<-
->

Isa / Iz 20:1 In the year that Tartan came unto Ashdod, (when Sargon the king of Assyria sent him,) and fought against Ashdod, and took it; Tamin' ny taona nankanesan' i Tartana tany Asdoda, raha nirahin' i Sargona, mpanjakan' i Asyria, izy ka namely an' i Asdoda ary nahafaka azy, Tamin' ny taona nahatongavan' i Tartana nirahin' i Sargona mpanjakan' i Asiria tany Azota, sy nanaovany fahirano azy, sy nahafahany azy, L' année où le général en chef envoyé par Sargon, roi d' Assur, vint à Ashdod pour l' attaquer et s' en emparer,
Isa / Iz 20:2 At the same time spake the Lord by Isaiah the son of Amoz, saying, Go and loose the sackcloth from off thy loins, and put off thy shoe from thy foot. And he did so, walking naked and barefoot. tamin' izany andro izany no nampitondran' i Jehovah teny an' Isaia, zanak' i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin' ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin' ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro. tamin' izany andro izany niteny Iaveh tamin' ny alalan' Izaia, zanak' i Amosa nanao hoe: Mandehana, borahy ny lasaka manarona ny valahanao, ary esory ny kapa hiala amin' ny tongotrao. Dia nataony izany, ka nandeha tsy nitafy sy tsy nikiraro izy. en ce temps-là, Yahvé parla par le ministère d' Isaïe fils d' Amoç; il dit : " Va, dénoue le sac que tu as sur les reins, et ôte les sandales de tes pieds. " Et il fit ainsi, allant nu et déchaussé.
Isa / Iz 20:3 And the Lord said, Like as my servant Isaiah hath walked naked and barefoot three years for a sign and wonder upon Egypt and upon Ethiopia; Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan' Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin' i Egypta sy Etiopia, Ary hoy Iaveh: Toy ny nandehanan' Izaia, mpanompoko, tsy nitafy, tsy nikiraro, fa famantarana amam-pambara mandritra ny telo taona, ho an' i Ejipta sy Etiopia izy, Et Yahvé dit : " De même que mon serviteur Isaïe a marché nu et déchaussé pendant trois ans, pour être un signe et un présage contre l'Égypte et contre Kush,
Isa / Iz 20:4 So shall the king of Assyria lead away the Egyptians prisoners, and the Ethiopians captives, young and old, naked and barefoot, even with their buttocks uncovered, to the shame of Egypt. dia ho toy izany no hitondran' ny mpanjakan' i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr' i Egypta. no hitondran' ny mpanjakan' i Asiria ny babo avy any Ejipta; sy ny voasesi-tany avy any Etiopia, na tovolahy, na lahiantitra, tsy mitafy, tsy mikiraro, miseho valahana, ho henatr' i Ejipta. de même le roi d' Assur emmènera les captifs d'Égypte et les déportés de Kush, les jeunes et les vieux, nus, déchaussés et fesses découvertes, à la honte de l'Égypte.
Isa / Iz 20:5 And they shall be afraid and ashamed of Ethiopia their expectation, and of Egypt their glory. Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin' i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany. Ka ho rera-po sy hangaihay izy ireo amin' izay, noho ny amin' i Etiopia, nataony hiankinana, sy noho ny amin' i Ejipta, nataony rehareha. Ils seront pris d'épouvante et de honte à cause de Kush leur espérance et de l'Égypte leur fierté.
Isa / Iz 20:6 And the inhabitant of this isle shall say in that day, Behold, such is our expectation, whither we flee for help to be delivered from the king of Assyria: and how shall we escape? Ary amin' izany andro izany ny mponina etý amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin' ny mpanjakan' i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika? Amin' izany andro izany ny mponina eo amoron' ity ranomasina ity hanao hoe: Izao lahy no nanjo an' ilay niankinantsika, ilay noheverintsika mandositra hatonina hitady famonjena ary mba ho afaka, eo an-tanan' ny mpanjakan' i Asiria? Ary isika indray kosa hataontsika ahoana no hahafa-mandositra? Et l' habitant de ce rivage dira en ce jour-là : "Voici ce qu' est devenue notre espérance, ceux vers qui nous avons fui pour chercher un secours, pour échapper au roi d' Assur. Et nous, comment nous sauverons-nous ?" "

<-
->