Fizahan-teny

Ohabolana : halatra

Ohabolana 1Aza manao halatra ondrin' Imahakà : raha misy mahita, hizahako ny havesany, nony tsy misy mahita dia lasany tokoa. [2.558]
Aza manao halatr' ondrin' Imahakà: ka mody mizaha ny havesany. [2.165]
Aza manao halatr’ ondrin’ Imahakà : mody manao hoe: "Hizahako izay havesany". [2.653]
Halatra ondrin' Imahakà : raha tsy misy mahita dia lasana, fa raha tran' ny olona dia hitsapako ny havesany. [2.558 #1253]
Halatr’ ondrin’ Imahaka : raha hitan’ olona dia hoe : Mba hizahako ny havesany ; fa nony tsy misy mahita, dia ngoahana. [2.653 #1014]
Dikanteny frantsayNe volez pas des moutons à la façon d' Imahakà, lequel (en soulevant un mouton pour l' emporter) prétendait seulement le soupeser. [2.165]
Fanazavana frantsayImahakà est, avec son compère Ikotofetsy, un fripon fameux des contes malgaches. [2.165]

Ohabolana 2Foka sa lefaka no mifia-dranomaso amin' izay fitia halatra! [2.558 #1188]

Ohabolana 3Halatra akoho mirahavavy : an-kibo no mieritreritra. [2.558 #1252]

Ohabolana 4Mandihy miakanjo halatra ka miara-mirebika amin-doza. [1.1]
Mandihy miakanjo ny akanjo halatra, ka miara-mirebika amin-doza. [2.165 #1065, 2.558 #2070]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny fahafaham-barakan' izay mangala-javatra enti-miseho eo imasom-bahoaka. [1.1]
Dikanteny frantsayDanser en portant un habit volé, c' est s' exposer à une catastrophe;. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. c' est courir le risque d' être découvert. [2.165]

Ohabolana 5Mitohy sakay amin' izay fitia halatra. [2.558 #2457]

Fizahan-teny