Index

Proverbes : aomby

Proverbe 1Amaraina hamono aomby, iniany miady voro-tanty. [Samson 1965 #A38]

Proverbe 2Amboa nihorok’ aomby : tsy fitiavana fa fangaronana ny atiny. [Samson 1965 #A54]

Proverbe 3Antsiñary maty aomby tokana: tonga antoetr' androny. [Houlder 1895]
Tsiniary maty aomby tokana : nody an-toetr’ androny. [Samson 1965 #T146]
Interprétation malgacheIlay mahantra (antsinahary) maty omby tokana (hany nananana): ka nody amin' ny toetrany taloha. [Houlder 1895]

Proverbe 4Atin’ aomby mibaby afo. [Samson 1965]

Proverbe 5Dian’ aombin’ a mpirahalahy : vaky fa tsy mitriatra. [Samson 1965 #D3]

Proverbe 6Fizahan’ aomby sima : midanàka ombam-bava; mizaha omban-tadiny. [Samson 1965 #F32]

Proverbe 7Havok’ aomby : anatiny tsy voan’ ny menany. [Samson 1965 #H17]

Proverbe 8Hozatr’ aomby ny faka : izay maharirotra tompony. [Samson 1965 #H27]

Proverbe 9Kotokely nangalatr’ aomby : ny tanany an-tady, ny masony an-droranga. [Samson 1965]

Proverbe 10Lohan' aomby roa tsy omby vilany raika. [Samson 1965 #L43]

Proverbe 11Malemy maditra karaha hozatr’ aomby. [Samson 1965 #M72]

Proverbe 12Mangala aomby revo : fangola an-tanana. [Samson 1965 #M57]

Proverbe 13Maty foana karaha aomby nangalan-doza. [Samson 1965 #M97]

Proverbe 14Maty mahareny karaha tadinin’ aomby. [Samson 1965 #M95]

Proverbe 15Matoy vary vondrik’ aomby : omana ny naniny. [Samson 1965 #M94]

Proverbe 16Mihenjain-piaka karaha aomby sira. [Samson 1965 #M148]

Proverbe 17Mitan-tadin’ aomby mandrorona : moran' ny mpizaha. [Samson 1965]

Proverbe 18Mpanombidy mahita aomby revo : maladia kiso. [Samson 1965 #M140]
Mpanombidy nahita aomby revo: maladia kiso. [Houlder 1895]
Interprétation malgacheMpamono omby nahita omby diso ny namany: ka ento faingana ny antsy. [Houlder 1895]

Proverbe 19Ny trebitrebiky ny rano ka re fa ny aomby nihanana tsy hita. [Samson 1965 #N14]
Ny trebitrebiky ñy rano ka reñiko, fa ñy aomby nihanañ' alina tsy hitako. [Houlder 1895]
Interprétation malgacheNy fikobakobaky ny rano dia reko, fa raha ny omby nita tamin' ny alina, tsy hitako. [Houlder 1895]

Proverbe 20Rasa aomby ny faty : samy mandiny ny anjarany. [Samson 1965 #R41]

Proverbe 21Tadinin’ aomby : amorisana vao maneva. [Samson 1965 #T4]

Proverbe 22Tadinin’ aomby maty mahare. [Samson 1965 #T3]

Proverbe 23Tadinin’ aomby : taloha nomby afara. [Samson 1965 #T5]

Proverbe 24Takila vaky voatsidian’ aomby : vaky misaraka tsy miharo koa. [Samson 1965 #T16]

Proverbe 25Taloha nomby afara karaha tadiñin' aomby. [Houlder 1895]
Interprétation malgacheAloha tonga aoriana toy ny sofin' omby (milaza ny fanaovana marika amin' ny sofiny). + Ny sofin' ny omby dia isan' ny tafavoaka aloha miaraka amin' ny lohany raha vao teraka ny omby; nefa izy indray no mila fanamboarana atý aoriana rehefa tapahin' ny tompony araka izay marika tiany. Raha ampitahaina indray ny sofiny sy ny tandrony; dia ny tandrony izay vao nitsimoka taty aoriana indray no miohatra azy, fa izy tsy mitombo hoatrinona akory. Hany ka taloha tonga aoriana izy. [Houlder 1895]

Proverbe 26Tandrok’ aomby tsy tokana. [Samson 1965 #T31]

Proverbe 27Tolon’ aomby an-tsavoka : tsy azoazoko tsara. [Samson 1965 #T84]

Proverbe 28Tonga tsy tonga karaha aomby nakarin-jaza. [Samson 1965 #T95]

Proverbe 29Voronkontsy: miambi-draha tsy an-teña. [Houlder 1895]
Voronkontsy miambina aomby miambina raha tsy an-tena. [Samson 1965 #V102]
Interprétation malgacheVorompotsy: miambin-javatra tsy an' ny tena. [Houlder 1895]

Proverbe 30Zanak’ aomby masiaka tsy matahotra an-dreniny. [Samson 1965 #Z8]

Index