<-
->

Isa / Iz 48:1 Hear ye this, O house of Jacob, which are called by the name of Israel, and are come forth out of the waters of Judah, which swear by the name of the Lord, and make mention of the God of Israel, but not in truth, nor in righteousness. Mihainoa, ry taranak' i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin' ny anaran' Isiraely sy avy amin' ny loharanon' i Joda, ianareo izay mianiana amin' ny anaran' i Jehovah ary mankalaza ny anaran' Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny; Mihainoa izao, ry taranak' i Jakoba, hianareo izay antsoina amin' ny anaran' Israely; nateraky ny loharanon' i Jodà, mianiana amin' ny anaran' ny Tompo, ary mankalaza ny Andriamanitr' Israely, nefa tsy amin' ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po. Écoutez ceci, maison de Jacob, vous que l' on appelle du nom d' Israël, vous qui êtes issus des eaux de Juda, qui jurez par le nom de Yahvé et qui invoquez le Dieu d' Israël, sans loyauté ni justice.
Isa / Iz 48:2 For they call themselves of the holy city, and stay themselves upon the God of Israel; The Lord of hosts is his name. Fa milaza ny tenany ho avy amin' ny tanana masina izy ka miankina amin' Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon' ny maro, no anarany. Fa maka ny anarany amin' ny tanàna masina izy ireo, sy miankina amin' ny Andriamanitr' Israely, izay mitondra anarana hoe: Iavehn' ny tafika. Car ils tirent leur nom de la ville sainte, ils s' appuient sur le Dieu d' Israël, Yahvé Sabaot est son nom.
Isa / Iz 48:3 I have declared the former things from the beginning; and they went forth out of my mouth, and I shewed them; I did them suddenly, and they came to pass. Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin' ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany. Ny zavatra taloha, dia efa nambarako hatramin' ny ela; naloaky ny vavako izany, sady nantsoiko ampahibemaso; ary tampoka aho dia nanao, ka tanteraka ireo zavatra ireo. Les choses anciennes, depuis longtemps je les avais annoncées, elles étaient sorties de ma bouche, je les avais proclamées, et soudain j' ai agi, elles sont arrivées.
Isa / Iz 48:4 Because I knew that thou art obstinate, and thy neck is an iron sinew, and thy brow brass; Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao, Noho ny fahalalako fa hianao dia mafy hatoka, ary anja-by ny vozonao, sy varahina ny handrinao, Car je savais que tu es obstiné, de fer est le muscle de ton cou, et ton front est d' airain.
Isa / Iz 48:5 I have even from the beginning declared it to thee; before it came to pass I shewed it thee: lest thou shouldest say, Mine idol hath done them, and my graven image, and my molten image, hath commanded them. Dia nambarako taminao hatramin' ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra anidina no nandidy izany. dia nambarako taminao hatramin' ny ela izany zavatra izany; nolazaiko taminao talohan' ny hahatongavany izany, fandrao lazainao hoe: Ny sampiko no nanao izany; ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany. Aussi te l' ai-je annoncé depuis longtemps, avant que cela n' arrive je l' avais proclamé, de peur que tu ne dises : " Mon image a tout fait, mon idole et ma statue ont tout ordonné. "
Isa / Iz 48:6 Thou hast heard, see all this; and will not ye declare it? I have shewed thee new things from this time, even hidden things, and thou didst not know them. Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin' izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao. Efa nandre izany hianao; jereo fa tanteraka avokoa izy; fa hianareo kosa, tsy hanambara izany va hianareo? Ankehitriny mampandre anao zava-baovao aho, dia zava-miafina mbola tsy fantatrao. Tu as entendu et vu tout cela, et vous, ne l' annoncerez-vous pas ? Je t' ai fait entendre dès maintenant des choses nouvelles, secrètes et inconnues de toi.
