Fizahan-teny

Ohabolana : hanina

Ohabolana 1Akanga makangoa : ho hanina mahafaty ray, tsy ho hanina mahafaty reny. [1.147 #A16]

Ohabolana 2Akondro masaka ifotony aho : tsinjo maso fa tsy azo hanina, ka jerena ihany. [2.558 #90]
Akondro masaka ifotony aho : tsinjo maso, fa tsy azonao hohanina, fa jerena ihany. [2.415 #1556, 2.653]
Dikanteny frantsayJe suis comme une banane mûre sur pied : les yeux me voient, mais vous ne pouvez pas me manger, il faut vous contenter de me regarder. [2.415 #1556]
Fanazavana frantsayRefus d' une jeune fille aux sollicitations d' un jeune homme. [2.415 #1556]

Ohabolana 3Antsontsany hoatry ny fihinanana fadin-kena : hanina mafana, mandoro ; hanina mangatsiaka, miraikitra amin' ny lanilany. [2.415 #5644]
Antsontsany ohatra ny fihinana fadin-kena : hanina mafana, mandoro; haninahanina mangatsiaka, miraikitra amy ny lanilany. [2.653]
Antsontsany ohatra ny fihinanana fadin-kena : hanina mahamay mandoro, hanina mangatsiaka, miraikitra an-danilany. [2.558 #292]
Dikanteny frantsayChercher difficultés et querelles comme l' intérieur de boeuf, quand on le mange : chaud, il brûle ; froid, il s' attache au palais. [2.415]
Fanazavana frantsayIl faut en tout un juste milieu ; ce proverbe se disait des gens trop hésitants. [2.415 #1198]
Se disait des personnes difficiles de caractère. [2.415 #5644]

Ohabolana 4Atao adala ka tezitra: vary misy ro ka haronina, sisan' Idalo ka hanina. [1.1]
Atao adala ka tezitra: vary misy ro ka haronina, sisan' ny Idalo ka hanina. [2.165 #1652]
Atao adala ka tezitra, vary misy ro ka haronina, tanan-tsy mioza ka enti-mitsabaka. [2.653 #291]
Atao ho adala ka tezitra, nefa vary misy ro ka haronina, sisan' Idalo ka hanina. [2.415 #2060]
Atao ho adala ka tezitra, nefa vary misy ro ka haronina, tanan-tsy mioza ka enti-mitsabaka. [2.415 #2060]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona tezitra raha atao hoe adala, kanefa ny toetra amam-pombany rehetra mitory toetran' olona adala. [1.1]
Dikanteny frantsayIl s' irrite de ce qu' on le traite de sot, et cependant il met la main dans le riz cuit avec de la sauce, il la plonge sans s' être lavé et il mange les restes d'Idalo. [2.415 #2060]
On le traite d' imbécile et il se fâche: pourtant il prend avec la main du riz sur lequel on a mis de la sauce, et il mange les restes d' Idalo (nom de quelqu' un de malpropre, très probablement). [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui protestent contre ce qu' on dit d' eux et qui cependant, par leur conduite, montrent la vérité de ce qui est allégué contre eux. [2.415 #2060]

Ohabolana 5Ataony ho aretin’ inona, ka hoe : "Hohaniko ny sisan’ Ikaky". [2.415 #1491, 2.653 #302]
Dikanteny frantsayIl ne sait de quelle maladie souffre son père et il dit : je mangerai les restes des bonnes choses qu' on a données à mon père. [2.415 #1491]
Fanazavana frantsaySe disait de l' égoïsme et de la gourmandise des enfants, qui sans songer aux souffrances de leurs parents, se réjouissaient de manger leurs restes. [2.415 #1491]

