Fizahan-teny

Ohabolana : dony

Ohabolana 1Aza mitsako tsy re ka kenda vao dony aho Ranaotra. [2.558 #805]
Mitsako tsy re ka kenda vao: "Dony aho ranaotra". [2.165 #1098, 2.558 #2496, 2.974 #221, 1.1]
Mitsako tsy re ka voa vao dony aho, ranaotra. [1.1]
Mitsako, tsy re, kenda vao hoe : " dony aho, ranaotra " . [2.415 #5392]
Fanazavana malagasyEnti-milaza irony olona mifaly irery raha misy soa azony, fa miantso ny hafa kosa rehefa nisy nahavoa azy. [1.1]
Enti-milaza olona nanana zavatra an-kinafinafina, kanjo nony nisy nahavoa azy, niantso vonjy amin' olona. [1.1]
Entina handatsana ireo olona nanao zavatra an-tsokosoko ka nony tojo ny mafy vao mibabababa mitady vonjy. [1.1]
Raha sendra zava-tsoa ny tena, mihinan-drery, fa raha misy mahavoa kosa, miantso vahoaka. [1.1]
Dikanteny frantsayMâcher en secret, et appeler au secours quand on s' étrangle, demandant qu' on frappe sur la nuque. [2.415 #5392]
Mâcher sans bruit, et appeler à son aide une fois qu’on a avalé de travers. [2.974 #221]
Manger (mâcher) sans bruit, mais quand on s' étrangle, s' écrier, "Eh! tapottez-moi, beau-frère" . Ceci est un reproche, car il est impoli pour les Malgaches de manger sans bruit chez les autres; il faut en faire, au contraire, pour montrer qu' on apprécie ce qu' on vous sert. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des gourmands, des égoïstes qui ne pensent aux autres que lorsqu' ils en ont besoin. [2.415 #5392]

Fizahan-teny