Fizahan-teny

Ohabolana : tonga

Ohabolana 1Afaka ny loza, fa tonga ny antambo. [2.415 #2683]
Dikanteny frantsayUn malheur est passé, mais une catastrophe arrive. [2.415 #2683]
Fanazavana frantsaySouvent un malheur plus grand succède au premier. [2.415 #2683]

Ohabolana 2Aiza ny tany hadina no dia ho mby ao an-karona avokoa ? [2.653 #29, 2.974 #42]
Aiza no tany hadana no ho tonga ao an-karona daholo. [2.558]
Dikanteny frantsayImpossible de mettre dans la corbeille toute la terre que la bêche a fouillée. [2.974 #42]

Ohabolana 3Akoholahy jamba : ampiadiana tsy miady, avela manaingoka ny namany. [2.558]
Akoholahy jamba : ampiadiana, tsy miady ; tonga ao an-trano, manaingoka ny namany. [2.415 #3448]
Akoholahy jamba : ampiadina, tsy miady ; tonga ao an-trano, manaingoka ny namany. [2.653 #60]
Dikanteny frantsayCoq aveugle : quand on le fait combattre, il ne veut pas et dès qu' on le met au milieu des siens, il les frappe à coups de bec et les maltraite. [2.415 #3448]
Fanazavana frantsaySe disait des gens difficiles. [2.415 #3448]

Ohabolana 4Akoholahy mitelin-koto : raha mahay mitelina dia tohan' aina, raha tsy mahay dia singotry ny lela. [2.415 #3537]
Akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina, dia tohan' aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela. [2.165]
Akoholahy nitelin-koto, ka ny natao hanin-kahavoky no tonga singotry ny aina. [2.415 #3537]
Akoholahy nitelin-koto : mahay mitelina, tohan' ny aina, tsy mahay, singotry ny lela. [2.558]
Akoholahy nitelin-koto: raha mahay mitelina, dia tohan’ ny aina ; raha tsy mahay, dia singotry ny lela. [2.653 #66]
Dikanteny frantsayCoq qui a mangé de l' étoupe, ce qu'il a pris pour lui servir de nourriture devient sa perte. [2.415 #3537]
Coq qui avale de l' étoupe : s' il parvient à l' avaler, c' est une nourriture ; s' il n'y parvient pas, sa langue s' y prend et il en crève. [2.415 #3537]
Un coq avalant de l' étoupe: s' il peut l' avaler, elle le nourrira; mais s' il ne peut l' avaler, elle lui embarrassera la langue. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui portent la parole et qui s' y embarrassent. [2.415 #3537]

Ohabolana 5Akoho tokana anaka: avy sasaka vao halan-tompo. [2.653 #51]
Akoho tokana anaka: avy sasaka vao mamono an-toka. [2.653 #52]
Akoho tokana anaka : avo sasaka vao halan-tompo. [2.415 #3228]
Akoho tokana anaka : avo sasaka vao mamono antoka. [2.415 #3229]
Akoho tokan' anaka : avo sasaka vao halan' ny tompony. [2.558]
Akoho tokan' anaka : tonga roa vao mamono antoka. [2.558]
Avo sasaka hoatry ny akoho tokana anaka. [2.415 #3238]
Avo sasaka ohatra ny akoho tokana anaka. [1.1 #868]
Dikanteny frantsayPoule qui a un poussin : c' est lorsqu' elle a produit son équivalent que son maître la prend en aversion. [2.415 #3228]
Poule qui n' a qu' un poussin : c' est lorsqu' elle produit son équivalent qu' elle fait perdre son propriétaire. [2.415 #3229]
Produire son équivalent comme la poule qui n' a qu' un poussin. [2.415 #3238]
Fanazavana frantsayParce qu' il s' attendait à mieux ; le sens est : déçu dans son attente. [2.415 #3229]

Ohabolana 6Amboa nivahiny: tonga tsy mahafaly, lasa tsy mampalahelo. [2.165 #1483]
Amboa nivahiny : tonga tsy nahafaly, lasa tsy nampalahelo. [2.558 #176, 2.653 #129]
Dikanteny frantsayUn chien en voyage: son arrivée ne cause pas de joie, ni son départ de regrets. [2.165]
Fanazavana frantsayCe n' est pas comme lorsqu' il s' agit de personnes, des parents ou amis qui viennent vous voir. [2.165]

Ohabolana 7Amboa nivahiny : tonga tsy naharavo, niainga tsy nahataitra. [1.147 #A44]

Ohabolana 8Andevolahy mianala: ka ny hazon' andriana tsy tonga, fa ny fanoto no lanjalanjaina. [2.165]
Andevolahy nianala : ny hazon' andriana tsy tonga, fa ny fanoto no lanjalanjaina. [2.415 #527, 2.653 #190]
Ankizilahy nianala : ny hazon' Andriana tsy tonga, fa ny fanoto no lanjalanjaina. [2.558]
Dikanteny frantsayEsclave qui est allé à la forêt : il ne rapporte pas le bois de son maître ou du souverain, mais il rapporte des pilons pour lui-même. [2.415 #527]
Un esclave se rendant à la forêt; il n' en rapporte pas du bois pour son maître, par contre il porte un pilon sur son épaule. Un pilon pour piler son riz. [2.165]
Fanazavana frantsayIl a pensé à ses affaires à lui! [2.165]
Se disait des gens attentifs à leurs propres affaires. [2.415 #527]

Ohabolana 9Andevolahy mizaha lanonana : tonga vao lasa maka kitay. [2.415 #526]
Dikanteny frantsayEsclave qui est allé assister à des réjouissances publiques : à peine est-il rentré qu' il lui faut repartir pour chercher la provision de paille à brûler. [2.415 #526]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui se laissent détourner de leurs occupations et sont ensuite obligés de les accomplir. [2.415 #526]

Ohabolana 10Andriamanitra no hamaly ka ho tonga tohatra hiakaranareo any an-[2.415 #3]
Izay homenareo anie dia anjary tohatra hiakaranareo any an-danitra. [2.415 #3]
Dikanteny frantsayQue Dieu vous récompense et que votre offrande devienne l' escalier qui vous fera monter au ciel. [2.415 #3]
Fanazavana frantsayParoles dites par les lépreux lorsqu' ils demandaient l' aumône. [2.415 #3]

Ohabolana 11Antsiñary maty aomby tokana: tonga antoetr' androny. [2.165]
Tsiniary maty aomby tokana : nody an-toetr’ androny. [1.147 #T146]
Fanazavana malagasyIlay mahantra (antsinahary) maty omby tokana (hany nananana): ka nody amin' ny toetrany taloha. [2.165]

Ohabolana 12Ataovy anatra imaso hifanatrehana, fa raha takona tonga fosa. [1.1]
Ataovy anatra imaso ifanatrehana: fa raha takona tonga fosa. [2.165]
Dikanteny frantsaySi vous avez des remontrances à faire à quelqu' un, faites-les à la personne que cela concerne; car si vous en parlez à d' autres, vous tomberez dans la médisance. [2.165]

Ohabolana 13Aza mahita ny faty ka tonga mampahatsiatsiahy ny alahelo. [2.558 #36]

