<-
->

Gal / Ga 5:1 Stand fast therefore in the liberty wherewith Christ hath made us free, and be not entangled again with the yoke of bondage. Ho amin' ny fahafahana no nanafahan' i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin' ny zioga fanandevozana intsony. Efa navotan' ny Kristy ho amin' ny fahafahana isika, ka mijoroa amin' izany, fa aza mety hampidirina amin' ny jiogan' ny fanandevozana intsony. C' est pour que nous restions libres que le Christ nous a libérés. Donc tenez bon et ne vous remettez pas sous le joug de l' esclavage.
Gal / Ga 5:2 Behold, I Paul say unto you, that if ye be circumcised, Christ shall profit you nothing. Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforana hianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza ny Kristy. C' est moi, Paul, qui vous le dis : si vous vous faites circoncire, le Christ ne vous servira de rien.
Gal / Ga 5:3 For I testify again to every man that is circumcised, that he is a debtor to do the whole law. Ary lazaiko marina indray amin' ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy. Eny, averiko indray amin' ny olona rehetra manaiky hoforana fa vao mainka koa voafehy hanatanteraka ny Lalàna rehetra aza izy. De nouveau je l' atteste à tout homme qui se fait circoncire : il est tenu à l' observance intégrale de la Loi.
Gal / Ga 5:4 Christ is become of no effect unto you, whosoever of you are justified by the law; ye are fallen from grace. Dia tafasaraka amin' i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin' ny lalàna; efa lavo niala tamin' ny fahasoavana ianareo. Fa tafasaraka amin' ny Kristy hianareo rehetra mitady fahamarinana amin' ny Lalàna, ka lavo niala tamin' ny fahasoavana hianareo. Vous avez rompu avec le Christ, vous qui cherchez la justice dans la Loi ; vous êtes déchus de la grâce.
Gal / Ga 5:5 For we through the Spirit wait for the hope of righteousness by faith. Fa izahay amin' ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana. Izahay kosa dia amin' ny Fanahy sy noho ny finoana no iandrasanay ny fanantenana ny fahamarinana; Car pour nous, c' est l' Esprit qui nous fait attendre de la foi les biens qu' espère la justice.
Gal / Ga 5:6 For in Jesus Christ neither circumcision availeth any thing, nor uncircumcision; but faith which worketh by love. Fa ao amin' i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin' ny fitiavana. satria ao amin' ny Kristy Jeso dia tsy mampaninona izay famorana na tsy famorana, fa ny finoana ampiasain' ny fitiavana ihany no izy. En effet, dans le Christ Jésus ni circoncision ni incirconcision ne comptent, mais seulement la foi opérant par la charité.
Gal / Ga 5:7 Ye did run well; who did hinder you that ye should not obey the truth? Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina? Efa nihazakazaka tsara hianareo, ka iza indray no dia nisakana anareo tsy hanaiky ny marina? Votre course partait bien ; qui a entravé votre élan de soumission à la vérité ?
Gal / Ga 5:8 This persuasion cometh not of him that calleth you. Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin' ilay miantso anareo. Tsy mba avy amin' ilay niantso anareo anie izany fanambosiana izany e! Cette suggestion ne vient pas de Celui qui vous appelle.
Gal / Ga 5:9 A little leaven leaveneth the whole lump. Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa. Lalivay kely foana no mampivonto ny koban-dafarina manontolo. Un peu de levain fait lever toute la pâte.
Gal / Ga 5:10 I have confidence in you through the Lord, that ye will be none otherwise minded: but he that troubleth you shall bear his judgment, whosoever he be. Izaho matoky anareo ao amin' ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan' ny fanamelohana, na zovy na zovy izy. Matoky anareo ao amin' ny Tompo aho fa tsy hanan-kevitra hafa hianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hianjeran' ny nataony, na iza na iza izy. Pour moi, j' ai confiance qu' unis dans le Seigneur vous n' aurez pas d' autre sentiment ; mais qui vous trouble subira sa condamnation, quel qu' il soit.
Gal / Ga 5:11 And I, brethren, if I yet preach circumcision, why do I yet suffer persecution? then is the offence of the cross ceased. Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana. Ary raha ny amiko, ry rahalahy, raha marina fa mbola mitory ny famorana koa aho, ahoana indray no mbola anenjehana ahy? Foana izany ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana! Quant à moi, frères, si je prêche encore la circoncision, pourquoi suis-je encore persécuté ? C' en est donc fini du scandale de la croix !
Gal / Ga 5:12 I would they were even cut off which trouble you. Enga anie ka hiesotra aza izay mampitabataba anareo. Enga anie ka hanakilema tena mihitsy ireny mpanabataba anareo ireny! Qu' ils aillent jusqu'à la mutilation, ceux qui bouleversent vos âmes !
