<-
->

Eks 24:1 And he said unto Moses, Come up unto the Lord, thou, and Aaron, Nadab, and Abihu, and seventy of the elders of Israel; and worship ye afar off. Ary hoy Izy tamin' i Mosesy: Miakara ao amin' i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin' ny loholon' ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo; Ary hoy Andriamanitra tamin' i Moizy: Miakara aty amin' ny Tompo hianao sy Aarona. Nadaba sy Abio, ary loholona fito-polo amin' Israely, ka mbola lavitra dia miankohofa. Il dit à Moïse : " Montez vers Yahvé, toi, Aaron, Nadab, Abihu et soixante-dix des anciens d' Israël, et vous vous prosternerez à distance.
Eks 24:2 And Moses alone shall come near the Lord: but they shall not come nigh; neither shall the people go up with him. nefa Mosesy ihany no hanakaiky an' i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy. Moizy irery no hanakaiky an' ny Tompo, fa ireo hafa tsy hanakaiky; ary ny vahoaka tsy hiara-miakatra aminy. Moïse s' approchera seul de Yahvé. Eux n' approcheront pas et le peuple ne montera pas avec lui. "
Eks 24:3 And Moses came and told the people all the words of the Lord, and all the judgments: and all the people answered with one voice, and said, All the words which the Lord hath said will we do. Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin' ny olona ny teny rehetra izay nataon' i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain' i Jehovah dia hataonay. Dia tonga Moizy, nitondra tamin' ny vahoaka ny tenin' ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: Izay teny rehetra voalazan' ny Tompo dia hotanterahinay avokoa. Moïse vint rapporter au peuple toutes les paroles de Yahvé et toutes les lois, et tout le peuple répondit d' une seule voix ; ils dirent : " Toutes les paroles que Yahvé a prononcées, nous les mettrons en pratique. "
Eks 24:4 And Moses wrote all the words of the Lord, and rose up early in the morning, and builded an altar under the hill, and twelve pillars, according to the twelve tribes of Israel. Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon' i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin' ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin' ny folo, araka ny firenen' Isiraely roa ambin' ny folo. Nosoratan' i Moizy avokoa ny tenin' ny Tompo. Dia nifoha maraina koa izy, nanorina otely teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangam-bato roa ambin' ny folo ho an' ny fokon' Israely roa ambin' ny folo. Moïse mit par écrit toutes les paroles de Yahvé puis, se levant de bon matin, il bâtit un autel au bas de la montagne et douze stèles pour les douze tribus d' Israël.
Eks 24:5 And he sent young men of the children of Israel, which offered burnt offerings, and sacrificed peace offerings of oxen unto the Lord. Ary ny zatovo amin' ny Zanak' Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr' ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an' i Jehovah. Ary naniraka zatovolahy zanak' Israely izy, ka nanolotra sorona dorana tamin' ny Tompo ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana. Puis il envoya de jeunes Israélites offrir des holocaustes et immoler à Yahvé de jeunes taureaux en sacrifice de communion.
Eks 24:6 And Moses took half of the blood, and put it in basons; and half of the blood he sprinkled on the altar. Ary nalain' i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin' ny alitara. nalain' i Moizy ny antsasaky ny rà nataony teo amin' ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony otely. Moïse prit la moitié du sang et la mit dans des bassins, et l' autre moitié du sang, il la répandit sur l' autel.
Eks 24:7 And he took the book of the covenant, and read in the audience of the people: and they said, All that the Lord hath said will we do, and be obedient. Dia naka ny bokin' ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan' ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain' i Jehovah dia hataonay sy hekenay. Izay vao nalainy ny bokin' ny fanekena ary novakiny teo anatrehan' ny vahoaka, izay namaly hoe: Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan' ny Tompo. Il prit le livre de l' Alliance et il en fit la lecture au peuple qui déclara : " Tout ce que Yahvé a dit, nous le ferons et nous y obéirons. "
Eks 24:8 And Moses took the blood, and sprinkled it on the people, and said, Behold the blood of the covenant, which the Lord hath made with you concerning all these words. Ary nalain' i Mosesy ny rà ka natopiny tamin' ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran' ny fanekena izay nataon' i Jehovah taminareo ny amin' izany teny rehetra izany. Dia nalain' i Moizy ny rà, nafafiny tamin' ny vahoaka sy nolazainy hoe: Ity no ràn' ny fanekena nataon' ny Tompo taminareo momba izany teny rehetra izany. Moïse, ayant pris le sang, le répandit sur le peuple et dit : " Ceci est le sang de l' Alliance que Yahvé a conclue avec vous moyennant toutes ces clauses. "
Eks 24:9 Then went up Moses, and Aaron, Nadab, and Abihu, and seventy of the elders of Israel: Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin' ny loholon' ny Isiraely. Niakatra Moizy, nomban' i Aarona sy Nadaba ary Abio mbamin' ny fito-polo lahy tamin' ny loholon' Israely, Moïse monta, ainsi qu' Aaron, Nadab, Abihu et soixante-dix des anciens d' Israël.
