<-
->

Isa / Iz 58:1 Cry aloud, spare not, lift up thy voice like a trumpet, and shew my people their transgression, and the house of Jacob their sins. Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an' ny anjomara, ka ambarao amin' ny oloko ny fahadisoany Ary amin' ny taranak' i Jakoba ny fahotany; Manezaha antso mafy, ka aza tànana ny feonao; ataovy manehoeho hoatra ny trompetra ny feonao, ka ambarao amin' ny vahoakako ny fahotany, ary amin' ny taranak' i Jakoba ny fahadisoany. Crie à pleine gorge, ne te retiens pas, comme le cor, élève la voix, annonce à mon peuple ses crimes, à la maison de Jacob ses péchés.
Isa / Iz 58:2 Yet they seek me daily, and delight to know my ways, as a nation that did righteousness, and forsook not the ordinance of their God: they ask of me the ordinances of justice; they take delight in approaching to God. Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan' andro isan' andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik' Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian' Andriamanitra. Mitady ahy isan' andro izy ireo, samy maniry hahalala ny làlako, mova tsy ny firenena efa nanaraka ny rariny, sy tsy mba nahafoy ny didin' Andriamanitra akory. Mangataka fitsarana marina amiko izy, ary maniry hohatonin' Andriamanitra: C' est moi qu' ils recherchent jour après jour, ils désirent connaître mes voies, comme une nation qui a pratiqué la justice, qui n' a pas négligé le droit de son Dieu. Ils s' informent près de moi des lois justes, ils désirent être proches de Dieu.
Isa / Iz 58:3 Wherefore have we fasted, say they, and thou seest not? wherefore have we afflicted our soul, and thou takest no knowledge? Behold, in the day of your fast ye find pleasure, and exact all your labours. Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao ? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin' ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo. Soa inona ho anay ny mifady hanina raha tsy hitanao izany, sy ny manetry ny fanahinay, raha tsy jerenao izany? - Amin' ny andro ifadianareo, mbola ny raharahanareo ihany no ataonareo; ary mbola poretinareo hiasa mafy ihany ny mpikaramanareo rehetra. " Pourquoi avons-nous jeûné sans que tu le voies, nous sommes-nous mortifiés sans que tu le saches ? " C' est qu' au jour où vous jeûnez, vous traitez des affaires, et vous opprimez tous vos ouvriers.
Isa / Iz 58:4 Behold, ye fast for strife and debate, and to smite with the fist of wickedness: ye shall not fast as ye do this day, to make your voice to be heard on high. Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton' ny ifadianareo ary ny hamely amin' ny totohondrin' ny faharatsiana; Izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any amin' ny avo. Sady miady sy mifandritra hianareo no mifady, ary mamely totohondry an-katezerana aza! Ny fomba fifadianareo amin' izany andro izany tsy mba hihainoana ny feonareo any amin' ny avo. C' est que vous jeûnez pour vous livrer aux querelles et aux disputes, pour frapper du poing méchamment. Vous ne jeûnerez pas comme aujourd' hui, si vous voulez faire entendre votre voix là-haut!
Isa / Iz 58:5 Is it such a fast that I have chosen? a day for a man to afflict his soul? is it to bow down his head as a bulrush, and to spread sackcloth and ashes under him? wilt thou call this a fast, and an acceptable day to the Lord? Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian' ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan' i Jehovah? Moa izany va no fifadiana ankasitrahako? Izany va no andro fanetren' ny olona ny fanahiny? Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin' ny lasaka sy lavenona, dia izany va no antsoina hoe fifadiana, sy andro ankasitrahan' ny Tompo? Est-ce là le jeûne qui me plaît, le jour où l' homme se mortifie ? Courber la tête comme un jonc, se faire une couche de sac et de cendre, est-ce là ce que tu appelles un jeûne, un jour agréable à Yahvé ?
Isa / Iz 58:6 Is not this the fast that I have chosen? to loose the bands of wickedness, to undo the heavy burdens, and to let the oppressed go free, and that ye break every yoke? Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran' ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin' ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa: dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny, ny mamaha ny fehezan' ny jioga, ny mandefa ny ampahoriana ho afaka; ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany? N' est-ce pas plutôt ceci, le jeûne que je préfère : défaire les chaînes injustes, délier les liens du joug; renvoyer libres les opprimés, et briser tous les jougs ?
Isa / Iz 58:7 Is it not to deal thy bread to the hungry, and that thou bring the poor that are cast out to thy house? when thou seest the naked, that thou cover him; and that thou hide not thyself from thine own flesh? Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an' ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin' ny namanao ianao? Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin' izay noana va; sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao? N' est-ce pas partager ton pain avec l' affamé, héberger chez toi les pauvres sans abri, si tu vois un homme nu, le vêtir, ne pas te dérober devant celui qui est ta propre chair ?