Gal / Ga 5:13 For, brethren, ye have been called unto liberty; only use not liberty for an occasion to the flesh, but by love serve one another. Fa efa nantsoina ho amin' ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin' ny fitiavana. Efa voantso ho amin' ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon' ny namany avy. Vous en effet, mes frères, vous avez été appelés à la liberté ; seulement, que cette liberté ne se tourne pas en prétexte pour la chair ; mais par la charité mettez-vous au service les uns des autres.
Gal / Ga 5:14 For all the law is fulfilled in one word, even in this; Thou shalt love thy neighbour as thyself. Fa tanteraka amin' ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Fa ny Lalàna rehetra dia ao anatin' ny teny tokana hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Car une seule formule contient toute la Loi en sa plénitude : Tu aimeras ton prochain comme toi-même.
Gal / Ga 5:15 But if ye bite and devour one another, take heed that ye be not consumed one of another. Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana. Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana. Mais si vous vous mordez et vous vous dévorez les uns les autres, prenez garde que vous allez vous entre-détruire.
Gal / Ga 5:16 This I say then, Walk in the Spirit, and ye shall not fulfil the lust of the flesh. Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan' ny nofo ianareo. Izao àry no lazaiko: Mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan' ny nofo hianareo. Or je dis : laissez-vous mener par l' Esprit et vous ne risquerez pas de satisfaire la convoitise charnelle.
Gal / Ga 5:17 For the flesh lusteth against the Spirit, and the Spirit against the flesh: and these are contrary the one to the other: so that ye cannot do the things that ye would. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin' ny an' ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin' ny an' ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo hianareo. Car la chair convoite contre l' esprit, et l' esprit contre la chair ; il y a entre eux antagonisme, si bien que vous ne faites pas ce que vous voudriez.
Gal / Ga 5:18 But if ye be led of the Spirit, ye are not under the law. Fa raha tarihin' ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin' ny lalàna. Raha tarihin' ny Fanahy anefa hianareo, dia tsy mba ambanin' ny Lalàna intsony. Mais si l' Esprit vous anime, vous n'êtes pas sous la Loi.
Gal / Ga 5:19 Now the works of the flesh are manifest, which are these; Adultery, fornication, uncleanness, lasciviousness, Fa miharihary ny asan' ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Ary miharihary ny asan' ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Or on sait bien tout ce que produit la chair : fornication, impureté, débauche,
Gal / Ga 5:20 Idolatry, witchcraft, hatred, variance, emulations, wrath, strife, seditions, heresies, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, idolâtrie, magie, haines, discorde, jalousie, emportements, disputes, dissensions, scissions,
Gal / Ga 5:21 Envyings, murders, drunkenness, revellings, and such like: of the which I tell you before, as I have also told you in time past, that they which do such things shall not inherit the kingdom of God. fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan' Andriamanitra. fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra. sentiments d' envie, orgies, ripailles et choses semblables - et je vous préviens, comme je l' ai déjà fait, que ceux qui commettent ces fautes-là n' hériteront pas du Royaume de Dieu.
Gal / Ga 5:22 But the fruit of the Spirit is love, joy, peace, longsuffering, gentleness, goodness, faith, Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, - Mais le fruit de l' Esprit est charité, joie, paix, longanimité, serviabilité, bonté, confiance dans les autres,
Gal / Ga 5:23 Meekness, temperance: against such there is no law. fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. fahalemem-panahy, fahalalana onona: tsy misy izay Lalàna mikasika an' ireo. douceur, maîtrise de soi : contre de telles choses il n' y a pas de loi.
Gal / Ga 5:24 And they that are Christ' s have crucified the flesh with the affections and lusts. Fa izay an' Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin' ny faniriany sy ny filany tamin' ny hazo fijaliana. Izay an' ny Kristy Jeso dia efa namantsika ny nofony mbamin' ny faniriana amam-pilan-dratsiny tamin' ny hazo fijaliana. Or ceux qui appartiennent au Christ Jésus ont crucifié la chair avec ses passions et ses convoitises.
Gal / Ga 5:25 If we live in the Spirit, let us also walk in the Spirit. Raha velon' ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. Velona amin' ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin' ny Fanahy; Puisque l' Esprit est notre vie, que l' Esprit nous fasse agir.
Gal / Ga 5:26 Let us not be desirous of vain glory, provoking one another, envying one another. Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona. fa aza te-hoderaina foana amin' izay fifampilàna kisa amam-pifampialonana. Ne cherchons pas la vaine gloire, en nous provoquant les uns les autres, en nous enviant mutuellement.

<-
->