Ohabolana 14Aza manao fihavim-panantana : tonga, dia mingodona. [2.653 #441]
Manao fihavim-panantana : tonga dia mingadona. [2.558 #1991, 2.653 #1534]

Ohabolana 15Aza miantaha tongotra toa sakoivy : hatrany an-tenda vao tsy afa-mandeha. [2.558 #734]
Aza miantaha tongotra, toa sakoivy; tonga an-tenda vao tsy afa-mandeha. [2.653 #603]

Ohabolana 16Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no hovonoina ka telo lahy no asaina mindram-pamaky. [2.558]
Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no vonoina, ka fito lahy no mitsangana. [2.415 #1439, 2.653 #645]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodi-akoho no laoka, ka antsy solanga no zahana. [2.558 #783]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodiakoho no laoka, ka famaky no tadiavina. [2.415 #1440, 2.653 #644]
Dedaka tonga rafozana : akoho no hovonoina ka telo lahy no asaina mitsangana. [2.558 #974]
Dedaka tonga rafozana : ka famaky no indramina ary sikina no henjanina, nefa akoho no ho laoka. [2.558]
Dedaka tonga rafozana, ka trano bongo ka asiam-pandri-baratra; akoho ka nindramam-pamaky; vola venty ka ampanjanahina; eranambatry ka atao telo fonosana. [2.165]
Dedaka tonga rafozana : trano bongo ka asiam-pandri-baratra ; akoho ka nindramam-pamaky ; vola venty ka ampanjanahina ; eranambatry ka atao telo fonosana. [2.415 #1442]
Mitabataba tonga rafozana, akoho iray no vonoina, ka dimy no mamono. [1.1]
Fanazavana malagasyMihetsiketsika be, nefa tsy hita izay vita, lasan-ko vavany. [1.1]
Dikanteny frantsayFanfaron qui reçoit ses beaux-parents : il n' a qu' une cabane et il y met un paratonnerre ; il n' a qu' un poulet et il emprunte une hache à découper ; il n' a que 80 centimes et il les prête à intérêt ; il n' a qu' un sou et il l' enveloppe trois fois. [2.415 #1442]
Ne faites pas tant de bruit comme une bru qui reçoit la visite de sa belle-mère : il y a des oeufs pour manger avec le riz, et elle demande une hache pour les casser. [2.415]
Ne mettez pas tout sens dessus dessous comme un gendre qui reçoit la visite des beaux-parents : sept hommes se lèvent pour tuer une poule. [2.415 #1439]
Un vantard recevant la visite de ses beaux-parents: sa maison n' est qu' une cabane et il y met un paratonnerre; il n' a qu' un poulet (à offrir), et il emprunte une hache (comme s' il avait du bœuf); il n' a que quatre-vingts centimes, et il les prête à intérêt: un sou, et il l' enveloppe trois fois. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait l' empressement des gendres à recevoir les beaux-parents ; il se disait aussi des gens parlant haut et troublant tout. [2.415 #1439]
Se disait des gens qui parlaient haut et voulaient dominer. [2.415 #1440]

Ohabolana 17Aza mitaitay maka sifotra, fa mbola hifefika ihany raha tonga. [2.415 #3795, 2.653]
Dikanteny frantsayNe vous hâtez pas trop de ramasser le plus possible d' escargots, car une fois arrivé à la maison, il faut encore briser la coquille. [2.415 #3795]
Fanazavana frantsaySe disait aux gens trop pressés. [2.415 #3795]

Ohabolana 18Aza mivadibadika toy ny andro ririnina. [2.415 #5329]
Mivadibadika ohatra ny andro ririnina. [1.1]
Mivadibadika tahaka ny andro ririnina. [2.558 #2511]
Mivadibadika toy ny andro ririnina. [2.653 #1911, 2.974]
Fanazavana malagasyIlazana toetra mora miovaova toy ny andro ririnina, izay mafana kely dia tonga mangatsiaka indray avy eo. [1.1]
Dikanteny frantsayNe changez pas souvent comme le jour en hiver. [2.415 #5329]

Ohabolana 19Aza mivoady manan-drofia, fa raha tonga manao tohivelatra. [2.653 #682]

Ohabolana 20Aza ny hodi-boanjo fanary no atao sakafo mahavita. [2.165 #603]
Tsy mety raha ny hodi-boanjo fanary no tonga sakafo mahavita. [2.415 #4633, 2.558 #4659, 2.653 #3474]
Dikanteny frantsayIl ne convient pas que les écorces d' arachides qui sont bonnes à être jetées, deviennent le repas dont on s' accommode. [2.415 #4633]
Ne servez pas au repas des coques d' arachides qu' ordinairement on jette. [2.165 #603]
Fanazavana frantsayIl faut une nourriture convenable. [2.415 #4633]

Ohabolana 21Aza zatra lava lamosina fa tonga lava ahoriana. [2.558]

Ohabolana 22Barikan' Iboana, izay tonga manokatra. [2.415 #2359, 2.653 #738]
Barikan' Iboana, ka izay tonga manokatra. [2.558 #849, 2.165]
Dikanteny frantsayBaril d' Iboana : tout venant l' ouvre. [2.415]
Le tonneau d' Iboana: chacun peut l' ouvrir (et prendre ce qu' il y a dedans). [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des jeunes gens vaniteux et prodigues. [2.415]
Se dit de quelque chose qui n' est pas bien gardé, qui a l' air d' appartenir à tout le monde. [2.165]

Ohabolana 23Drakidraky omam-potaka : tonga dia vavany. [1.147 #D18]

Ohabolana 24Erikerika mahatondra-drano. [1.1]
Fanazavana malagasyMitovy hevitra: varifitoventy zato no tonga ariary. [1.1]
Ny zavatra kely sy madinika aza, rehefa mitambatambatra ela, mety hisy vokany lehibe. [1.1]

Ohabolana 25Faly raha tonga ny rano fanala kenda, raha malahelo ka misy mpanony, raha lavo ka misy mpanarina. [2.165, 2.558]
Faly raha tonga ny rano fanala kenda, raha malahelo ka misy mpanony, raha lavo no misy mpanarina. [2.415 #808, 2.653 #889]
Dikanteny frantsayNous sommes heureux, car l'eau est arrivée pour dégager le gosier obstrué ; malheureux nous avons un consolateur ; tombés à terre, nous avons quelqu' un qui nous relève. [2.415 #808]
On est content de trouver de l' eau quand on étouffe, un consolateur quand on a du chagrin, quelqu' un qui vous relève quand on est tombé. [2.165]
Fanazavana frantsayParoles dites aux protecteurs. [2.415 #808]

Ohabolana 26Fanam-bomangan' Ambohimandroso : tonga any an-kibo vao atanina afo. [2.653]
Fanam-bomangan' Ambohimandroso : tonga an-kibo vao atanina afo. [2.558 #1085]

Ohabolana 27Fantsakana, ka dia izay tonga aloha no manovo. [2.415 #3198]
Dikanteny frantsayQuand on va à la fontaine, ceux qui arrivent les premiers puisent avant les autres. [2.415 #3198]
Fanazavana frantsaySe disait des partages faits sans préférence : les premiers arrivés sont servis les premiers. [2.415 #3198]