Ohabolana 6Avoko no nasaina nohaniny ka soamalandona no nataony be am-bava. [2.558 #358]
Avoko no nasaina nohaniny ka soamalondona no nataony be am-bava. [1.1]
Avoko no nasaina nohaniny, ka soamalondona no nataony be am-bavany. [2.165]
Avoko no nasaina nohaniny, ka soihalondona no nataony be am-bava. [2.653 #329]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona izay tsy mitandrina amin' izay ataony. [1.1]
Dikanteny frantsayOn lui ordonne de manger de "l' avoko" et c' est de "soamalondona" qu' il se bourre. [2.165]
Fanazavana frantsayL' "avoko" est une petite légumineuse dont la racine est bonne à manger; le "soamalondona" lui ressemble, mais est vénéneux; on rappelle aussi "tangem-boalavo" - tanguin des rats - parce que ses tubercules sont employés à détruire ces animaux. [2.165]

Ohabolana 7Aza atao hala maina, hoatry ny vorondolo : tsy hohanin-kena, tsy hosotroin-dro, fa vonoim-poana. [2.415 #5645]
Aza atao hala maina ohatra ny vorondolo: tsy ho hanin-kena, tsy hosotroin-dro, fa vonoim-poana. [2.165]
Aza atao hala maina toa vorondolo : tsy ho hanina, tsy halain-dro fa vonoim-poana. [2.558]
Dikanteny frantsayNe haïssez pas sans motif comme on hait le hibou ; on ne le mange pas, on n' en fait pas de bouillon, mais on le tue pour rien. [2.415 #5645]
Ne haïssez pas sans raison comme on hait le hibou; on ne le mange pas, on n' en fait pas du bouillon, mais on le tue pour rien. [2.165]

Ohabolana 8Aza manao ombilahin' Ibosy : ampiadiana, tsy miady, ampihosena tsy mihosy, hanin-kena manala nify. [2.558 #550]
Aza manao ombilahin' Ibosy: ampiadin-tsy miady; ampihosen-tsy mihosy; hanin-kena, mafy hena; avela ihany, manoto ny madinika. [2.165]
Dikanteny frantsayNe soyez pas comme le taureau d' Ibosy: on voudrait qu' il se batte, il refuse; on voudrait le faire piétiner les rizières, il refuse; on voudrait le manger, sa chair est trop dure; et si on ne s' en occupe pas, il donne des coups de corne aux petits. [2.165]
Fanazavana frantsayIl n' est bon à rien. [2.165]

Ohabolana 9Be loha mangataka ka mandra-pitsidika, lany ny hanina. [2.558 #870]
Be loha nangataka: mandra-pitsidika lany ny hanina. [2.653 #751]

Ohabolana 10Hanina omena andevolahy : tsy tian-kano, tian-kano. [2.415 #552, 1.3]
Toy ny hanina omena andevo : "Tian-kano, tsy tian-kano". [2.165 #1564, 2.653 #3195]
Toy ny hanina omena mpanompo : tian-kano, tsy tian-kano. [2.558 #4283]
Dikanteny frantsayComme la nourriture qu' on donne aux esclaves: qu' ils l'aiment ou qu' ils ne l' aiment pas, il faut qu'ils la mangent. [2.165]
Nourriture donnée à un esclave: qu'elle soit bonne ou mauvaise à manger, il est obligé de la manger. [1.3]
Nourriture qu' on donne à l' esclave : qu' elle soit bonne ou mauvaise, il est obligé de la manger. [2.415 #552]
Fanazavana frantsayIl faut se contenter de tout ce qui vient des supérieurs. [1.3]
Ils n' ont pas le choix. [2.165]
Se disait des travaux qu'on était obligé de faire. [2.415 #552]

Ohabolana 11Hoditra azon' antitra : tsy hanina fa tanontanonina foana. [2.415 #1814]
Hoditra azon’ antitra : tsy hanina, fa tanontanoniny foana. [2.653 #1090]
Hoditra azon' antitra : tsy haniny fa tanontanoniny foana. [2.558 #1363]
Dikanteny frantsayVieillard qui a pris une peau : il ne la mange pas, mais il reste assis à côté. [2.415 #1814]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui prenaient par pure malice, sans pouvoir se servir de ce qu' ils prennent ; le vieillard n' a pas de dents, il ne peut pas mâcher la peau. [2.415 #1814]