Isa / Iz 48:7 They are created now, and not from the beginning; even before the day when thou heardest them not; lest thou shouldest say, Behold, I knew them. Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin' ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan' ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany. Vao izao no noharina izany, fa tsy taloha; hatramin' izao anio izao, tsy mbola nandre izany hianao, fandrao lazainao hoe: Indro fa efa fantatro ihany izany. C' est maintenant qu' elles sont créées, et non depuis longtemps, et jusqu'à ce jour tu n' en avais pas entendu parler, de peur que tu ne dises : " Oui, je les connaissais. "
Isa / Iz 48:8 Yea, thou heardest not; yea, thou knewest not; yea, from that time that thine ear was not opened: for I knew that thou wouldest deal very treacherously, and wast called a transgressor from the womb. Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin' ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo. Tsy mbola nandre izany hianao, tsy nahalala izany hianao; tsy mbola nandre izany velively ny fonao. Satria fantatro hianao fa mpivadika loatra, ary ny anaranao hatrany an-kibon-dreninao dia hoe mpivadika. Eh bien non, tu n' entendais rien, tu ne savais rien, depuis longtemps ton oreille n'était pas attentive, car je savais combien tu es perfide, et que dès le berceau on t' appelle révolté.
Isa / Iz 48:9 For my name' s sake will I defer mine anger, and for my praise will I refrain for thee, that I cut thee not off. Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao. Noho ny anarako, dia manindry ny hatezerako aho, ary noho ny voninahitro, dia mandefitra aminao aho, mba tsy hamongorana anao. A cause de mon nom, je vais différer ma colère, pour mon honneur, je vais patienter avec toi, pour ne pas t' exterminer.
Isa / Iz 48:10 Behold, I have refined thee, but not with silver; I have chosen thee in the furnace of affliction. Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin' ny memy fahoriana Aho. Indro fa nandrendrika anao aho, nefa tsy nahazo volafotsy; ary nizaha toetra anao tamin' ny memin' ny fahoriana aho. Voici que je t' ai acheté mais non pour de l' argent, je t' ai choisi au creuset du malheur.
Isa / Iz 48:11 For mine own sake, even for mine own sake, will I do it: for how should my name be polluted? and I will not give my glory unto another. Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Noho ny fitiavako ny tenako, dia noho ny fitiavako ny tenako no hanaovako izany; satria ahoana no hanazimbana ny anarako? Tsy hafoiko ho an' ny hafa ny voninahitro. C' est à cause de moi, de moi seul, que je vais agir, comment mon nom serait-il profané ? Je ne donnerai pas ma gloire à un autre.
Isa / Iz 48:12 Hearken unto me, O Jacob and Israel, my called; I am he; I am the first, I also am the last. Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany. Mihainoa ahy, ry Jakoba, sy hianao, ry Israely, izay nantsoiko; Izaho dia izaho no voalohany, izaho koa no farany. Écoute-moi, Jacob, Israël que j' ai appelé, c' est moi, moi qui suis le premier et c' est moi aussi le dernier.
Isa / Iz 48:13 Mine hand also hath laid the foundation of the earth, and my right hand hath spanned the heavens: when I call unto them, they stand up together. Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin' ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa. Ny tànako ihany no nanorina ny tany, ary ny tànako an-kavanana no namelatra ny lanitra; izaho no miantso azy ireo, dia tonga miaraka amin' izay izy. Ma main a fondé la terre, ma droite a tendu les cieux, moi, je les appelle et tous ensemble ils se présentent.
Isa / Iz 48:14 All ye, assemble yourselves, and hear; which among them hath declared these things? The Lord hath loved him: he will do his pleasure on Babylon, and his arm shall be on the Chaldeans. Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin' ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian' i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin' i Babylona ary ny sandriny ho amin' ny Kaldeana. Mivoria hianareo rehetra, ka mihainoa: Iza tamin' ireny no mba efa nilaza izany? Ilay tian' ny Tompo dia hanatanteraka ny sitra-pony amin' i Babela, ary ny sandriny hamely ny Kaldeana. - Assemblez-vous, vous tous, et écoutez, qui parmi eux a annoncé cela ? Yahvé l' aime; il accomplira son bon plaisir sur Babylone et la race des Chaldéens :
Isa / Iz 48:15 I, even I, have spoken; yea, I have called him: I have brought him, and he shall make his way prosperous. Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany. Izaho dia izaho ihany no niteny sady niantso azy; nasaiko tonga izy, ka hambinina ny alehany. c' est moi, c' est moi qui ai parlé et qui l' ai appelé, je l' ai fait venir et son entreprise réussira.
