Fizahan-teny

Ohabolana : bibilava

Ohabolana 1Bibilava ela niforetana ka hitsotra kely ho hitan' ny olona. [2.558 #892]

Ohabolana 2Bibilava fahenina mitera-pahafito, ka manan-tombo refy noho ny reniny. [2.165 #1374]
Bibilava fahenina nitera-pahafito, ka manan-tombo refy noho reniny. [2.415 #907, 2.653 #766]
Dikanteny frantsaySerpent de six brasses qui enfante un serpent de sept brasses : celui-ci a une brasse de plus que sa mère. [2.415 #907]
Un serpent long de six toises qui en met au monde un de sept: ce dernier a une toise de plus que sa mère. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait de tout ce qui profite. [2.415 #907]
Se dit des enfants qui surpassent leurs parents. [2.165]

Ohabolana 3Bibilava mifana: ela nivonkenana, ka mba hitsotra. [2.415 #4916, 2.653 #767]
Dikanteny frantsaySerpent qui se chauffe au soleil : il s' est tenu longtemps replié, il va s' étendre enfin. [2.415 #4916]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui ont caché leur jeu. [2.415 #4916]

Ohabolana 4Bibilava nisambotra androngo ka manantena ny fahalavana. [2.558 #893]
Bibilava nisambotra androngo ka nanantena ny fahalavana. [2.165 #950]
Dikanteny frantsayUn serpent ayant pris un lézard a profité de ce qu' il (le serpent) était le plus long (donc aussi le plus fort). [2.165]

Ohabolana 5Bibilava nitera-pahafito, ka izay adala no toa an-drainy. [2.558]

Ohabolana 6Bibilava sy olombelona : matahotra, atahorana. [2.415 #5687]
Bibilava sy olombelona : samy tsiravina ihany. [2.415 #5687]
Bibilava sy olona, ka samy matahotra ihany. [2.415 #5687]
Bibilava sy olona : samy tsiravina ihany. [2.653]
Dikanteny frantsayUn serpent et un homme : ils ont peur et se font peur réciproquement. [2.415 #5687]
Fanazavana frantsaySe disait de deux craintifs. [2.415 #5687]

Ohabolana 7Bibilava vonoina, ka tsy tongotra hitsipaka, tsy tanana handrangotra, tsy vava hiteny, fa todin' aina no andrasana. [2.558]
Bibilava vonono : tsy manan-tanana hamaly izy, fa Andriamanitra no andrasana. [2.415 #22]
Bibilava vonono : tsy manan-tanan-kamaly, tsy manan-tongotra hitsipaka, tsy manam-bava hivalo, fa todin' aina no andrasana. [2.415 #22, 2.653 #769]
Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana. [1.1]
Bibilava vonono: tsy tanan-kandrangotra na tongotra hitsipaka, fa Andriamanitra no andrasana. [1.1]
Bibilava vonono: tsy tongotra hitsipaka, tsy tanana handrangotra, fa Andriamanitra no andrasana. [1.1]
Fanazavana malagasyEntimilaza ny fisian' ny tody, na koa ny fomban' Andriamanitra an' ireo malemy sy osa, izay tsy manan-kanoherana ireo mpanao tsindry hazo lena na kely tsy mba mamindro. [1.1]
Enti-milaza ny olona osa na madinika na mahantra izay tsy mba afaka hamaly amin' ny herin' ny tenany raha misy mamely azy fa Andriamanitra no antenainy hamaly izay mampahory azy. [1.1]
Marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara. [1.1]
Dikanteny frantsayUn serpent qu' on tue : il n' a pas de mains pour se défendre, mais il compte sur Dieu. [2.415 #22]
Fanazavana frantsayCe proverbe s' appliquait aux petits et aux faibles qui souffrent des oppressions : ils attendent que Dieu leur fasse justice. [2.415 #22]

Ohabolana 8Ny bibilava moa tsy mba biby mety ho namana. [2.415 #5713]
Dikanteny frantsayLe serpent n'est pas un animal avec lequel on puisse se familiariser. [2.415 #5713]
Fanazavana frantsayLes Malgaches avaient une horreur instinctive des serpents. pas d' une excuse il faut lui donner un enfant. Le songomby était un animal fabuleux qui ressemblait à un cheval ; il était très redouté. Ce proverbe se disait des gens cruels et exigeants. [2.415 #5713]

Ohabolana 9Toy ny bibilava sy ny olona, ka samy matahotra ihany. [2.165]
Toy ny bibilava sy olona, ka samy matahotra ihany. [2.558 #276]
Dikanteny frantsayComme un serpent et un homme, tous les deux ont peur, lorsqu' ils se rencontrent subitement. [2.165 #921]

Ohabolana 10Toy ny bibilava sy vitsika : samy hafa tarehy fa mianaka. [2.558 #4270]
Toy ny bibilava sy vitsika : samihafa tarehy ka mianaka. [2.415 #1135, 2.653 #3187]
Dikanteny frantsayC' est comme le serpent et les fourmis : ils n' ont pas la même forme, et pourtant ils sont parents. [2.415 #1135]
Fanazavana frantsayAllusion au serpent renimandotra qu' on prétendait habiter les fourmilières et se faire nourrir par les fourmis ; ce proverbe se disait des parents de conditions différentes ou des gens de pays différents, qui contractent amitié. [2.415 #1135]

Ohabolana 11Tsy mba ny bibilava matahotra ny amalona, fa ny amalona zatra ny rano ; ompy kely ka mahay kinarinarina. [2.415 #595, 2.653]
Dikanteny frantsayCe n' est pas un serpent qui a peur de l' anguille, mais une anguille habituée à l' eau ; c' est un esclave élevé au foyer domestique qui sait porter les objets sur la tête sans les tenir avec la main. [2.415 #595]
Fanazavana frantsayCe proverbe dit les avantages de l' habitude. [2.415 #595]

Ohabolana 12Tsy mba ny bibilava matahotra ny amalona izahay. [2.415 #464]
Dikanteny frantsayNous ne craignons pas plus nos semblables que le serpent ne craint l' anguille. [2.415 #464]
Fanazavana frantsayDiscours d' un officier. [2.415 #464]

Ohabolana 13Tsy mba ny bibilava matahotra ny morona, fa ny amalona zatra ny rano. [2.558 #4550]

Fizahan-teny