<-
->

Eks 27:1 And thou shalt make an altar of shittim wood, five cubits long, and five cubits broad; the altar shall be foursquare: and the height thereof shall be three cubits. Ary manaova ny alitara amin' ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony. Hanao ny otely amin' ny hazo akasià hianao: dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, ka hitovy efatra ny lafiny, ary telo hakiho ny hahavony. " Tu feras l' autel en bois d' acacia ; de cinq coudées de long et de cinq coudées de large, l' autel sera carré ; il aura trois coudées de haut.
Eks 27:2 And thou shalt make the horns of it upon the four corners thereof: his horns shall be of the same: and thou shalt overlay it with brass. Ary manaova ny tandrony eo amin' ny zorony efatra, ka ataovy miray aminy; ary petaho takela-barahina. Amin' ny zorony efatra hasianao tandrony mivoaka avy ao amin' ny otely, ary petahanao takela-barahina izy. Tu feras à ses quatre angles des cornes faisant corps avec lui, et tu le plaqueras de bronze.
Eks 27:3 And thou shalt make his pans to receive his ashes, and his shovels, and his basons, and his fleshhooks, and his firepans: all the vessels thereof thou shalt make of brass. Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron' afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran' afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy. Hanao tavy fandraofan-davenona momba ny otely hianao, ary sotron' afo, tavy, fitrebika, ary fatana; ataovy varahana avokoa ireo fanaka ireo. Tu feras ses vases pour en ôter les cendres grasses, ses pelles, ses bols à aspersion, ses fourchettes et ses encensoirs. Tous les accessoires de l' autel, tu les feras de bronze.
Eks 27:4 And thou shalt make for it a grate of network of brass; and upon the net shalt thou make four brasen rings in the four corners thereof. Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin' ny harato eo amin' ny zorony efatra, Ary manaova karakara varahina miendri-karato ho an' ny otely ka asio masom-barahina efatra ny zorony efatra amin' io harato io, Tu lui feras un treillis de bronze en forme de filet, et tu feras aux quatre extrémités de ce filet quatre anneaux de bronze.
Eks 27:5 And thou shalt put it under the compass of the altar beneath, that the net may be even to the midst of the altar. Ary ataovy eo ambanin' ny sikin' ny alitara hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara hanasaka ny alitara. dia apetraho eo ambanin' ny koronosin' ny otely avy ao ambany ary ho tonga hatreo amin' ny fisasahan' ny otely ny harato; Tu le mettras sous la corniche de l' autel, en bas, de telle sorte qu' il soit à mi-hauteur de l' autel.
Eks 27:6 And thou shalt make staves for the altar, staves of shittim wood, and overlay them with brass. Ary manaova bao ho amin' ny alitara, dia bao hazo akasia, ka petaho takela-barahina, manaova bao hatao amin' ny otely, bao hazo akasià, ka petaho takela-barahina. Tu feras des barres pour l' autel, des barres en bois d' acacia, et tu les plaqueras de bronze.
Eks 27:7 And the staves shall be put into the rings, and the staves shall be upon the two sides of the altar, to bear it. Ary ampidiro eo amin' ny vava varahina ny bao; ary aoka ho eo amin' ny lafiny roa amin' ny alitara ny bao, raha lanjaina izy, Hampidirina eo amin' ny masom-barahina ny bao, eo an-daniny roa amin' ny otely, rahefa hoenti-mifindra izy. On engagera les barres dans les anneaux, de telle sorte que les barres soient des deux côtés de l' autel lorsqu' on le transporte.
Eks 27:8 Hollow with boards shalt thou make it: as it was shewed thee in the mount, so shall they make it. Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy. Ataovy hobok' aty, amin' ny hazo fisaka, izy: araka ny efa naseho anao tany an-tendrombohitra no hanaovana azy. Tu le feras creux, en planches ; tu le feras comme on t' a montré sur la montagne.
Eks 27:9 And thou shalt make the court of the tabernacle: for the south side southward there shall be hangings for the court of fine twined linen of an hundred cubits long for one side: Ary manaova ny kianjan' ny tabernakely: amin' ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin' ny kianja, zato hakiho ny halavany amin' ny lafiny iray; Manaova ny kianjan' ny Fonenana. Ny lafiny atsimo, ao an-kavanana, ny kianja dia hasianao fafy lamba rongony madinika voahasina hatao zato hakiho ny halavan' ny lafiny. " Tu feras le parvis de la Demeure. Pour le côté sud, vers le midi, les courtines du parvis, de fin lin retors, auront une longueur de cent coudées -pour le premier côté-.
Eks 27:10 And the twenty pillars thereof and their twenty sockets shall be of brass; the hooks of the pillars and their fillets shall be of silver. ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin' ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany, Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin' ny andriny sy ny anjaka itohizany. Ses vingt colonnes et ses vingt socles seront en bronze ; les crochets des colonnes et leurs tringles en argent.
Eks 27:11 And likewise for the north side in length there shall be hangings of an hundred cubits long, and his twenty pillars and their twenty sockets of brass; the hooks of the pillars and their fillets of silver. Ary ho tahaka izany amin' ny lafiny avaratra, amin' ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin' ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany, Toy izany koa ny lafiny avaratra, hisy fefy lamba zato hakiho ny halavany, amin' ny andriny roapolo misy faladia varahina roapolo, volafotsy avokoa ny faraingo amin' ny andriny sy ny anjaka itohizany. De même pour le côté nord, tu feras des rideaux d' une longueur de cent coudées, ses vingt colonnes et leurs vingt socles seront en bronze ; les crochets des colonnes et leurs tringles en argent.