Ohabolana 12Homan-tena hoatry ny tantely merik' andro. [2.415]
Mihinan-tena (homana ny azo) ohatra ny tantely merik' andro. [2.558]
Mihinan-tena, toy ny tantely merika andro. [2.165 #781, 2.653 #1774]
Mihinan-tena toy ny tantely merik' andro. [2.415]
Tantely merika andro : ny ao an-trano ihany no hanina. [2.653]
Tantely merik' andro : ny an-trano ihany no hanina. [2.415 #2408]
Tantely merik' andro : ny ao an-trano no hanina. [2.558 #4099]
Tantely merik' andro : ny ao an-trano no haniny. [2.415 #2408]
Dikanteny frantsayLe prodigue se consume lui-même comme les abeilles par un temps de bruine. [2.415]
Par les temps de bruine, le miel qui est à l' intérieur de la ruche est mangé par les abeilles. [2.415 #2408]
Se manger soi-même comme les abeilles quand le temps est à la pluie. [2.165]
Fanazavana frantsayElles ne peuvent sortir de la ruche et mangent du miel quelles ont déjà fait. [2.165]
Par les temps de bruine les abeilles ne sortent pas et elles mangent le miel qui est à l' intérieur de la ruche. [2.415 #2368]
Se disait de ceux qui mangent leurs biens. [2.415 #2408]

Ohabolana 13Jamba mividy hena : miady varotra ny hohanina fa tsy mangataka ny hatao jiro. [2.558]

Ohabolana 14Kibo manina tsy mahatsiaro hanina. [2.415 #2602]
Dikanteny frantsayEstomac plein de tristesse et de regrets, ne pense pas à manger. [2.415 #2602]
Fanazavana frantsayCe proverbe est fait d' assonance : manina regretter et hanina manger. [2.415 #2602]

Ohabolana 15Mahantra lahy, fa maka ny anaty rano, hanin' ny mamba, maka ny an-tanety hipoaham-baratra. [2.558]
Mahantra lahy : maka ny anaty rano, hohanin' ny mamba; maka ny an-tanety, hipoaham-baratra. [2.165]
Dikanteny frantsayQui est bien à plaindre: s' il va prendre ce qui est dans l' eau, il sera pris par les crocodiles; et s' il prend ce qui est sur la terre ferme, il sera frappé par la foudre. [2.165]

Ohabolana 16Manambady niainga a Badary : vary hanina. [1.147 #M30]

Ohabolana 17Na efa nioza tana-kihinana aza, raha tsy misy indray ny hohanina, dia sarin-kaingo. [2.415 #4538]
Na efa nioza tanan-kihinana aza, raha tsy misy indray ny hohanina dia sarin-kaingo. [2.653 #2006, 2.558]
Dikanteny frantsayBien qu' on se soit lavé les mains pour manger, cela ressemble à une ablution de toilette et de parure, s' il n' y a rien à manger. [2.415 #4538]

Ohabolana 18Nahoana no amalona no nohanina ka no patsa no aloa ? [2.558 #2663]
Raha toho no hohanina, ka patsa no haloa, tsy mety izany. [2.415 #4449, 2.653 #2717]
Raha toho no nohanina ka patsa no aloa, dia tsy mety izany. [2.558 #3663]
Dikanteny frantsayManger des poissons toho et rendre des chevrettes : cela ne convient pas. [2.415 #4449]
Fanazavana frantsayEmprunter beaucoup et rendre peu, cela ne convient pas. [2.415 #4449]

Ohabolana 19Ny be kibo mahalany hanina; ny mahery miantsena maharovi-damba ; ny mafy sofina mahabe vava. [2.415 #1676, 2.653 #2190, 2.558]
Dikanteny frantsayUn gros ventre épuise les provisions, de fréquentes visites au marché usent le lamba, des oreilles dures élargissent les bouches. [2.415 #1676]