Eks 24:10 And they saw the God of Israel: and there was under his feet as it were a paved work of a sapphire stone, and as it were the body of heaven in his clearness. Dia nahita an' Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin' ny tongony dia toy ny fanganohanon' ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan' ny lanitra ny famirapirany. ary nahita ny Andriamanitr' Israely izy ireo: teo ambanin' ny tongony dia nisy toa zavatra voavoatra natao tamin' ny safira mamirapiratra, zavatra mangarangarana toy ny lanitra. Ils virent le Dieu d' Israël. Sous ses pieds il y avait comme un pavement de saphir, aussi pur que le ciel même.
Eks 24:11 And upon the nobles of the children of Israel he laid not his hand: also they saw God, and did eat and drink. Ary tsy naninjitra ny tànany tamin' ireo lehiben' ny Zanak' Isiraely Izy; dia nahita an' Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro. Tsy naninjitra ny tànany tamin' ireo olom-boafidin' ny zanak' Israely izy: dia nahita an' Andriamanitra ireo, ka nihinana sy nisotro. Il ne porta pas la main sur les notables des Israélites. Ils contemplèrent Dieu puis ils mangèrent et burent.
Eks 24:12 And the Lord said unto Moses, Come up to me into the mount, and be there: and I will give thee tables of stone, and a law, and commandments which I have written; that thou mayest teach them. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Miakara aty amiko eto an-tendrombohitra ka mijanòna eo, fa homeko anao ny vato fisaka, ny didy aman-dalàna nosoratako hampianarina azy ireo. Yahvé dit à Moïse : " Monte vers moi sur la montagne et demeure là, que je te donne les tables de pierre - la loi et le commandement - que j' ai écrites pour leur instruction. "
Eks 24:13 And Moses rose up, and his minister Joshua: and Moses went up into the mount of God. Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr' Andriamanitra. Dia niainga Moizy nomban' i Josoe mpanompony, nandroso nankeo an-tendrombohitr' Andriamanitra. Moïse se leva, ainsi que Josué son serviteur, et ils montèrent à la montagne de Dieu.
Eks 24:14 And he said unto the elders, Tarry ye here for us, until we come again unto you: and, behold, Aaron and Hur are with you: if any man have any matters to do, let him come unto them. Ary hoy izy tamin' ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin' izy roa lahy izy. Hoy izy tamin' ireo loholona: Andraso eto izahay, mandra-piverinay aty aminareo. Ary indreo Aarona sy Hora eto aminareo, ka raha misy manana ady dia aoka hanatona azy ireo. Il dit aux anciens : " Attendez-nous ici jusqu'à notre retour ; vous avez avec vous Aaron et Hur, que celui qui a une affaire à régler s' adresse à eux. "
Eks 24:15 And Moses went up into the mount, and a cloud covered the mount. Dia niakatra tao amin' ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra. Niakatra tao an-tendrombohitra Moizy, ary nosaronan' ny rahona ny tendrombohitra. Puis Moïse monta sur la montagne. La nuée couvrit la montagne.
Eks 24:16 And the glory of the Lord abode upon mount Sinai, and the cloud covered it six days: and the seventh day he called unto Moses out of the midst of the cloud. Ary ny voninahitr' i Jehovah nitoetra teo ambonin' ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an' i Mosesy tamin' ny andro fahafito teo afovoan' ny rahona Izy. Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinaia ny voninahitry ny Tompo ka saron' ny rahona io nandritra ny henemana. Tamin' ny andro fahafito dia nantsoin' ny Tompo Moizy, tao anatin' ny rahona. La gloire de Yahvé s'établit sur le mont Sinaï, et la nuée le couvrit pendant six jours. Le septième jour, Yahvé appela Moïse du milieu de la nuée.
Eks 24:17 And the sight of the glory of the Lord was like devouring fire on the top of the mount in the eyes of the children of Israel. Ary ny fijery ny voninahitr' i Jehovah teo an-tampon' ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason' ny Zanak ' Isiraely. Toy ny afo midedadeda teo an-tampon-tendrombohitra no fisehon' ny voninahitry ny Tompo tamin' ny zanak' Israely. L' aspect de la gloire de Yahvé était aux yeux des Israélites celui d' une flamme dévorante au sommet de la montagne.
Eks 24:18 And Moses went into the midst of the cloud, and gat him up into the mount: and Moses was in the mount forty days and forty nights. Dia niditra tao afovoan' ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin' ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin' ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy. Niditra tao anatin' ny rahona Moizy, dia niakatra tao an-tendrombohitra, ka nijanona teo an-tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Moizy. Moïse entra dans la nuée et monta sur la montagne. Et Moïse demeura sur la montagne quarante jours et quarante nuits.

<-
->