Ohabolana 28Fihavin-javona ka tonga tsy re mingadona, lasa tsy re mitsaika. [2.558 #1156]

Ohabolana 29Fony be tsy mitsitsy, ka efa kely vao mikaroka, nony misy vahiny vao manao sosoa. [2.415 #2362]
Fony be tsy nitsitsy, ka efa kely vao mikaroka ; nony misy vahiny vao manao sosoa. [2.653 #982]
Fony be tsy nitsitsy, ka efa kely vao mikaroka ; nony nisy vahiny vao manao sosoa. [2.974]
Fony be tsy nitsitsy, nony kely vao mipitrapitra, tonga vahiny vao manao sosoa. [2.558 #1193]
Dikanteny frantsayGaspiller dans l’abondance, et attendre la pénurie pour se déranger ; ne faire du sosoa que pour les étrangers. [2.974 #244]
Quand vous étiez dans l'abondance vous ne ménagiez rien ; maintenant qu' il ne vous reste plus rien, vous cherchez à devenir riche et pour recevoir les étrangers vous faites cuire le riz avec beaucoup d' eau. [2.415 #2362]

Ohabolana 30Fositra va no tsy hambolem-boavahy ? [2.415 #2703, 2.653 #983]
Fositra ve no tsy ambolem-boavahy. [2.558 #1196, 1.1]
Fanazavana malagasyTsy ny loza mety ho tonga amin' ny asa atao na amin' ny zavatra ampiasaina anankiray akory no tokony hanafoanana io asa na zavatra io, fa ny fitandremana no tokony hatao betsaka. [1.1]
Dikanteny frantsayFaut-il s' abstenir de planter des haricots parce que les vers les rongent ? [2.415 #2703]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas se décourager et rester dans l' inaction à cause de quelques pertes ; ce proverbe se disait surtout lorsque les plantations avaient été abîmées par des animaux ou des voleurs. [2.415 #2703]

Ohabolana 31Fozalahy nampiana fozavavy ny fanambadiana, ka iray tonga roa. [2.558 #1214]

Ohabolana 32Hazakazaka am-piakarana, ka izay tonga aloha dia mianina. [2.165 #1247]
Dikanteny frantsayQuand on court en faisant une montée, celui qui arrive le premier en haut s' arrête (il est essoufflé). [2.165]

Ohabolana 33Heloka ibabohana mody rariny. [1.1]
Ny heloka ibabohana mody hitsiny; fa ny rariny itompoana mody heloka. [2.653]
Ny heloka ibabohana mody rariny, ny rariny itompoana mody heloka. [1.1]
Ny heloka ibabohana tonga hitsiny; fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka. [2.653]
Ny heloka ivalozana mody hitsiny, fa ny rariny itompoana mody heloka. [2.415 #6422, 2.653]
Ny heloka ivalozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka. [2.415 #6422, 2.974 #451, 2.653]
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka. [2.165 #1103]
Fanazavana malagasyIzay miaiky ny hadisoany dia lefahin' ny olona ny helony, fa izay miziriziry kosa vao mainka omen' ny olona tsiny. [1.1]
Matetika ny fiekena fa diso, izany hoe ny fifonana, dia mahatonga ho afa-keloka. [1.1]
Ny fiekena ny heloka vita dia mendri-pamelana, fa ny tsy fandeferana kosa – na dia manana ny rariny aza ny tena, ka efa miaiky ny hadisoany ny an-kilany – dia tsy fitiavana fihavanana, ka mahatonga ny tena ho melohin' ny olona. [1.1]
Dikanteny frantsayLe crime dont on se repent devient justice, mais la justice dont on se vante devient le pire des crimes. [2.974]
Une faute dont on se repend, devient une source d' équité ; un droit sur lequel on s' obstine trop, devient une source d' injustice. [2.415 #6422]
Une faute dont on se repent devient justice, mais la justice dont on se vante devient une grande faute. [2.165 #1103]

Ohabolana 34Heveriny fa hitohy ihany ny fanirin' ny hazo ka ho tonga any an-danitra. [2.415 #2366]
Raha mitohy ny fanirin' ny hazo, mahatakatra ny lanitra. [2.558 #3620]
Dikanteny frantsayIl s' imagine que la croissance de l' arbre ira jusqu' au ciel. [2.415 #2366]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui croient que les richesses ou les provisions ne s'épuiseront pas. [2.415 #2366]

Ohabolana 35Ingahibe mampirafy: tonga telo vao latsa-bidy. [2.165 #1538]
Ingahibe mampirafy : tonga telo vao ranga sofina. [2.558 #1435]
Ingahibe nampirafy : tonga telo vao latsa-bidy. [2.415 #1421, 2.558 #1436, 2.653]
Ingahibe nampirafy: tonga telo vao ranga sofina. [2.653]
Dikanteny frantsayLe vieil esclave qui prit une seconde femme: une fois devenu trois (lui et ses deux femmes) il diminua de valeur. [2.165 #1538]
Pauvre vieux qui s' est mis en tête d' épouser une deuxième femme : une fois qu' on est trois dans la maison tout le monde y perd. [2.415 #1421]
Fanazavana frantsayLa vie devient difficile pour chacun des trois ; ai un désir réalisé ne donne pas toujours le bonheur. [2.415 #1421]

Ohabolana 36Ity telo an-ila natao ho randran-tsy nahina indray no tonga reniben-kaingo. [2.415 #2431, 2.653 #1154]
Ity telo an' ila natao randran-tsy nahina indray no nanjary reniben-kaingo. [2.558 #1455]
Dikanteny frantsayVoyez donc : la coiffure à trois tresses de chaque côté de la tête, qu' on regardait comme négligée, devient maintenant la principale parure. [2.415 #2431]
Fanazavana frantsayLa mode et ses variations. [2.415 #2431]

Ohabolana 37Izay mahari-monina tonga efa-dahy. [2.165 #658, 2.415 #5266, 2.558 #1492, 2.653 #1187]
Izay mahari-monina tonga telo mianaka. [2.415 #5266]
Dikanteny frantsayCeux qui demeurent longtemps, se multiplient : ils deviennent trois, ils deviennent quatre. [2.415 #5266]
En demeurant longtemps au même endroit, l' un deviendra quatre'. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. augmentera, s' enrichira). Le contraire de: Pierre qui roule n' amasse pas mousse. [2.165]
Se disait de la force, de la constance. [2.415 #5266]

Ohabolana 38Lahiantitra kendam-bodiakoho : mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso, tonga ny valim-pitia vao voan' ny totohondry any an-katony. [2.558 #1668]
Lahy antitra kendam-body akoho : mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso ; tonga ny valim-pitia vao voa totohondry any an-katony. [2.653]

Ohabolana 39Lahiantitra mangata-bady, mivolambolana fa entanim-pitia, fa tsy azo ho namana nony tonga ny asa zama. [2.558 #1675]

