Teny iditra akoriana (koriana)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ampandehanina misosa miadana, asosa tsy misy manakantsakana: Nakorianan' ny Mpandahatra eny an-dohasaha ny rano mba hamelona ny biby sy ny zavamaniry
Akorisa, akisaka: Akoriano hatreto io vato io raha voatosikareo [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : akoriana, akoriako, akorianao, akoriany, akoriantsika, akorianay, akorianareo, akorian', akorian-, akoriam-, akoria-
Ny lasa : nakoriana, nakoriako, nakorianao, nakoriany, nakoriantsika, nakorianay, nakorianareo, nakorian', nakorian-, nakoriam-, nakoria-
Ny hoavy : hakoriana, hakoriako, hakorianao, hakoriany, hakoriantsika, hakorianay, hakorianareo, hakorian', hakorian-, hakoriam-, hakoria-
Filaza mandidy : akoriano

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/19