<-
->

Eks 20:1 And God spake all these words, saying, Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe: Ary Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe: Dieu prononça toutes ces paroles, et dit :
Eks 20:2 I am the Lord thy God, which have brought thee out of the land of Egypt, out of the house of bondage. Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, tamin' ny trano nahandevozana. Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin' ny tany Ejipta, tany amin' ny trano fanandevozana. " Je suis Yahvé, ton Dieu, qui t' ai fait sortir du pays d'Égypte, de la maison de servitude.
Eks 20:3 Thou shalt have no other gods before me. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako hianao. Tu n' auras pas d' autres dieux devant moi.
Eks 20:4 Thou shalt not make unto thee any graven image, or any likeness of any thing that is in heaven above, or that is in the earth beneath, or that is in the water under the earth. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin' ny lanitra ambony, na izay etý amin' ny tany ambany, na izay any amin' ny rano ambanin' ny tany. Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin' ny lanitra ambony, na ny eny amin' ny tany ambany, na ny any amin' ny rano ambanin' ny tany. Tu ne te feras aucune image sculptée, rien qui ressemble à ce qui est dans les cieux, là-haut, ou sur la terre, ici-bas, ou dans les eaux, au-dessous de la terre.
Eks 20:5 Thou shalt not bow down thyself to them, nor serve them: for I the Lord thy God am a jealous God, visiting the iniquity of the fathers upon the children unto the third and fourth generation of them that hate me; Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin' ny zanaka hatramin' ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin' izay mankahala Ahy; Tsy hiankohoka eo anatrehan' ireny na hanompo azy akory hianao, fa izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin' izay mankahala ahy, mamaly ny heloky ny ray amin' ny zanaka hatramin' ny taranaka fahatelo sy fahefatra, Tu ne te prosterneras pas devant ces dieux et tu ne les serviras pas, car moi Yahvé, ton Dieu, je suis un Dieu jaloux qui punis la faute des pères sur les enfants, les petits-enfants et les arrière-petits-enfants pour ceux qui me haïssent,
Eks 20:6 And shewing mercy unto thousands of them that love me, and keep my commandments. nefa kosa mamindra fo amin' ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. ary amin' izay tia ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin' ny taranaka faharivo. mais qui fais grâce à des milliers pour ceux qui m' aiment et gardent mes commandements.
Eks 20:7 Thou shalt not take the name of the Lord thy God in vain; for the Lord will not hold him guiltless that taketh his name in vain. Aza manonona foana ny anaran' i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon' i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. Tsy hanonom-poana ny anaran' ny Tompo Andriamanitrao, fa tsy havelan' ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny anarany. Tu ne prononceras pas le nom de Yahvé ton Dieu à faux, car Yahvé ne laisse pas impuni celui qui prononce son nom à faux.
Eks 20:8 Remember the sabbath day, to keep it holy. Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy. Tu te souviendras du jour du sabbat pour le sanctifier.
Eks 20:9 Six days shalt thou labour, and do all thy work: Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao. Pendant six jours tu travailleras et tu feras tout ton ouvrage ;
Eks 20:10 But the seventh day is the sabbath of the Lord thy God: in it thou shalt not do any work, thou, nor thy son, nor thy daughter, thy manservant, nor thy maidservant, nor thy cattle, nor thy stranger that is within thy gates: Fa Sabatan' i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin' izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an' ny Tompo Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona, na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao. mais le septième jour est un sabbat pour Yahvé ton Dieu. Tu ne feras aucun ouvrage, toi, ni ton fils, ni ta fille, ni ton serviteur, ni ta servante, ni tes bêtes, ni l'étranger qui est dans tes portes.
Eks 20:11 For in six days the Lord made heaven and earth, the sea, and all that in them is, and rested the seventh day: wherefore the Lord blessed the sabbath day, and hallowed it. Fa henemana no nanaovan' i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin' izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin' ny andro fahafito; izany no nitahian' i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. Satria ny andro enina no nanaovan' ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin' izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito dia nitsaharany, ka izany no nanasoavan' ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy. Car en six jours Yahvé a fait le ciel, la terre, la mer et tout ce qu' ils contiennent, mais il s' est reposé le septième jour, c' est pourquoi Yahvé a béni le jour du sabbat et l' a consacré.
Eks 20:12 Honour thy father and thy mother: that thy days may be long upon the land which the Lord thy God giveth thee. Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin' ny tany izay omen' i Jehovah Andriamanitrao ho anao. Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro hianao any amin' ny tany omen' ny Tompo Andriamanitrao anao. Honore ton père et ta mère, afin que se prolongent tes jours sur la terre que te donne Yahvé ton Dieu.
Eks 20:13 Thou shalt not kill. Aza mamono olona. Tsy hamono olona hianao. Tu ne tueras pas.
Eks 20:14 Thou shalt not commit adultery. Aza mijangajanga. Tsy hijangajanga hianao. Tu ne commettras pas d' adultère.
Eks 20:15 Thou shalt not steal. Aza mangalatra. Tsy hangalatra hianao. Tu ne voleras pas.
Eks 20:16 Thou shalt not bear false witness against thy neighbour. Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao hianao. Tu ne porteras pas de témoignage mensonger contre ton prochain.