Ohabolana 40Lany ny kipikipy zato vao tonga ny voron-tsara dia. [2.415 #2507]
Lasa ny kipikipy zato vao tonga ny voron-tsara dia. [2.165 #956, 2.558 #1749, 2.653 #1337, 1.1]
Fanazavana malagasyLany tamin' ny tsinontsinona ny vola sy ny fitaovana vao tonga ny ilana azy. [1.1]
Dikanteny frantsayAvoir épuisé ses cent projectiles avant que les bons oiseaux arrivent. [2.165]
Avoir épuisé toutes ses ressources lorsqu'arrive le moment favorable, c' est être comme le chasseur qui a déjà lancé tous ses bâtonnets aux oiseaux lorsqu' arrive un oiseau facile à viser. [2.415 #2507]
Fanazavana frantsayNe plus pouvoir saisir une bonne occasion quand elle se présente. [2.165]

Ohabolana 41Lany vary tonga havana, ka ny loha no haotraorina. [2.415 #1089, 2.558 #1746, 2.653 #1335]
Dikanteny frantsaySi un parent ou un ami arrive alors que le riz est épuisé, on se gratte la tête de confusion. [2.415 #1089]
Fanazavana frantsayAllusion à la coutume malgache d' offrir le riz aux visiteurs ; on disait ce proverbe de ceux qui se trouvaient sans ressources lorsqu' ils en avaient le plus besoin. [2.415 #1089]

Ohabolana 42Lasa ny mamba fa tonga ny voay. [2.558 #1750]
Lasa ny mamba ka tonga ny voay. [2.415 #2605, 2.653 #1338]
Lasa ny mamba: tonga ny voay. [1.1]
Lasa ny voay: misosoka ny mamba. [1.78]
Fanazavana malagasyIlazana olona na zavatra roa mifandimby, izay samy babany avokoa. [1.78]
Ilazana olona roa mifandimby samy manana toetra ikoizana. [1.1]
Dikanteny frantsayA peine les caïmans sont-ils partis que des crocodiles arrivent. [2.415 #2605]
Les crocodiles sont partis et les caïmans arrivent. [2.165]
Fanazavana frantsayÉchapper à un mal pour tomber dans un autre. [2.415 #2605]
Il n' y a pas moyen d' échapper; mais ce proverbe ne s' applique pas seulement en parlant de choses fâcheuses. [2.165]

Ohabolana 43Lasa tsy manao veloma naman' ny tezitra. [1.1]
Lasa tsy manao veloma naman' ny tezitra, tonga tsy mifampiarahaba naman' ny sosotra. [1.1]
Fanazavana malagasyAraka ny lalàn' ny fihavanana malagasy, ny fiarahabana sy ny fanaovambeloma dia tsy maintsy atao raha mbola tsy tapaka akory ny fihavanana. [1.1]

Ohabolana 44Latsaka ibabay, tonga ibabay. [2.415 #1517]
Dikanteny frantsayBabay tombe, Babay remonte. [2.415 #1517]
Fanazavana frantsayJeu d'enfant consistant à laisser tomber quelque chose de la main et à le ressaisir dans la chute. [2.415]

Ohabolana 45Malahelo miresaka amy ny mpanan-karena : raha tonga mitaina hidin-trano. [2.653 #1450]
Malahelo miresaka amin' ny mpanan-karena : ka nony tonga mitain-kidin-trano. [2.415]
Malahelo miresaka amin' ny mpanan-karena : raha tonga mitaina hidin-trano. [2.415]
Malahelo mitafa amin' ny mpanan-karena: ka raha tonga mitain-kidin-trano. [2.165 #1450]
Malahelo mitafasiry amin' ny mpanana, ka raha tonga mitaina hidin-trano. [2.558 #1920]
Miara-mitafa amin' ny mpanan-karena, ka raha tonga mitain-kidin-trano. [2.415]
Mitafa amin' ny mpanan-karena ka raha tonga mitain-kidin-trano. [1.1]
Fanazavana malagasyIzay mandany andro miresaka amin' ny mpanan-karena, dia ho lany ny efa kely eo an-tanany. [1.1]
Dikanteny frantsayPauvre qui bavarde avec les riches, quand il rentre chez lui, il est obligé pour faire sa cuisine, de brûler le bois qui lui sert à fermer la porte. [2.415 #2529]
Pauvre qui cause avec les riches : quand il rentre chez lui, il est obligé pour faire sa cuisine, de brûler le bois qui lui sert à fermer la porte. [2.415 #2517]
Un pauvre s' entretenant avec un riche: de retour chez lui, il brûle la fermeture de sa maison. [2.165]
Fanazavana frantsayA le voir causer avec l' autre, on ne le dirait pas pauvre; mais il l'est tellement que faute d' autre combustible, il est obligé de brûler le morceau de bois servant à fermer sa porte. [2.165]
Se disait des pauvres qui, au lieu de travailler et de faire leur provision de paille à brûler, perdaient leur temps à bavarder avec les riches. [2.415 #2529]
Se disait des pauvres qui, au lieu de travailler, perdaient leur temps à bavarder avec les riches. [2.415 #2517]

Ohabolana 46Mamantan-tany foana toy ny havandra tonga ririnina. [2.165 #975, 2.415 #3927]
Mitsapa (mamantan-)tany foana tahaka ny havandra ririnina. [2.558 #2502]
Namantan-tany foana tahaka ny havandra ririnina. [2.558 #2728]
Dikanteny frantsayArriver où il n' y a plus rien, comme la grêle qui tombe en hiver. [2.165]
Arriver trop tard comme la grêle qui tombe en hiver. [2.415 #3927]
Fanazavana frantsayIl n'y a plus rien. [2.415 #3927]
La grêle après vendanges. [2.165]

Ohabolana 47Mamoaka omby zato, miandry omby arivo, ka ny mania no betsaka. [2.558 #1952]
Mamoaka omby zato, miandry omby arivo, ka tsy ilaozan’ izay hafa soratra. [2.415 #2201, 2.653]
Mamoaka omby zato, miandry omby arivo : ny mania no be noho ny tonga ; mitari-drano an-kilahila : ny mitobaka no be noho ny mizotra. [2.415 #3349, 2.653 #1478]
Mamoaka omby zato, miandry ondry arivo: ny mania no be noho ny tonga. [2.165 #1206]
Miandry ondry zato, miambina omby arivo, ka tsy ilaozan' izay mania. [2.165 #149, 2.415 #1656]
Miandry ondry zato, miandry omby arivo, ka tsy ilazaon' izay hania. [2.558 #146]
Dikanteny frantsayConduire cent bœufs, faire paître mille moutons: ceux qui errent à droite et à gauche sont plus nombreux que ceux qui arrivent tout droit. [2.165]
Garder cent moutons, faire paître mille boeufs, il y en a toujours qui s' égarent. [2.415 #1656]
Quand on fait sortir du parc cent boeufs, quand on fait paître mille boeufs, dans un tel nombre il ne manquera pas de boeufs de couleurs diverses. [2.415]
Quand on fait sortir du parc cent boeufs, quand on garde mille boeufs, ceux qui s' égarent sont plus nombreux que ceux qui rentrent; quand on canalise l' eau pour la conduire sur le versant d' une colline, il s' en perd plus qu' il n' en arrive par la conduite. [2.415]
Quand on garde cent moutons et qu' on fait paître mille bœufs, il y en a toujours qui s' égarent. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait de la variété qui est inévitable ; autre sens : il est impossible qu' il n'y ait pas des méchants. [2.415 #2201]
Ce proverbe s' emploie en parlant d' un travail ou d' une affaire difficiles. [2.165]
Se disait des biens qui se perdent en route, dans un procès, ou autrement. [2.415 #3349]