Ohabolana 20Ny hanina zaraina mora lany; ny raharaha zaraina mora vita ; ny sakafo lany mahatsara vava. [2.653 #2249]
Ny hanin-jarai-mora lany, ny entan-jarai-mora zaka, ny sakafo lany mahatsara vava! [2.558 #3029]
Ny hani-zarai-mora lany ; ny raharaha-zarai-mora vita. [2.974 #15]
Dikanteny frantsayUn repas pris en commun est vite achevé; une besogne mise en commun est vite accomplie. [2.974 #15]

Ohabolana 21Ny omby mahia no hanina, ny ao am-pahitra mahamena-maso. [2.165 #1442]
Ny omby mahia no hanina, ny ao am-pahitra no mahamena-maso. [2.558 #3192]
Ny omby mahia no hohanina, ny am-pahitra no mahamena-maso. [2.653 #2376, 2.415]
Ny omby mahia no ho hanina, ny be no mahamena-maso. [2.415]
Dikanteny frantsaySi l' on mange un bœuf maigre (sans récriminer), c' est par honte des autres qui sont dans le parc. [2.165]
Si on mange les boeufs maigres, c' est par considération pour les boeufs qui sont dans le parc. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des parents pauvres. [2.415 #2549]

Ohabolana 22Ny tarehy soa verin' ny hanina an-dany vazana. [2.653, 2.165]
Dikanteny frantsayUn beau visage gâté par la nourriture entre les dents et les joues. [2.165]
Fanazavana frantsayIl s' agit d' une femme qui malgré sa beauté se nettoie la bouche avec son doigt, ce qui décourage les prétendants possibles. [2.165]

Ohabolana 23Ombilahy tanimanga : tsy hanin-kena, tsy hahazoan-jezika. [2.558 #3419]

Ohabolana 24Rafotsibe mihinam-boangory tokana : tapahina poritra, hanina amin' izao malaky lany. [2.558 #3514]
Rafotsibe mihinam-boangory tokana: tapahina, poritra; hanina, malady lany. [2.165]
Rafotsibe nihinam-boangory tokana: tapahina, poritra ; abosika, malady lany. [2.415 #1919, 2.653]
Dikanteny frantsayLa vieille femme qui veut manger un unique hanneton: si elle le partage en deux, elle l' écrase; si elle n' en fait qu' une bouchée, il est bientôt avalé (et le plaisir est de bien courte durée). [2.165]
Vieille qui n' a qu' un hanneton à manger : si elle le partage, elle le presse et il ne reste plus que la peau ; si elle l'avale, il est vite mangé. [2.415 #1919]
Fanazavana frantsaySe disait des pauvres. [2.415 #2500]

Ohabolana 25Raha maharary aza ny tanana, jereo aloha ny kibo tsy misy hanina. [2.165]
Dikanteny frantsayQuand même la main vous fait mal, regardez d' abord votre ventre vide. [2.165]
Fanazavana frantsayParole de consolation à l' adresse des laboureurs qui ont les mains écorchées d' avoir manié la lourde bêche indigène. [2.165]

Ohabolana 26Raha tsy mahomby ny manavy, avelao hohanin’ ny manetsetra. [2.653 #2721]

Ohabolana 27Tataro be vava, soy lava molotra : 'zay an-jom-bava ka hanina. [1.147 #T32]

Ohabolana 28Toy ny akotralahy : mibaby ny omby nohaniny, ka taitry ny ondry nandrasany, miloloha ny akoho nompiany. [2.558]
Toy ny ankotralahy : mibaby ny omby nohaniny, ka taitra ny ondry nandrasany, ary miloloha ny akoho nompiany. [2.653 #3183]
Toy ny ankotralahy : mibaby ny omby nohaniny, ka taitry ny ondry nandrasany, ary miloloha ny akoho nompiany. [2.415 #460]
Dikanteny frantsayC' est comme les soldats portant giberne : ils portent sur le dos le boeuf qu' ils ont mangé, le mouton qu' ils ont gardé leur donne l' alarme, et ils portent sur la tête les poules qu' ils ont élevées. [2.415]
Fanazavana frantsayPlaisanteries sur ces soldats et leur uniforme ; allusion à la giberne, au tambour, etc. [2.415 #460]

