Fizahan-teny

Ohabolana : tezitra

Ohabolana 1Atao adala ka tezitra: vary misy ro ka haronina, sisan' Idalo ka hanina. [1.1]
Atao adala ka tezitra: vary misy ro ka haronina, sisan' ny Idalo ka hanina. [2.165 #1652]
Atao adala ka tezitra, vary misy ro ka haronina, tanan-tsy mioza ka enti-mitsabaka. [2.653 #291]
Atao ho adala ka tezitra, nefa vary misy ro ka haronina, sisan' Idalo ka hanina. [2.415 #2060]
Atao ho adala ka tezitra, nefa vary misy ro ka haronina, tanan-tsy mioza ka enti-mitsabaka. [2.415 #2060]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona tezitra raha atao hoe adala, kanefa ny toetra amam-pombany rehetra mitory toetran' olona adala. [1.1]
Dikanteny frantsayIl s' irrite de ce qu' on le traite de sot, et cependant il met la main dans le riz cuit avec de la sauce, il la plonge sans s' être lavé et il mange les restes d'Idalo. [2.415 #2060]
On le traite d' imbécile et il se fâche: pourtant il prend avec la main du riz sur lequel on a mis de la sauce, et il mange les restes d' Idalo (nom de quelqu' un de malpropre, très probablement). [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui protestent contre ce qu' on dit d' eux et qui cependant, par leur conduite, montrent la vérité de ce qui est allégué contre eux. [2.415 #2060]

Ohabolana 2Ataovy fihavana-molotra: tezitra, vao mifanatona. [2.653 #439]
Aza manao fihavana-molotra : tezitra vao mifanatona. [2.653 #439, 2.974 #403]
Dikanteny frantsayQue votre union ne ressemble pas à celle des lèvres : ce n’est que dans la colère qu’elles se rapprochent. [2.974 #403]

Ohabolana 3Aza tezitra alohan' ny rariny : ny teny ifamaliana mahatsara raharaha. [2.415 #5594]
Dikanteny frantsayNe vous mettez pas en colère avant d' entendre raison, car les paroles de délibération et d' entente arrangent les choses. [2.415 #5594]
Fanazavana frantsayNe vous emportez pas si vite. [2.415 #5594]

Ohabolana 4Fo tezitra lavitra ny hitsiny. [2.558 #1197]

Ohabolana 5Fo tezitra tsy ananan-drariny. [2.165 #398, 2.415 #5601, 2.653 #976]
Fo tezitra tsy ananan-drariny, fo mafana sakaizan' ny nenina. [2.558 #1198]
Dikanteny frantsayCe n' est pas par un coeur irrité qu' on a le droit. [2.415]
En se mettant en colère, on montre qu' on n' a pas raison. [2.165 #398]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas se mettre en colère. [2.415 #5601]

Ohabolana 6Harabina, tsy mahalala; tenenina, dia tezitra. [2.165 #307]
Harabin-tsy mahalala, tenaina dia tezitra. [2.415 #5603]
Harabin-tsy mahalala, tenain-dia tezitra. [2.653 #1032]
Dikanteny frantsayOn se moque de lui, il ne s' en aperçoit pas; on lui fait des observations, il se fâche. [2.165]
Si on le plaisante, il n' y comprend rien ; si on le tutoie, il se fâche. [2.415 #5603]
Fanazavana frantsayC' est un homme difficile à contenter. [2.165]
Se disait de ceux qui ne comprennent pas les allusions, et se fâchent des paroles directes. [2.415 #5603]

Ohabolana 7Hoatry ny maso : tezitra vao mibaliaka ; mijery ny tiana vao manjary mikombomkombona. [2.415]
Dikanteny frantsayC' est comme les yeux : quand ils sont en colère ils s' ouvrent tout grands ; et quand ils voient une chose qu' ils aiment, ils se ferment de contentement. [2.415 #5604]
Fanazavana frantsaySe disait des gens singuliers. [2.415 #5604]

Ohabolana 8Keliray no ho tezitra, ka ny masony ihany no adiridiriny. [2.415]
Keliray no ho tezitra : ny maso no adiridiry. [2.653 #1256]
Keliray no tezitra ka ny maso foana no adiridiry. [2.558 #1611]
Kely ray no tezitra, ka ny maso no adiridiry. [2.165]
Keliray tezitra, ka ny masony ihany no adiridiriny. [2.415]
Dikanteny frantsayHomme chétif et malingre qui est en colère : pour épancher sa colère, il n' a pas d' autre manière que de courroucer son regard. [2.415 #5606]
Quand un petit homme est en colère, il écarquille les yeux. [2.165]
Fanazavana frantsayMenaces sans effet. [2.415 #5606]