Ohabolana 48Masiaka be ronono, maditra niampidera tandroka, fa raha tonga ny vilona manaiky ho fatorana. [2.558]

Ohabolana 49Miangaly miserana, toy ny andevolahy mizaha lanonana, fa raha tonga maka kitay. [2.415 #570]
Miangaly miserana, toy ny andevolahy mizaha lanonana, kanefa raha tonga, maka kitay. [2.653 #1717]
Miangaly miserana toy ny ankizilahy mizaha lanonana, fa raha tonga maka kitay. [2.558]
Dikanteny frantsayQui se paie des caprices et des distractions d' un moment, comme l' esclave qui va voir les réjouissances publiques, mais une fois de retour il faut qu' il aille chercher la provision de paille à brûler. [2.415 #570]

Ohabolana 50Mipelipelika ohatra ny amboakely tonga tompo. [2.558]
Mipelipelika, toy ny amboakely tonga tompo. [2.415 #5561, 2.653 #1805]
Dikanteny frantsayS' agiter comme un petit chien dont le maître est de retour. [2.415 #5561]
Fanazavana frantsaySe disait d' une joie débordante. [2.415 #5561]

Ohabolana 51Mirisarisa ohatra ny akoho boka fa raha tonga tsy misy mpanarona. [2.558]
Mirisarisa toy ny akoho boka : raha tonga, tsy misy mpanarona. [2.415 #2014, 2.653]
Dikanteny frantsayMisérable comme la poule lépreuse : quand elle arrive et à l' air de vouloir pondre, personne ne la couvre de la corbeille pour la faire pondre. [2.415 #2014]
Fanazavana frantsaySe disait des malheureux : on ne fait pas attention à eux parce qu'on n' attend rien d' eux. [2.415 #2014]

Ohabolana 52Misarabaka ny lamba indrana, ka nony tonga endahan' ny tompony. [2.165]
Dikanteny frantsayFaire traîner avec ostentation un lamba emprunté, et, une fois arrivé, se le voir enlever par son propriétaire. [2.165]
Fanazavana frantsayC' est un peu l'histoire du geai paré des plumes du paon. [2.165]

Ohabolana 53Mpamosavy natakalo omby mahery: lasa ny loza, fa tonga ny antambo. [2.165 #52]
Mpamosavy natakalo omby masiaka : lasa ny loza, fa mirotsaka ny antambo. [2.653]
Mpamosavy natakalo omby masiaka : lasa ny loza, fa tonga ny antambo. [2.653]
Dikanteny frantsayUn sorcier échangé contre un bœuf sauvage: à une calamité en succède une autre plus terrible encore. [2.165]
Fanazavana frantsay"Tomber de Charybde en Scylla" . [2.165]

Ohabolana 54Nahoana no tsy mba nijery sy tsy mba nandinika, ka nony tonga any an-trano vao mihisitrisitra ? [2.653 #2071]
Nahoana no tsy mba nijery sy tsy mba nandinika, ka nony tonga any an-trano vao misitrisitra ? [2.415 #6238]
Nahoana no tsy mba nijery tsy mba nisaina, ka any an-trano vao manalava molotra ? [2.558 #2718]
Dikanteny frantsayPourquoi n' a-ton pas regardé et examiné, et arrivé à la maison fait-on le mécontent ? [2.415 #6238]
Fanazavana frantsayOn ne peut accuser que soi-même, il fallait être plus réfléchi. [2.415 #6238]

Ohabolana 55Nanasa vahiny tsy tonga: sady voky no afaka adidy. [1.1]
Fanazavana malagasyTsy mahafaty antoka akory ny manao ny adidy tokony hoefaina. [1.1]

Ohabolana 56Natao ho zavona hahamasaka ny vary, kanjo nanjary fanala hamono ny mangahazo. [2.558 #2761]
Natao ho zavona hahamasaka ny vary, kanjo tonga fanala hamono ny mangahazo. [2.653 #2092]

Ohabolana 57Natao ihany ny mandevina loha-angidina, fa tsy tonga vakan-karanana. [2.165 #638]
Natao ihany ny mandevina lohan' angidina, fa tsy tonga vakan-karanana. [2.415 #92, 2.653]
Natao ihany ny nandevina lohan' angidina, fa tsy tonga vakan-karanana. [2.558 #2763]
Dikanteny frantsayOn a bien enterré la tête de la libellule, mais elle n' est pas devenue une perle (de verre). [2.165]
On a bien essayé d' enterrer des têtes de libellules, mais elles ne se sont pas changées en perles dont se servent les sorciers. [2.415 #92]
Fanazavana frantsayComme l' enfant l' espérait. Espérer beaucoup et ne rien avoir. [2.165]

Ohabolana 58Ny akoho novonoina no mody latsa, ary ny atao no manebaka. [2.558 #2842]
Ny akoho novonoina no mody latsa, ary ny atao no tonga adidy. [2.165 #145, 2.415 #6481]
Dikanteny frantsayLa poule tuée devient un sujet de blâme, et ce qu' on a fait est blâmé. [2.415 #6481]
Le poulet tué devient un sujet de reproches, et ce qu' on a fait est blâmé. [2.165]

Ohabolana 59Ny fingadongadonao dia soa fa ny henamaso anao raha tonga no tsy tanty. [2.558 #2990]
Ny fingodongodonao dia soa, fa ny henamaso anao raha tonga no tsy afak. [2.165 #1769, 2.415 #3048]
Dikanteny frantsayLe bruit de tes pas est doux à mes oreilles, mais quand tu ne viens pas je suis honteuse. [2.415 #3048]
Le bruit de tes pas est doux, mais quand tu es là je ne puis m' empêcher d' être honteuse. [2.165]

Ohabolana 60Ny fitia no tsy misy ka ny lalana no tonga lavitra. [2.558]

Ohabolana 61Ny mpiady tsy misy mpampionina dia ho tonga any Antananarivo. [2.415 #3361]
Ny mpiady tsy misy mpampionona dia ho tonga any Antananarivo. [2.165 #337]
Dikanteny frantsaySi ceux qui se querellent n' ont personne pour les remettre d' accord, ils finiront par aller à Tananarive. [2.165]
S' il n' y a personne pour mettre d' accord ceux qui se battent, ils finiront par monter à Tananarive. [2.415 #3361]
Fanazavana frantsayC. à. d. que leur dispute prendra de telles propositions quelle ne finira qu' en tribunal. [2.165]
Il y aura procès. [2.415 #3361]

Ohabolana 62Ny ronono mandroatra, ny rafozana tonga. [2.415 #1461]
Dikanteny frantsayLe lait écume dans la marmite, les beaux-parents arrivènt. [2.415 #1461]
Fanazavana frantsayBonne réception des beaux-parents ; ou bien avoir deux choses à faire. [2.415 #1461]