Isa / Iz 58:8 Then shall thy light break forth as the morning, and thine health shall spring forth speedily: and thy righteousness shall go before thee; the glory of the Lord shall be thy rereward. Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan' ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr' i Jehovah ho vodi-lalanao Amin' izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan' ny maraina, ary ny fahasitrananao ho tonga faingana; ny fahamarinanao, hialoha làlana anao; ny voninahitry ny Tompo ho vodi-làlanao. Alors ta lumière éclatera comme l' aurore, ta blessure se guérira rapidement, ta justice marchera devant toi et la gloire de Yahvé te suivra.
Isa / Iz 58:9 Then shalt thou call, and the Lord shall answer; thou shalt cry, and he shall say, Here I am. If thou take away from the midst of thee the yoke, the putting forth of the finger, and speaking vanity; Ary amin' izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan' ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy, Amin' izany hianao hiantso, ary Iaveh hamaly; hianao hitaraina, ary izy hanao hoe: Inty aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambanana sy ny teny manala baraka; Alors tu crieras et Yahvé répondra, tu appelleras, il dira : Me voici! Si tu bannis de chez toi le joug, le geste menaçant et les paroles méchantes,
Isa / Iz 58:10 And if thou draw out thy soul to the hungry, and satisfy the afflicted soul; then shall thy light rise in obscurity, and thy darkness be as the noon day: Ary afoinao ho an' ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin' ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana; raha manome ny haninao ho an' ny noana hianao, sy mamoky ny fanahy miferin' aina; hiposaka ao amin' ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny aizinao: si tu te prives pour l' affamé et si tu rassasies l' opprimé, ta lumière se lèvera dans les ténèbres, et l' obscurité sera pour toi comme le milieu du jour.
Isa / Iz 58:11 And the Lord shall guide thee continually, and satisfy thy soul in drought, and make fat thy bones: and thou shalt be like a watered garden, and like a spring of water, whose waters fail not. Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin' ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra. ary Iaveh hitari-dàlana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin' ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka hianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana. Yahvé sans cesse te conduira, il te rassasiera dans les lieux arides, il donnera la vigueur à tes os, et tu seras comme un jardin arrosé, comme une source jaillissante dont les eaux ne tarissent pas.
Isa / Iz 58:12 And they that shall be of thee shall build the old waste places: thou shalt raise up the foundations of many generations; and thou shalt be called, The repairer of the breach, The restorer of paths to dwell in. Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin' ny tany. Ny taranakao hanorina indray ny rava ela; hianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola; ny olona hiantso anao hoe: Mpanamboatra ny banga, mpamelon-dàlana hahatonga ny tany ho azo honenana. On reconstruira, chez toi, les ruines antiques, tu relèveras les fondations des générations passées, on t' appellera Réparateur de brèches, Restaurateur des chemins, pour qu' on puisse habiter.
Isa / Iz 58:13 If thou turn away thy foot from the sabbath, from doing thy pleasure on my holy day; and call the sabbath a delight, the holy of the Lord, honourable; and shalt honour him, not doing thine own ways, nor finding thine own pleasure, nor speaking thine own words: Raha miaro ny tongotrao amin' ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin' ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin' i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin' ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, Raha fadinao ny manitsakitsaka ny sabata, amin' ny fanaovana ny raharahanao amin' ny androko masina, raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana, sy ny andro masin' ny Tompo hoe, mendrika ho hajaina. Koa manajà azy amin' ny tsy fanarahana ny làlanao sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana; Et si tu t' abstiens de violer le sabbat, de vaquer à tes affaires en mon jour saint, si tu appelles le sabbat " délices " et " vénérable " le jour saint de Yahvé, si tu l' honores en t' abstenant de voyager, de traiter tes affaires et de tenir des discours,
Isa / Iz 58:14 Then shalt thou delight thyself in the Lord; and I will cause thee to ride upon the high places of the earth, and feed thee with the heritage of Jacob thy father: for the mouth of the Lord hath spoken it. Dia hiravoravo amin' i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin' ny havoana amin' ny tany ianao, sy hofahanako amin' ny lovan' i Jakoba rainao; Fa ny vavan' i Jehovah no efa niteny. dia hahita fahafinaretana ao amin' ny Tompo hianao amin' izany; sady hasandratro toy ny mpandresy, eo amin' ny avo amin' ny tany, sy hampiaraniko amin' ny lovan' i Jakoba rainao; fa ny vavan' ny Tompo no efa niteny. alors tu trouveras tes délices en Yahvé, je te conduirai en triomphe sur les hauteurs du pays; je te nourrirai de l' héritage de ton père Jacob, car la bouche de Yahvé a parlé.

<-
->