Teny iditra aleo
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny anglisy Preferred, preferable. [See leo.] [1.2]
 It is better that... [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Il vaut mieux, il est préférable [1.3, 1.8]
Ohatra 
1Aleo ho lavitra azy aho! [2.270]
2Marina ny azy : aleo mody! [2.528]
3Aleo ihany anefa manamboatra. [2.445]
4Fantatra fa misy zavatra tsy teliny mihitsy, ka ho aleony maty toa izay hanaiky izany [2.298]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : aleo, aleoko, aleonao, aleony, aleontsika, aleonay, aleonareo, aleon', aleon-, aleom-
Ny lasa : aleo, aleoko, aleonao, aleony, aleontsika, aleonay, aleonareo, aleon', aleon-, aleom-
Ny hoavy : ho aleo, ho aleoko, ho aleonao, ho aleony, ho aleontsika, ho aleonay, ho aleonareo, ho aleon', ho aleon-, ho aleom-
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/14