Ohabolana 63Ny teny nofon-kena: raha roritina, tonga ozatra. [2.653 #2443]
Ny teny toy ny hena ka raha roritina tonga hozatra. [2.415, 1.1]
Ny teny toy ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra. [2.415]
Ny teny toy ny nofon-kena, ka raha roritina tonga ozatra. [2.165 #553]
Ny teny toy ny nofon-kena, ka roritina tonga hozatra. [2.558 #3291]
Fanazavana malagasyTsy tsara raha ny rasaka na ny ady hevitra no halavaina loatra fa mety hanjary fanditra na ady mihitsy aza. [1.1]
Dikanteny frantsayLes paroles sont comme la chair, quand on l' étire elle devient muscle. [2.165]
Les paroles sont comme la viande : quand on tire dessus, cela devient nerf. [2.415 #4796]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas tirer sur les mots pour leur faire dire ce que l'on veut. [2.415 #4796]

Ohabolana 64Ny vitsika no keliray, ny fanompoana no mafy : mivoaka, mitondra tany ; miditra, mitondra hanina ; kanefa nony tonga, ny tsy naka no homana. [2.415 #731, 2.653 #2481]
Dikanteny frantsaySi les fourmis sont chétives, c' est que leur corvée est rude : en sortant elles portent de la terre ; en rentrant elles apportent des provisions ; mais quand elles arrivent, c' est celui qui n' a pas amassé qui mange tout. [2.415 #731]
Fanazavana frantsayCe proverbe qui s'appliquait aux exacteurs, fait allusion au serpent renimandotra ; les Malgaches disaient que ce serpent habitait les fourmilières et était nourri par les fourmis qui à leur tour mangeaient son cadavre. [2.415 #731]

Ohabolana 65Ny vola dia rano an-driana : ny lasa dia lasa ihany, ny tonga dia tonga ihany koa. [2.558 #3361]

Ohabolana 66Ny vola toy ny vahiny : tonga anio, lasa rahampitso. [2.653 #2491, 2.974 #336]
Ny vola tsy mandry lalana toy ny rano: tonga anio, fa lasa rahampitso. [2.165]
Dikanteny frantsayL' argent est comme l' eau: et ne s' arrête pas (litt. ne couche pas) en route, il arrive aujourd' hui et demain s' en va. [2.165]
L’argent ressemble à l’hôte de passage : aujourd’hui il arrive, demain il n’est plus. [2.974]

Ohabolana 67Ondrilahin' Ambohimangidy: hondrihondriny iraimbilanja; lava tandroka vao lasiventy. [2.165]
Ondrilahin' Ambohimangidy : hondrihondriny iraimbilanja, nony lava tandroka lasiventy. [2.558 #3449]
Ondrilahin' Ambohimangidy : lava tandroka vao latsa-bidy. [2.558]
Ondrilahin' Ambohimangidy : tonga soa vao latsa-bidy. [2.165, 2.558]
Dikanteny frantsayUn bélier d' Ambohimangidy: c' est quand il est gras que son prix baisse. [2.165]
Un bélier d' Ambohimangidy: petit, il vaut un franc; quand il a des cornes, il ne vaut plus que quatre-vingt-dix centimes. [2.165]

Ohabolana 68Ondrilahy tonga hariva, ka mitady ravin-katsaka horaotina. [2.415 #4702, 2.558 #220, 2.653 #2580]
Dikanteny frantsayBélier qui rentre le soir: il cherche des feuilles de maïs à brouter. [2.415]
Bélier qui rentre le soir : il cherche des gourmands. [2.415 #4702]
Fanazavana frantsaySe disait des gourmands. [2.415]

Ohabolana 69Rafotsibe mitakalo: tonga vao miehakehaka. [2.653]
Rafotsibe nitakalo : tonga vao miehakehaka. [2.558 #3530, 2.165]
Dikanteny frantsayLa vieille marchande au détail (de sel, riz, etc.): ce n' est qu' une fois de retour à la maison qu' elle se vante. [2.165]
Fanazavana frantsayTandis que quand elle est au marché, elle a des manières humbles et engageantes pour attirer les clients. [2.165]

Ohabolana 70Raha hety ny atao, hazondrano tonga andevo. [2.165 #1557]
Raha mety ny atao, ny hazondrano aza tonga mpanompo. [2.558 #233]
Dikanteny frantsaySi on réussit dans ce qu' on fait, des joncs (dont on fait des corbeilles) deviendront des esclaves. [2.165]
Fanazavana frantsayLes esclaves étaient le plus grand signe de prospérité. [2.165]

Ohabolana 71Raha mahare teny tsy tiana : ny marary tonga finaritra ary ny malemy tonga matanjaka. [2.558 #3599]
Raha mahare teny tsy tiana : ny marary tonga manaritra, ny malemy tonga matanjaka. [2.415 #2820, 2.653 #2674]
Dikanteny frantsayEn entendant des mots désagréables, les malades sont guéris et les faibles deviennent forts. [2.415 #2820]
Fanazavana frantsayOn se trouve excité par les mots désagréables. [2.415 #2820]

Ohabolana 72Raha mandrivotra avy andrefana ny andro, hoy ny adala: manjaira sonina, fa ho avy ny valala. Hoy kosa ny anganongano: tampeno ny vava, fa tonga ny aretina. [2.165]

Ohabolana 73Raha maniry ihany ny hazo, ho tonga any an-danitra no farany. [2.653, 2.165]
Raha maniry ihany ny hazo tonga any an-danitra. [1.1]
Raha mitohy ihany ny hazo, ho tonga any an-danitra no farany. [2.165]
Raha mitohy ihany ny hazo, tonga any an-danitra. [1.1]
Fanazavana malagasyEntina mampiomana fa misy fetrany toy ny hazo maniry ny fanambinana, ny fahasoavana. [1.1]
Misy fetra ny fanirin' ny hazo; voafetra koa ny fanambinana fa tsy mitohy hatrany ka tokony hanararaotra ny soa izay sendra sao manenina. [1.1]
Dikanteny frantsaySi l' arbre ne s' arrêtait pas de croître, il finirait par toucher le ciel. [2.165 #960]

Ohabolana 74Raha mihinana ny amalom-boasira hianao, manao hoe: "Ny maty no havakoary raha asa zama, manao hoe : "Mamosavy ny tsy tia maro". [2.653]
Raha mihinana ny amalom-boasira hianao, manao hoe ny maty no havako, ary raha tonga ny asa jama dia hanao hoe : ny mpamosavy no tsy tia maro. [2.558 #3615]

Ohabolana 75Raha tonga amin' ny andry ny andro. [2.415 #6604]
Dikanteny frantsayQuand le soleil arrive au pilier qui se trouve à trois pas de la porte d' entrée : un peu après trois heures de l' après-midi. [2.415 #6604]

Ohabolana 76Raha tonga amin' ny fitotoam-bary ny andro. [2.415 #6605]
Dikanteny frantsayQuand le soleil arrive au mortier à riz qui se trouve à deux pas de la porte d' entrée : vers les trois heures après midi. [2.415 #6605]

