Teny iditra anabavy (anaka, vavy)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ny vehivavy izay iray tam-po amin' ny lehilahy. Tsy mba mandray ny tovona "mi" sy "mpi" toy ny anadahy/rahalahy/rahavavy izy. Ny hoe anabavy/anadahy/rahalahy/rahavavy amin' ny Malagasy dia tsy mba voafetra ho ny mpiray tam-po ihany. [1.10]
 Vehivavy iray tampo amin' ny lehilahy iray: Namangy anay Ralay sy ny anabaviny ~ Rasoa no anaran' ny anabavin-dRabia [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A man's sister. Used of women when men are speaking. See rahalahy [1.2]
 A man has rahalahy and an anabavy [1.26]
 The sister of a man [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Soeur d'un frère [1.54]
 La soeur d'un homme [1.8]
Ohatra 
1Anabavin'Andriambelo izy [2.508]
2Ataoko tenako fa vadiko, ho solon-dreny sy anabaviko. [2.928]
3Izay taranaky ny anabavy rehetra, Iahy sy vavy, izany no Zana-behivavy. [2.245]
4Olona osa kosa ny toy ireny, ka mandefona ivoho hoatra ny zanak' anabavy ratsy. [2.285]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : anabavy, anabaviko, anabavinao, anabaviny, anabavintsika, anabavinay, anabavinareo, anabavin', anabavin-, anabavim-
Kamban-teny 
Mpanahaka  anadahy ~ rahalahy ~ rahavavy
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2021/12/13