Ohabolana 29Toy ny ambiaty : mahalala taona, nefa tsy misy voany hohanina. [2.653 #3176]

Ohabolana 30Toloho mirin’ iva : miharan-draha ho hanina iniany. [1.147 #T89]

Ohabolana 31Torahan-kariana toy ny sorohitra ambony fasana. [2.415 #2924]
Torahan-tsy hohanina, toy ny sorohitra ambony fasana. [2.165 #427, 2.653 #3143]
Torahin-tsy ho hanina tahaka ny sorohitra ambony fasana. [2.558]
Dikanteny frantsayC'est comme l' alouette sur un tombeau : si elle est chassée avec des pierres et si elle est tuée, on ne peut pas la manger mais il faut la jeter. [2.415 #2924]
Qu' on tue sans vouloir le manger, comme une alouette sur un tombeau. [2.165 #427]
Fanazavana frantsayC' était là une des nombreuses prescriptions superstitieuses ; se disait des gens sans pudeur. [2.415 #2924]

Ohabolana 32Trafon-kena be rano : hanina amy ny lazany. [2.653 #3262]
Trafon-kena be rano : hanina amin' ny lazany. [2.415 #4613]
Trafon-kena be rano ka hanina amin' ny lazany. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny zavatra tsara nefa tsy ny tokony ho izy no nandrahoana na nanaovana azy; ilazana ny olo-mahay nefa tsy dia manao ahoana akory ny zava-bitany. [1.1]
Dikanteny frantsayBosse de boeuf cuite avec beaucoup d' eau : elle n' est pas bonne, mais on la mange parce qu' elle est célèbre. [2.415]
Fanazavana frantsayLa bosse de boeuf était très appréciée. Le sens du proverbe est que la renommée supplée parfois à la beauté, à la qualité. [2.415]

Ohabolana 33Tsy misy manga hoatry ny voantay ; fa raha ratsy fila hanina, vazina. [2.415 #3084]
Tsy misy manga noho ny voantay, fa raha ratsy fila hanina, mahavazina. [2.558 #4728]
Tsy misy manga ohatra ny voantay; fa raha ratsy fila hanina, vazina. [2.653]
Dikanteny frantsayRien n' est aussi beau qu' un bousier, mais il est déshonoré parce qu' il cherche sa nourriture dans l' ordure. [2.415 #3084]
Fanazavana frantsayLa beauté n' empêche pas le déshonneur. [2.415 #3084]

Ohabolana 34Tsy misy mangidy hoatry ny sakay, hono, fa raha atao teny ierana dia mafanafana. [2.415]
Tsy misy mangidy hoatry ny sakay, hono, fa raha atao teny ierana dia mamy. [2.415]
Tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina. [2.165 #265]
Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana laitra ihany. [1.1]
Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany. [1.1]
Tsy misy mangidy toy ny sakay; fa raha teny ierana, mafanafana. [2.653 #3533]
Tsy misy mangidy toy ny sakay fa rehefa teny ierana mamy. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa rehefa sitraka sy nifanarahana, dia maniary mora na dia sarotra sy manahirana aza. [1.1]
Na inona na inona hasarotan-javatra eo amin' ny fifampiraharahana, rehefa ifanarahana vita ihany. [1.1]
Na inona na inona zava-tsarotra, rehefa ifanarahana tonga mora. [1.1]
Dikanteny frantsayRien n' est plus cuisant que le piment, mais quand il y a union et entente, c' est doux à manger. [2.415 #4842]
Rien n' est plus piquant que le piment, mais si l' on s' accorde pour cela, on le mange quand même. [2.165 #265]
Fanazavana frantsayLes peines sont adoucies en famille. [2.415 #4842]

