napariaka, napariako, napariakao, napariany, napariatsika, napariakay, napariakareo, napariak', naparia-
Ny hoavy : hapariaka, hapariako, hapariakao, hapariany, hapariatsika, hapariakay, hapariakareo, hapariak', haparia-
Filaza mandidy : apariaho
Tovy hevitra aparitaka

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20