Teny iditra antsamotady
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tady voarandrana atao fandefasana vato amelezana: tokony ho roa metatra eo ho eo ny halavany ka eo afovoany, amin' ny fisasahany, izay atao hoe foitr' antsamotady no ametrahana ny vato; ny ilan' ny antsamotady dia atao miforitra a. min' ny ankikely, fa ny tendrony iray kosa izay atao hoe tsapok' antsamotady dia mivaha tsy misy mitana azy mba hahafahan' ilay vato miantoraka amin' izay kendrena hasiana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A sling for throwing stones [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Fronde [1.8]
Ohatra 
1Ny manao diamanga na antsamotady dia rarao; [1.431]
2Ny tambanivohitra no mpifamely vaton' antsamotady. [1.437]
3Dia nasian' ny anankiray tamin' ny antsamotady, ka voa teo amin' ny orony. [2.606]
Kamban-teny 
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/07/18