Ohabolana 77Raha tonga izay fotoana, ka tapaka ny andro, dia iambohoana izao tontolo izao. [2.415 #2916]
Dikanteny frantsayLorsqu' arrive le terme et que le fil des jours est rompu, alors il faut tourner le dos à ce monde. [2.415 #2916]

Ohabolana 78Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manankavana afa-tsy ny maty aho, fa raha tonga ny asa vadi-drano, havako daholo Imamo sy Imerina. [1.1 #57]
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty ; ary raha tonga ny asa vadi-drano, havako daholo Imamo sy Imerina [2.415 #2323, 1.3]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona tia tena fatratra izay tsy mahalala na iza na iza rehefa ao anatin' ny fiadanana, nefa kosa midodododo manatona ny hafa rehefa misy mahaporitra. [1.1 #57]
Dikanteny frantsayQuand on a une anguille salée on prétend n' avoir de parents que chez les morts ; mais quand on a un travail de rizière pénible ou une affaire difficile, on se dit parent de tout le pays d' Imamo et d' Imerina. [2.415 #2323]
Fanazavana frantsayDans la prospérité on ne veut partager avec personne et dans le malheur on frappe à toutes les portes. [2.415 #2323]
Dans le bonheur on ne partage avec personne, dans le malheur on frappe à toutes les portes [1.3]

Ohabolana 79Raha tonga ny taona asaramanitra, dia avy manatitra ny jaka izahay mianakavy. [2.415 #4155]
Dikanteny frantsayParce que l' année bénie est arrivée, nous venons en famille vous offrir le jaka. [2.415 #4155]
Fanazavana frantsayLe jaka était la viande donnée en étrennes au premier jour de l'an ; le premier jour de l' an était appelé le jour du Bain parce qu' il y avait, ce jour-là, le Bain solennel du souverain. [2.415 #4155]

Ohabolana 80Raha tsy ny faladia no mivadika, raha tsy Itasy no iray sotro, tsy avelako tsy ho tonga any aho ! [2.415 #4220]
Raha tsy ny faladia no mivadika, raha tsy Itasy no tonga eran' ny sotro, tsy avelako tsy ho tonga any aho! [2.558 #3674]
Dikanteny frantsayTant que ma plante des pieds ne se retournera pas, tant que le lac Itasy ne sera pas dans une cuiller, je ne laisserai pas que d' aller là-bas! [2.415 #4220]

Ohabolana 81"Raikitra terý izao!" hoy ilay voa bala tamin' ny feny, "fa afaka ho borozano aho raha tonga" . [2.165]
Raikitra tery izao hoy ilay voa bala tamin' ny feny, fa afaka ho borizano aho raha tonga. [2.415 #448]
Raikitra tery izao, hoy ilay voan' ny bala teo amin' ny feny, fa afaka ho borizano raha tonga. [2.558 #3689]
Dikanteny frantsay "Çà y est" , s' écrie le soldat atteint d' une balle à la cuisse, "je serai exempté du service une fois arrivé" . [2.165]
C' est fait, dit le soldat qui vient de recevoir une balle à la cuisse, à mon arrivée je serai exempté du service militaire. [2.415 #448]
Fanazavana frantsayBienheureuse balle qui, tout en lui laissant la vie, le fera dispenser du service forcé et non rétribué! [2.165]
Bonheur d' échapper à la corvée. [2.415 #448]

Ohabolana 82Rano antsakaina mody ventiny. [2.415 #938, 2.653 #2754, 2.165]
Rano antsakaina mody ventiny, fa tonga ny fanambinana. [2.558 #3705]
Dikanteny frantsayDe l' eau puisée devient quelque chose de substantiel, pour ceux qui savent en tirer parti. [2.165]
Eau puisée, devient un bien solide. [2.415 #938]
Fanazavana frantsayAllusion à la mère qui en buvant superstitieusement de l'eau, a obtenu l' enfant quelle désirait ; se disait des faveurs obtenues, des bonnes aubaines. [2.415 #938]

Ohabolana 83Rano velona tarihin-dririnina: miala amy ny tany itoerany, fa tsy tonga amy ny hitarihana azy. [2.653 #2757]

Ohabolana 84Ranovelona tarihin-dririnina : miala amin' ny tany itoerany, fa tsy tonga amin' izay itarihana azy. [2.558]
Ranovelona tarihin-dririnina : miala amin' ny tany itoerany, fa tsy tonga amin' ny itarihana azy. [2.415 #3364]
Dikanteny frantsayEau vive qu' on amène en hiver par des canaux dans un village : elle quitte bien l' endroit où elle était, mais elle n' arrive pas à l' endroit où on veut l' amener : elle se perd en route. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait de ce qui se perd en route, par exemple l' argent dans un procès. [2.415 #3364]

Ohabolana 85Rehefa tonga ny loza, na ny rano aza mahakenda. [2.558 #3685]

Ohabolana 86Rehefa tonga ny tokoa, mena-dratsy ny lainga. [2.558 #3686]

Ohabolana 87Resen' Andriamanitra tsy tonga olona. [2.415 #50]
Dikanteny frantsayQuand on fait le mal on est frappé de Dieu : on ne devient pas homme, mais on reste avorton. [2.415 #50]
Fanazavana frantsayLes Malgaches croyaient que les méchants restaient chétifs ; ce proverbe se disait aussi en manière de malédiction pour appeler la colère de Dieu. [2.415 #50]

Ohabolana 88Salohy natora-bato : dora laha miherina. [1.147 #S11]
Salohy natora-bato: tonga añy laha-miheriña. [2.165]
Fanazavana malagasySalohy natoraka amim-bato: tonga any vao miverina. [2.165]

Ohabolana 89Sima nozairina : tafahoana fa mikentrona. [2.558 #3888]
Sima nozairina : tonga tany ihany, fa miketrona. [2.415 #1708, 2.653]
Dikanteny frantsayBec-de-lièvre qu' on a cousu : tout se rejoint mais il y a des plis. [2.415 #1708]
Fanazavana frantsayIl reste des traces des difficultés, ou des événements, ou des paroles, même après arrangement ou réconciliation. [2.415 #1708]

Ohabolana 90Siny vaky nantsakan-drano : ny siny aza vaky, ka rano ho tonga ? [2.415 #2405, 2.653 #2899]
Dikanteny frantsayCruche fêlée avec laquelle on a puisé de l' eau : puisque la cruche est fêlée, comment porter l' eau jusqu' à la maison ? [2.415 #2405]
Fanazavana frantsayAnalogue au proverbe : c' est un panier percé. [2.415 #2405]

Ohabolana 91Soa ampiam-panahy tonga amy ny soa tanteraka ; ratsy ampiam-panahy tonga amy ny soa onony. [2.653 #2906]
Soa ampiam-panahy tonga amin' ny soa tanteraka ; ratsy ampiam-panahy tonga amin' ny soa onony. [2.415 #1581]
Soa ampiam-panahy : tonga soa maninteraka; ratsy ampiam-panahy : tonga soa antonona. [2.558 #3902]
Dikanteny frantsayLa beauté jointe à l' esprit et au caractère, c' est le beau parfait ; la laideur compensée par l' esprit et le caractère devient acceptable. [2.415 #1581]