Ohabolana 9Kely tratry ny sarotra hoatry ny misao-bady tezitra. [2.415 #1375]
Kely tratry ny sarotra, ohatra ny misao-bady tezitra. [2.653, 2.165, 2.558]
Dikanteny frantsayDe petits riens jettent dans de grandes difficultés, comme un divorce fait dans un moment d'impatience et de colère. [2.415 #1375]
Un petit (homme) surpris par une grosse difficulté, comme celui qui divorce d' avec sa femme en colère. [2.165]
Fanazavana frantsayIl s' en repentira, car il ne peut se passer de laide d' une femme. [2.165]

Ohabolana 10Lasa tsy manao veloma naman' ny tezitra. [1.1]
Lasa tsy manao veloma naman' ny tezitra, tonga tsy mifampiarahaba naman' ny sosotra. [1.1]
Fanazavana malagasyAraka ny lalàn' ny fihavanana malagasy, ny fiarahabana sy ny fanaovambeloma dia tsy maintsy atao raha mbola tsy tapaka akory ny fihavanana. [1.1]

Ohabolana 11Moana no tezitra ka sady mikapakapa ny tanana no midiridiry ny maso ary ny vava mikiakiaka dia manginy ihany. [2.558]

Ohabolana 12Ny falafa an-elanelan’ ny raviny; ny ampiantany anelanelan’ ny voly; ary ny fitsarana anelanelan’ ny tezitra. [2.558 #2949, 2.653 #2202, 2.415]
Dikanteny frantsayLes lattis de palmier sont entre les feuilles, les murs en terre sont entre les champs pour les séparer, et la justice est entre les personnes irritées pour les contenir. [2.415]

Ohabolana 13Ny fo no ho tezitra, ny sofina no mandre teny ratsy. [2.653 #2239]
Ny fo no tezitra, dia ny sofina no nandre vava ratsy. [2.558 #3011]

Ohabolana 14Ny fo tezitra tsy mba ananan-tsakaiza ary ny tendrom-po tsy mba namana. [2.558 #195]

Ohabolana 15Ny voky tsy manan-tsisa isan’ ny noana; ny mody tsy manao veloma naman’ ny tezitra. [2.653 #2489]

Ohabolana 16Raha maditra ala-nify, dia ho sosona no iafarany, ary raha tezitra anarina dia ho very ihany. [2.558 #3598]

Ohabolana 17Raha olona iray no tsy tia, hitoto koba aho hatavy, fa raha Idada sy Ineny no tezitra (tsy tia) ifony aho fa diso. [2.558 #3643]

Ohabolana 18Raha tezitra, toy ny andriana; fa raha mianina, olona ihany. [2.165 #397]
Raha tezitra, toy ny andriana; fa raha mionona, olona ihany. [2.974 #70, 2.653]
Dikanteny frantsayQuand vous êtes en colère, vous êtes semblable à un prince (qu' on craint); mais quand vous restez calme vous n' êtes qu' un sujet (comme les autres). [2.165]
Se mettre en colère, c’est le privilège des grands ; mais se contenir, c’est le lot de l’humanité. [2.974 #70]

Ohabolana 19Ravin-koririka: tezitra miara-mihodina ; faly, miara-mifanatrika. [2.653 #2777, 2.974 #423]
Dikanteny frantsayFeuilles d’horirika : en colère, elles se détournent toutes ensemble ; dans la joie, elles se regardent de concert. [2.974 #423]

Ohabolana 20Ravin-tatamo am-parihy : tezitra, ny ranomaso havozona, faly ny ranomaso hantenda. [2.558]

Ohabolana 21Saro-babay, ka izay voa aza tezitra. [2.165 #354, 2.415 #3365, 2.558 #3840, 2.653 #2863]
Dikanteny frantsayCe n' est pas ma faute : que celui qui est frappé ne se mette pas en colère. [2.415 #3365, 2.165]
Fanazavana frantsayExpression dont se servait celui qui venait désigner ceux qui devaient boire le tanguin. [2.165]
Paroles dites par celui qui venait désigner les personnes devant boire le tanguin. [2.415 #3365]