Isa / Iz 48:16 Come ye near unto me, hear ye this; I have not spoken in secret from the beginning; from the time that it was, there am I: and now the Lord GOD, and his Spirit, hath sent me. Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin' ny taloha no efa tsy nitenenako tamin' ny mangingina, hatry ny fony vao nisian' ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny. Manatòna ahy hianareo, ka henoy izao: Hatramin' ny voalohany, tsy niteny an-takontakona aho; hatramin' ny ahatongavan' ireo zavatra ireo dia eo aho; - Ary ankehitriny Iaveh, Tompo, maniraka ahy omban' ny Fanahiny. - Approchez-vous de moi et écoutez ceci : dès le début je n' ai pas parlé en cachette, lorsque c' est arrivé, j'étais là, et maintenant le Seigneur Yahvé m' a envoyé avec son esprit.
Isa / Iz 48:17 Thus saith the Lord, thy Redeemer, the Holy One of Israel; I am the Lord thy God which teacheth thee to profit, which leadeth thee by the way that thou shouldest go. Izao no lazain' i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin' ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin' ny lalana tokony halehanao. Izao no lazain' ny Tompo mpanavotra anao, ilay Masin' Israely: Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin' ny làlana tokony halehanao aho. Ainsi parle Yahvé ton rédempteur, le Saint d' Israël : Je suis Yahvé ton Dieu, je t' instruis pour ton bien, je te conduis par le chemin où tu marches.
Isa / Iz 48:18 O that thou hadst hearkened to my commandments! then had thy peace been as a river, and thy righteousness as the waves of the sea: Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao, Enga anie ka hihaino ny teniko hianao, dia ho tahaka ny ony ny fiadananao; ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao; Si seulement tu avais été attentif à mes commandements! Ton bonheur serait comme un fleuve et ta justice comme les flots de la mer.
Isa / Iz 48:19 Thy seed also had been as the sand, and the offspring of thy bowels like the gravel thereof; his name should not have been cut off nor destroyed from before me. Ary ho tahaka ny fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako. ho tahaka ny fasika ny taranakao; dia ho tahaka ny vovo-pasika, ny haloaky ny kibonao; tsy hesorina ny anarany, na hovonoina eo anatrehako. Ta race serait comme le sable, et comme le grain, ceux qui sont issus de toi! Son nom ne serait pas retranché ni effacé devant moi.
Isa / Iz 48:20 Go ye forth of Babylon, flee ye from the Chaldeans, with a voice of singing declare ye, tell this, utter it even to the end of the earth; say ye, The Lord hath redeemed his servant Jacob. Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin' ny Kaldeana; torio amin' ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin' ny faran' ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an' i Jakoba mpanompony. Mivoaha avy ao Babilona, mandosìra ny Kaldeana, amin' ny hobin-kafaliana! Torio izany, ataovy antso avo koa, ampandreneso hatrany am-paran' ny tany! Lazao hoe: Iaveh efa nanavotra an' i Jakoba mpanompony! Sortez de Babylone, fuyez de chez les Chaldéens, avec des cris de joie, annoncez, proclamez ceci, répandez-le jusqu' aux extrémités de la terre, dites : Yahvé a racheté son serviteur Jacob.
Isa / Iz 48:21 And they thirsted not when he led them through the deserts: he caused the waters to flow out of the rock for them: he clave the rock also, and the waters gushed out. Ary tsy nangetaheta ireo tamin' ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin' ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano. Tsy mangetaheta ireo any amin' ny efitra nitondrany azy: fa mampiboiboika rano avy amin' ny vatolampy izy ho an' ireo; mampitresaka ny vatolampy izy, dia migororoana ny rano. Tsy misy fiadanana ho an' ny ratsy fanahy, hoy Iaveh. Ils n' ont pas eu soif quand il les menait dans les déserts, il a fait couler pour eux l' eau du rocher, il a fendu le rocher et l' eau a jailli.
Isa / Iz 48:22 There is no peace, saith the Lord, unto the wicked. Tsy misy fiadanana ho an' ny ratsy fanahy, hoy Jehovah. Point de bonheur, dit Yahvé, pour les méchants.

<-
->