Eks 27:12 And for the breadth of the court on the west side shall be hangings of fifty cubits: their pillars ten, and their sockets ten. Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin' ny sakan' ny kianja amin' ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany, Ny amin' ny lafiny andrefana dia hatao dimam-polo hakiho ny halavan' ny fefy lamba amin' ny sakan' ny kianja, ary folo ny andry, folo ny faladiany. La largeur du parvis, du côté de la mer, comportera cinquante coudées de courtines, avec leurs dix colonnes et leurs dix socles.
Eks 27:13 And the breadth of the court on the east side eastward shall be fifty cubits. Ary ny sakan' ny kianja amin' ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho. Amin' ny lafiny atsinanana eo anoloany dia ho dimam-polo hakiho ny sakan' ny kianja; La largeur du parvis sur le côté est, à l' orient, sera de cinquante coudées.
Eks 27:14 The hangings of one side of the gate shall be fifteen cubits: their pillars three, and their sockets three. Ary hisy fefy lamba dimy ambin' ny folo hakiho amin' ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany. ka ny ilany iray hasiana fefy lamba dimy ambin' ny folo hakiho mbamin' ny andry telo misy faladia telo, Quinze coudées de courtines pour un côté de l' entrée, avec leurs trois colonnes et leurs trois socles ;
Eks 27:15 And on the other side shall be hangings fifteen cubits: their pillars three, and their sockets three. Ary hisy fefy lamba dimy ambin' ny folo hakiho amin' ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany. ny ilany iray koa, fefy lamba dimy ambin' ny folo hakiho mbamin' ny andry telo misy faladia telo. pour le second côté de l' entrée, quinze coudées de courtines, avec leurs trois colonnes et leurs trois socles.
Eks 27:16 And for the gate of the court shall be an hanging of twenty cubits, of blue, and purple, and scarlet, and fine twined linen, wrought with needlework: and their pillars shall be four, and their sockets four. Ary eo amin' ny vavahadin' ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan' ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany. Ny amin' ny vavahadin' ny kianja, dia hasiana varavarana lamba, roapolo hakiho, vita amin' ny jaky volomparasy, sy jaky mena mangatrakatraka sy lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, misoratsoratra, mbamin' ny andriny efatra sy faladia efatra. A la porte du parvis il y aura vingt coudées de voile damassé, de pourpre violette et écarlate, de cramoisi et de fin lin retors, avec leurs quatre colonnes et leurs quatre socles.
Eks 27:17 All the pillars round about the court shall be filleted with silver; their hooks shall be of silver, and their sockets of brass. Ny tsangantsangany rehetra amin' ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany, Ny andriny rehetra manodidina ny kianja, dia hakamban' ny anja-bolafotsy, sy hasiana faraingo volafotsy, ary hisy varahina avokoa. Toutes les colonnes autour du parvis seront réunies par des tringles d' argent ; leurs crochets seront d' argent et leurs socles de bronze.
Eks 27:18 The length of the court shall be an hundred cubits, and the breadth fifty every where, and the height five cubits of fine twined linen, and their sockets of brass. Ny lavan' ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany. Ny lavan' ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany ho dimam-polo avy, ny hahavony ho dimy hakiho, ny fefy lamba ho rongony fotsy madinika voahasina ary ny faladiany ho varahina. La longueur du parvis sera de cent coudées, sa largeur de cinquante coudées et sa hauteur de cinq coudées. Tous les rideaux seront de fin lin retors et leurs socles de bronze.
Eks 27:19 All the vessels of the tabernacle in all the service thereof, and all the pins thereof, and all the pins of the court, shall be of brass. Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa. Ho varahina avokoa ny fanaka rehetra hampiasaina amin' ny raharahan' ny Fonenana, ny tsimatra rehetra ao aminy, ary ny tsimatry ny kianja. Tous les accessoires pour le service général de la Demeure, tous ses piquets et ceux du parvis seront de bronze.
Eks 27:20 And thou shalt command the children of Israel, that they bring thee pure oil olive beaten for the light, to cause the lamp to burn always. Ary mandidia ny Zanak' Isiraely hitondra aminao diloilon' oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva. Omeo didy ny zanak' Israely hitondra aminao diloilon' oliva voatoto, hatao jiro hamelona ny lalampy lalandava. " Quant à toi, tu ordonneras aux Israélites de te procurer de l' huile d' olives broyées pour le luminaire, afin qu' une lampe brûle en permanence.
Eks 27:21 In the tabernacle of the congregation without the vail, which is before the testimony, Aaron and his sons shall order it from evening to morning before the Lord: it shall be a statute for ever unto their generations on the behalf of the children of Israel. Ao anatin' ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan' ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan' i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan' i Jehovah hatramin' ny hariva ka hatramin' ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin' ny Zanak' Isiraely izany hatramin' ny taranany fara mandimby, Ao an-trano lay fihaonana, ivelan' ny efitra lamba anoloan' ny vavolombelona, no hanamboaran' i Aarona sy ny zanany azy, hirehetany eo anatrehan' ny Tompo hatramin' ny hariva ka hatramin' ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an' ny zanak' Israely, hatramin' ny taranaka mifandimby. Aaron et ses fils disposeront cette lampe dans la Tente du Rendez-vous, à l' extérieur du rideau qui pend devant le Témoignage, pour qu' elle brûle du soir au matin devant Yahvé. C' est un décret perpétuel pour les générations des Israélites.

<-
->