Ohabolana 22Soa hoatry ny vary fotsy mby am-bilany hianareo, sahala amin' ny hazo be endriky ny saha, ka hoatry ny rakitra saro-bidy, toy ny lamba isampinako raha miramirana, sy isikinako raha sendra tezitra. [2.415 #309]
Dikanteny frantsayVous êtes aussi bons que le riz blanc qui est dans la marmite, vous êtes comme l' arbre majestueux ornement de la vallée, vous êtes aussi précieux qu' un trésor, vous êtes comme le lamba dont je pare mes épaules quand je suis content et dont je me ceins les reins quand je suis en colère. [2.415 #309]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina à ses guerriers. [2.415 #309]

Ohabolana 23Tatamo am-parihin-dRasahala : raha faly, miara-manatrika, raha tezitra miara-mihodina. [2.558 #4111]
Tatamo am-parihin-dRasahala : raha faly, miara-manatrika; tezitra, miara-mihodina. [2.653 #3047]
Toa ravin-koririka am-parihin-dRasahala isika: ka raha faly, miara-manatrika; tezitra, miara-mihodina. [2.165]
Toa tatamo am-parihin-dRasahala isika: ka raha faly, miara-manatrika; tezitra, miara-mihodina. [2.165]
Dikanteny frantsayNous sommes pareils aux feuilles de nénuphar dans l' étang égalisateur: contents, nous nous tournons les uns vers les autres; fâchés, nous nous détournons les uns des autres. [2.165]

Ohabolana 24Tezi-manina, ka misarintona ; tezitra alahelo, ka miasa alina. [2.165 #1477, 2.415 #5631, 2.558 #4125, 2.653 #3088]
Tezi-manina ka misarintona, tezitr' alahelo ka miasa alina. [2.415]
Dikanteny frantsayAvoir des regrets et s' en aller en colère; être en colère d' être pauvre et travailler la nuit. [2.165 #1477]
Ceux que la passion excite vont vers l' objet de leur passion et de leurs soupirs ; ceux que le malheur excite travaillent nuit et jour pour sortir de la misère. [2.415]
Quand on est de mauvaise humeur à la suite de soupirs et de regrets, on se démène de colère ; quand c' est par suite de la misère, on travaille la nuit. [2.415 #5631]

Ohabolana 25Tezitra alohan' ny rariny, ka tsy misy asiana ny hitsiny. [2.165 #401]
Tezitra alohan’ ny rariny, ka tsy misy hasiana ny hitsiny. [2.415 #5632, 2.558 #4125, 2.653 #3086]
Dikanteny frantsaySe fâcher avant d' entendre raison : il n' y a plus de place pour la justice. [2.415 #5632]
Si vous vous mettez en colère avant d' être jugé, on ne saura plus comment vous justifier. [2.165]

Ohabolana 26Tezitra vao mivanika, toy ny alika. [2.415 #5633, 2.653 #3087]
Tezitra vao mivanika, toy ny amboa. [2.558 #4126]
Dikanteny frantsayMontrer les dents, quand on is' irrite, comme les chiens. [2.415 #5633]

Ohabolana 27Toy ny lamba: raha tezitra, isikinana; raha mandry, irakofana; raha mandeha, itafiana. [2.165]
Toy ny lamba: tezitra, isikinana; mandry, irakofana : mandeba, itafiana ; faly, isampinana. [2.653 #3207]
Toy ny lamba : tezitra isikinana, mandry irakofana, mandeha itafiana faly isampinana. [2.415 #1718, 2.558 #4300]
Dikanteny frantsayC' est comme le lamba : dans la colère, on s' en ceint les reins ; couché, on s' en couvre ; en marche, on s' en revêt ; content, on s' en sert pour se draper. [2.415]
Pareil au lamba: quand on est en colère, on s' en ceint les reins; pour dormir, il sert de couverture; quand on sort, il sert de vêtement. [2.165]
Fanazavana frantsayLe lamba, vêtement national, est une espèce de grand châle enveloppant tout le haut du corps et une partie des jambes, et pouvant même traîner jusqu' à terre, il est en toute espèce de tissus, et sert à plusieurs usages, comme le montre ce proverbe. [2.165]
Paroles d'éloge : ce proverbe était fréquemment employé dans les discours publics, par exemple dans les discours royaux. [2.415 #1718]

Ohabolana 28Vantotr' akoho nofaohin-tsintsina, ka sady gaga no talanjona. [2.558 #4855]
Vantotr’ akoho nofaohin-tsintsina: saiky tezitra, kanjo talanjona. [2.653 #3610]

Fizahan-teny