<-
->

Isa / Iz 35:1 The wilderness and the solitary place shall be glad for them; and the desert shall rejoice, and blossom as the rose. Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina, hiravoravo ny tany lemaka lava volo, Que soient pleins d' allégresse désert et terre aride, que la steppe exulte et fleurisse; comme l' asphodèle
Isa / Iz 35:2 It shall blossom abundantly, and rejoice even with joy and singing: the glory of Lebanon shall be given unto it, the excellency of Carmel and Sharon, they shall see the glory of the Lord, and the excellency of our God. Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr' i Libanona dia homena azy mbamin' ny hatsaran-tarehin' i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr' i Jehovah izy sy ny famirapiratan' Andriamanitsika. ary hamony tahaka ny narisisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr' i Libàna mbamin' ny hakanton' i Karmely sy Sarona. Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo, sy ny famirapiratan' ny Andriamanitsika. qu' elle se couvre de fleurs, qu' elle exulte de joie et pousse des cris, la gloire du Liban lui a été donnée, la splendeur du Carmel et de Saron. C' est eux qui verront la gloire de Yahvé, la splendeur de notre Dieu.
Isa / Iz 35:3 Strengthen ye the weak hands, and confirm the feeble knees. Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy. Hatanjaho ny tànana osa, herezo ny lohalika mangozohozo! Fortifiez les mains affaiblies, affermissez les genoux qui chancellent.
Isa / Iz 35:4 Say to them that are of a fearful heart, Be strong, fear not: behold, your God will come with vengeance, even God with a recompence; he will come and save you. Lazao amin' izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian' Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian' Andriamanitra, tenany no ho avy, dia hamonjy anareo. Dites aux coeurs défaillants : " Soyez forts, ne craignez pas; voici votre Dieu. C' est la vengeance qui vient, la rétribution divine. C' est lui qui vient vous sauver. "
Isa / Iz 35:5 Then the eyes of the blind shall be opened, and the ears of the deaf shall be unstopped. Dia hampahiratina ny mason' ny jamba, ary hampahaladina ny sofin' ny marenina. Amin' izay dia hahiratra ny mason' ny jamba, halady ny sofin' ny marenina. Alors se dessilleront les yeux des aveugles, et les oreilles des sourds s' ouvriront.
Isa / Iz 35:6 Then shall the lame man leap as an hart, and the tongue of the dumb sing: for in the wilderness shall waters break out, and streams in the desert. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan' ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin' ny tany karankaina. Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan' ny moana. Fa hisy rano miboiboika any an' efitra; ary sakeli-drano eny amin' ny tany lemaka lava volo. Alors le boiteux bondira comme un cerf, et la langue du muet criera sa joie. Parce qu' auront jailli les eaux dans le désert et les torrents dans la steppe.
Isa / Iz 35:7 And the parched ground shall become a pool, and the thirsty land springs of water: in the habitation of dragons, where each lay, shall be grass with reeds and rushes. Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan' ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro. Ny tany hay, hanjary ho farihy, ary ny tany mangetana ho loharano. Ny lavaka fonenan' ny amboadia hanjary saham-bolotara aman-jozoro. La terre brûlée deviendra un marécage, et le pays de la soif, des eaux jaillissantes; dans les repaires où gîtaient les chacals on verra des enclos de roseaux et de papyrus.
Isa / Iz 35:8 And an highway shall be there, and a way, and it shall be called The way of holiness; the unclean shall not pass over it; but it shall be for those: the wayfaring men, though fools, shall not err therein. Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan' ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin' ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza. Hisy arabe, hisy làlana, izay atao hoe ny làlana masina; ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo; fa ho azy ireo ihany izy io; izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily. Il y aura là une chaussée et un chemin, on l' appellera la voie sacrée; l' impur n' y passera pas; c' est Lui qui pour eux ira par ce chemin, et les insensés ne s' y égareront pas.
Isa / Iz 35:9 No lion shall be there, nor any ravenous beast shall go up thereon, it shall not be found there; but the redeemed shall walk there: Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran' ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy. Ao tsy mba hisy liona, tsy hisy biby masiaka mandia ao, tsy hisy ho hita ao. Fa ny voavonjy no hizotra ao, ary ny navotan' ny Tompo no ho tonga ao indray; Il n' y aura pas de lion et la plus féroce des bêtes n' y montera pas, on ne l' y rencontrera pas, mais les rachetés y marcheront.
Isa / Iz 35:10 And the ransomed of the Lord shall return, and come to Zion with songs and everlasting joy upon their heads: they shall obtain joy and gladness, and sorrow and sighing shall flee away. Eny, ny navotan' i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin' ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana. Ho tonga ao Siona amin' ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra. Ceux qu' a libérés Yahvé reviendront, ils arriveront à Sion criant de joie, portant avec eux une joie éternelle. La joie et l' allégresse les accompagneront, la douleur et les plaintes cesseront.

<-
->