Ohabolana 92Sokina manatona afo an-efitra ; tonga ihany, fa manaton-doza. [2.974 #228, 2.653]
Dikanteny frantsayHérisson du désert qui s’approche du feu : il arrive, mais pour son malheur. [2.974 #228]

Ohabolana 93Tahom-boahirana anaty rano : mahitsy am-pangalana, fa nony tonga an-trano vao miolikolika. [2.558]
Tahom-boahirana anaty rano : mahitsy any am-panalana, fa tonga an-trano vao miolikolika. [2.415 #1583, 2.653 #2969]
Dikanteny frantsayTiges de nénuphars dans l' eau : elles sont droites quand on les prend, mais sinueuses une fois qu' elles sont à la maison. [2.415 #1583]
Fanazavana frantsaySe disait des jeunes filles avant et après le mariage ; sens général : ce n' est qu' avec le temps et à l' examen qu'on voit les défauts. [2.415 #1583]

Ohabolana 94Tari-drano ririnina : miala amin' izay nitaritana azy, fa tsy tonga amin' izay nokasaina. [2.558 #4109]

Ohabolana 95Tiana, ka tany lavitra natao folo hafatra, fa nony tonga tsy tian-kojerena. [2.558 #266]

Ohabolana 96Toy ilay namatra isam-pangady : raha tsy tonga ny vola, dia vary no afatra. [2.415 #738]
Toy ilay namatra ny isam-pangady : raha tsy tonga ny vola dia vary no afatra. [2.165 #2186, 2.558 #4239]
Dikanteny frantsayC' est comme celui qui fixait l' impôt sur les rizières : à défaut d' argent il prenait du riz. [2.415 #738]
Semblable à celui qui fixait l' impôt sur le riz (ou les rizières): quand l' argent ne venait pas, il recevait du riz (à la place). [2.165]

Ohabolana 97Toy ny mitari-drano ririnina: miala amin' izay nitoerany, fa tsy tonga amin' izay alehany. [2.165]
Dikanteny frantsayIl en est comme de l' action de conduire de l' eau en hiver: l' eau quitte bien l' endroit où elle était, mais n' arrive pas jusqu' où il faudrait. [2.165]
Fanazavana frantsayL' hiver à Madagascar est la saison sèche: la terre est desséchée, et l'eau peu abondante, de sorte quelle est absorbée en route. [2.165]

Ohabolana 98Toy ny ondrindrano, lefona dimy, fampohaza iray, famaky iray, ireo no nentina, nefa nosorohin' Itsaramanampy, ka tonga any an-karona fihazana. [2.558 #4341]
Tsy misy manao ho vazaha noho ny ondrindrano: lefona dimy no nentiny, fampohazarana no nentiny, ary famaky iray no nentiny; kandrefa raha nankao atsimon-drano, nosorohin' Itsaramanampy ka tonga any an-karona fihazana. [2.165 #2309]

Ohabolana 99Tonga amin' ny tsy afa-droa aman-telo. [2.415 #3308, 2.165]
Tonga amin' ny tsy afa-droa telo. [2.558 #4183]
Dikanteny frantsayNous voici devant une chose que deux hommes ni même trois ne pourront faire. [2.415 #3308]
Nous voici en face de quelque chose dont ni deux ni trois ne viendront à bout. [2.165]
Fanazavana frantsayGrande difficulté. [2.415 #3308]
Quelque chose de très difficile. [2.165]

Ohabolana 100Tonga haka, ohatra ny jiro manao rehibe. [2.653, 2.558]

Ohabolana 101Tonga ranaotra, tsy misy laoka ; lasa ranaotra, vonoiny ny omby. [2.415 #1165]
Tonga ranaotra, tsy misy ny laoka; lasa ranaotra, vonoiny ny omby. [2.653 #3128]
Tonga Ranaotra tsy misy ny laoka, lasa Ranaotra vonoy ny vositra. [2.558 #4185]
Tonga Ranaotra vao lany ny laoka. [2.165 #955]
Dikanteny frantsayQuand arrive le beau-frère il n' y a pas de mets à lui servir, et quand il est parti on tue un boeuf. [2.415]
Quand le beau-frère (ou la belle-sœur) arriva, on venait de finir la viande. [2.165]
Fanazavana frantsayPhrase servant à s' excuser auprès de ses parents de ne pouvoir leur offrir un meilleur repas. Ils sont arrivés trop tard! [2.165]

Ohabolana 102Tonga tsy tonga karaha aomby nakarin-jaza. [1.147 #T95]

Ohabolana 103Toto vary lena, ka ny kely no tonga tohany. [2.558 #285]

Ohabolana 104Toto vary lena: ny kely no tonga tohany. [2.653 #3153]

Ohabolana 105Tsaka rano, ka ny aloha tsy mitsaha-tsy feno, ny aoriana tsy mitondra tapany. [2.558 #4394]
Tsakarano : ny aloha tsy mitsaha-tsy feno, ny aoriana tsy mitondra tapany. [2.653]
Tsakarano : ny tonga aloha ihany no aloha. [2.653]

Ohabolana 106Tsy mety raha maniry biby maro soratra, ka nony tonga tsiravin' endrika. [2.558 #4635]
Tsy mety raha maniry biby maro soratra, ka nony tonga, tsy tian-kozahana. [2.415 #5347, 2.653]
Dikanteny frantsayDésirer des animaux bigarrés, et ne pas vouloir les voir quand ils sont arrivés, cela ne convient pas. [2.415 #5347]
Fanazavana frantsaySe disait des gens fantasques et capricieux. [2.415 #5347]

Ohabolana 107Tsy misy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, tsy tonga. [2.165 #81]
Tsy nisy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany ; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, tsy tonga. [2.415 #862]
Dikanteny frantsayPersonne n' a prié tourné vers l' ouest, mais tous l' ont fait tournés vers le nord (comme il faut); mais la richesse vient du destin, et celui qui n' y est pas destiné ne l' obtient pas. [2.165]
Personne n' a prié tourné vers l' ouest, tous ont prié tournés vers le nord ; mais la fortune vient du destin et quand ce n' est pas le destin, la fortune ne vient pas. [2.415 #862]

Ohabolana 108Varifitoventy zato no tonga ariary. [1.1]
Fanazavana malagasyMitovy hevitra: erikerika mahatondra-drano. [1.1]
Ny zavatra kely sy madinika aza, rehefa mitambatambatra ela, mety hisy vokany lehibe. [1.1]

Ohabolana 109Vitsika nahazo valala: tonga ny entana, fa ny vava no tsy omby. [2.165 #637]
Vitsika nahazo valala : zakan' ny aina fa tsy omby ny vava. [2.558 #4957]
Dikanteny frantsayDes fourmis qui ont pris une sauterelle; le butin est arrivé, mais la bouche est trop petite (pour le manger). [2.165]

Ohabolana 110Voin-tenan’ izay tsy mandrahona, fa tsy ho tonga am-body rova tsy akory. [2.415 #6, 2.558 #5012, 2.653 #3723]
Dikanteny frantsayTant pis pour ceux qui ne menacent pas, car ils n' arriveront pas au pied du palais. [2.415 #6]
Fanazavana frantsayLes forts seuls obtiennent. [2.415 #6]

Fizahan-teny