Fizahan-teny

Ohabolana : manatona

Ohabolana 1Famaky tapa-jarana, ka manatona ny hazo ; lakana tapa-kofehy, ka manatona ny ony. [2.653 #892]
Famaky tapa-jarana manatona ny hazo, lakana tapa-kofehy manatona ny ony. [2.558 #1066]

Ohabolana 2Foto-kazo sy vorona ka izay manina no manatona. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa raha misy fiangaviana olona dia ilay mila fanampiana no tokony hanatona fa tsy ilay mpanampy iangaviana akory. [1.1]

Ohabolana 3Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: atonina manalavitra, alavitina manatona. [2.558 #2985]
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: hatonina, manalavitra; hala-virina, manatona. [2.165 #161]
Dikanteny frantsayL' amitié est comme les algues: quand on s' en approche, elles s' éloignent; et quand on s' en éloigne, elles se rapprochent. [2.165]

Ohabolana 4Ratsy tarehy manam-bintana aho, ka ny soa no manatona ho vady. [2.653 #2771]
Ratsy tarehy manam-bintana, ka ny soa no manatona ho vady. [2.558 #3729]

Fizahan-teny