Ohabolana 35Tsy misy mangidy noho sakay; fa raha teny ierana, dia hanina. [2.653 #3532]

Ohabolana 36Tsy misy mateza milevina hoatry ny voalavo ; fa raha mitranga izy, dia hanin' ny saka. [2.415 #6258]
Tsy misy mateza milevina ohatra ny voalavo; fa raha mitranga izy, dia hanin' ny saka. [2.165]
Tsy misy mateza milevina ohatra ny voalavo, fa raha mitranga lanin' ny saka. [2.558]
Dikanteny frantsayAucun animal ne reste aussi longtemps enterré qu' un rat, mais quand il sort de son trou, il est pourtant mangé par le chat. [2.165]
Il n' y a pas d' animal qui reste enterré comme un rat, mais lorsqu' il sort de son trou, il est mangé par le chat. [2.415 #6258]

Ohabolana 37Tsinay tsy mivora-poana. [2.165 #1984, 2.653 #3307]
Tsinay tsy mivora-poana, fa ao ny be efa nohanina. [2.558 #288]
Dikanteny frantsayLes intestins ne s' étendent pas tout seuls. [2.165]
Fanazavana frantsayIl faut y mettre quelque chose. [2.165]

Ohabolana 38Tsy satrin' ny mpiasa ny ho be herikerika, fa ny mpanatitsakafo no mivezivezy. [2.558 #4790]
Tsy satrin' ny mpiasa ny miherikerika, fa ny mpitondra hanina no mivezivezy. [2.415 #3422]
Tsy satrin’ ny mpiasa no miherikerika, fa ny mpitondra hanina no mivezivezy. [2.653 #3577]
Dikanteny frantsaySi le travailleur des rizières se retourne, ce n' est pas qu' il le veuille, mais c' est que le porteur de vivres rôde çà et là. [2.415 #3422]
Fanazavana frantsaySe disait des envoyés qui changent les termes de la commission : ce n' est pas la commission qui veut être changée mais c' est le commissionnaire qui la change. [2.415 #3422]

Ohabolana 39Vavan’ alika feno taolana : tsy hanina hahavoky, fa henamaso ny be. [2.653 #3645]
Vavan' alika feno taolana : tsy hanin-kahavoky fa henamaso ny betsaka. [2.558 #4903]

Ohabolana 40Voangin’ ny marary : sady tsy hanina tsy amiana olona. [1.147 #V70]

Ohabolana 41Voatavo mahamay ka tsy hanin-jaza sarotra an-kanina. [2.558 #4999]

Ohabolana 42Volam-Bazaha tsy azo mandriandry. [1.147 #V88]
Volam-Bazaha tsy hanin' ny mpandry andro. [2.415 #3999]
Dikanteny frantsayArgent de Blanc n' est pas nourriture de ceux qui dorment dans la journée. [2.415 #3999]
Fanazavana frantsaySe disait des paresseux, parce que les Blancs avaient la réputation de faire travailler. [2.415 #3999]

Ohabolana 43Voro-damba atakalo patsa : ny iray tafiana anio, dia rovitra ; ny iray hanina anio, dia lany. [2.653 #3741]
Voro-damba atakalo patsa: ny iray tafina anio dia rovitra, ary ny iray hanina anio ka lany. [2.165]
Dikanteny frantsayDes haillons échangés contre des chevrettes: les uns seront portés et usés en un jour et les autres seront mangées et consommées en un jour aussi. [2.165]
Fanazavana frantsayDonc, il n' y a pas là de quoi se disputer. [2.165]

Ohabolana 44Zaza taizan-drenibe : voky hanina fa tsy mitombo saina. [2.653 #3783, 2.974 #112]
Dikanteny frantsayEducation de grand’mère : l’enjant mange à son aise, mais son esprit ne s’ouvre pas. [2.974 #112]

Fizahan-teny