Teny iditra | afokasoka | ||||
Singan-teny | afo ; kasoka | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Fanazavàna teny malagasy | Poti-banja miraikitra amin' ny tendron' ny tahon-kazo kely, izay akasoka amin' ny baoritra misy ankoso-banja koa ka miteraka lelafo vetivety Voan' afokasoka: ny singany tsirairay Tahon' afokasoka: ilay tapany tsy mirehitra Tranon' afokasoka: ny fitoerany [1.1] | ||||
Fanazavàna teny anglisy | [kasoka, rubbing.] matches. [1.2] | ||||
A match [1.7] | |||||
Fanazavàna teny frantsay | Allumette [1.8, 1.13] | ||||
Ohatra | Ny afokasoka rahateo koa moa matetika tsy nisy, otrikafo no natao fitahirizana afo tao an-trano.
[2.472] | ||||
Kamban-teny |
| ||||
Nohavaozina tamin' ny 2023/10/30 |