Index

Proverbes : voa

Proverbe Aza manao bolokilahy homam-boan-tseva: fy ny atsy, fy ny aroa. [Houlder 1895 #517]
Aza manao bolokilahy homam-boan-tseva : fy ny atsy, mamy ny aroa. [Cousins 1885 #423]
Boloky homam-boan-tseva : fy ny atsy mamy ny aroa. [Rinara 1974 #64]
Bolokilahy homam-boan-tseva: fy ny atsy, mamy ny aroa. [Rajemisa 1985]
Bolokilahy homam-boan-tseva ka mamy ny atsy, fy ny aroa. [Rajemisa 1985]
Interprétation malgache Enti-milaza ny olona sady mifankahazo amin' ny atsy no mifankahazo amin' ny aroa. [Rajemisa 1985]
Ilazana ny tia roa ka sady tia ny ventiny no tia ny rony, sady tsy mahafoy ny eo an-tanana no mankamamy ny any ivelany. [Rajemisa 1985]
Traduction française Ne faites pas comme le perroquet mangeant des baies de "seva" ci et là et qui trouve les unes bonnes, et les autres délicieuses. [Houlder 1895]
Interprétation française Désigne les gens au cœur partagé ou inconstants. [Houlder 1895]

Proverbe Aza misambo-boa tsy latsaka. [Rinara 1974 #788, Cousins 1885 #635]
Misambo-boa tsy latsaka. [Veyrières 1913 #6176]
Traduction française Prendre un fruit avant qu'il tombe. [Veyrières 1913 #6176]
Interprétation française Se disait des gens trop pressés en affaires. [Veyrières 1913 #6176]

Index