Eks 20:17 Thou shalt not covet thy neighbour' s house, thou shalt not covet thy neighbour' s wife, nor his manservant, nor his maidservant, nor his ox, nor his ass, nor any thing that is thy neighbour' s. Aza mitsiriritra ny tranon' ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin' ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an' ny namanao akory aza. Tsy hitsiriritra ny tranon' ny namanao hianao, tsy hitsiriritra ny vadin' ny namanao, na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, na ny ombiny na ny ampondrany, na inona na inona amin' ny zavatry ny namanao. Tu ne convoiteras pas la maison de ton prochain. Tu ne convoiteras pas la femme de ton prochain, ni son serviteur, ni sa servante, ni son boeuf, ni son âne, rien de ce qui est à ton prochain. "
Eks 20:18 And all the people saw the thunderings, and the lightnings, and the noise of the trumpet, and the mountain smoking: and when the people saw it, they removed, and stood afar off. Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon' ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny. Ren' ny olona rehetra ny kotroka sy ny feon' ny trompetra, hitany ny lelafo sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ka nangovitra sy nijanona teny lavitra teny izy ireo nony nahita izany. Tout le peuple, voyant ces coups de tonnerre, ces lueurs, ce son de trompe et la montagne fumante, eut peur et se tint à distance.
Eks 20:19 And they said unto Moses, Speak thou with us, and we will hear: but let not God speak with us, lest we die. Dia hoy izy tamin' i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay. Ary hoy izy tamin' i Moizy: Hianao ihany no aoka hiteny aminay dia hohenoinay; fa aoka tsy ho Andriamanitra no hiteny aminay, fandrao dia maty izahay. Ils dirent à Moïse : " Parle-nous, toi, et nous t'écouterons ; mais que Dieu ne nous parle pas, car alors c' est la mort. "
Eks 20:20 And Moses said unto the people, Fear not: for God is come to prove you, and that his fear may be before your faces, that ye sin not. Dia hoy Mosesy tamin' ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan' ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo. Fa hoy Moizy tamin' ny vahoaka: Aza matahotra hianareo fa ny hizaha toetra anareo no nahatongavan' Andriamanitra, ka ho eo aminareo ny fahatahorana azy, mba tsy hanotanareo. Moïse dit au peuple : " Ne craignez pas. C' est pour vous mettre à l'épreuve que Dieu est venu, pour que sa crainte vous demeure présente et que vous ne péchiez pas. "
Eks 20:21 And the people stood afar off, and Moses drew near unto the thick darkness where God was. Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran' Andriamanitra. Dia nijanona teny lavitra eny ihany ny vahoaka, fa Moizy no nanatona ny rahona izay nisy an' Andriamanitra. Le peuple se tint à distance et Moïse s' approcha de la nuée obscure où était Dieu.
Eks 20:22 And the Lord said unto Moses, Thus thou shalt say unto the children of Israel, Ye have seen that I have talked with you from heaven. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Izao no lazaonao amin' ny Zanak' Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Hilaza amin' ny zanak' Israely hianao hanao hoe: Efa nahita hianareo izay, fa niteny taminareo aho tany an-danitra. Yahvé dit à Moïse : " Tu parleras ainsi aux Israélites : Vous avez vu vous-mêmes comment je vous ai parlé du haut du ciel.
Eks 20:23 Ye shall not make with me gods of silver, neither shall ye make unto you gods of gold. Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko. Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena eo an-daniko hianareo. Vous ne ferez pas à côté de moi des dieux d' argent, et des dieux d' or vous ne vous en ferez pas.
Eks 20:24 An altar of earth thou shalt make unto me, and shalt sacrifice thereon thy burnt offerings, and thy peace offerings, thy sheep, and thine oxen: in all places where I record my name I will come unto thee, and I will bless thee. Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman' osinao sy ny ombinao; eo amin' ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao. Manorena otely tany ho ahy, ka eo amboniny no hanoloranao ny sorona doranao, ny sorom-pihavananao, ny ondrinao sy ny ombinao. Hanatona anao sy hitahy anao aho amin' ny toerana rehetra hanaovako izay hahatsiarovana ny anarako. Tu me feras un autel de terre sur quoi immoler tes holocaustes et tes sacrifices de communion, ton petit et ton gros bétail. En tout lieu où je rappellerai mon nom, je viendrai à toi et je te bénirai.
Eks 20:25 And if thou wilt make me an altar of stone, thou shalt not build it of hewn stone: for if thou lift up thy tool upon it, thou hast polluted it. Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy. Raha manorina otely vato ho ahy hianao, aza vato voapaika no harafitra, fa raha manainga ny fandrakao amin' ny vato hianao dia hahatonga azy ho tsy azo atao amin' ny fanompoana an' Andriamanitra. Si tu me fais un autel de pierre, ne le bâtis pas de pierres taillées, car, en le travaillant au ciseau, tu le profanerais.
Eks 20:26 Neither shalt thou go up by steps unto mine altar, that thy nakedness be not discovered thereon. Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin' ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao. Aza asianao ambaratonga hiakarana ny oteliko, mba tsy hiseho eo ny fitanjahanao. Et tu ne monteras pas à mon autel par des marches pour n' y pas laisser voir ta nudité.

<-
->