<-
->

Isa / Iz 14:1 For the Lord will have mercy on Jacob, and will yet choose Israel, and set them in their own land: and the strangers shall be joined with them, and they shall cleave to the house of Jacob. Fa Jehovah hamindra fo amin' i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin' ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak' i Jakoba ho namany Fa Jakoba kosa hiantran' ny Tompo, ary Israely mbola hofidiny; hamponeniny amin' ny taniny indray izy; ny hafa firenena hikambana aminy, sy hiraikitra amin' ny taranak' i Jakoba. Oui, Yahvé aura pitié de Jacob, il choisira de nouveau Israël. Il les réinstallera sur leur sol. L'étranger se joindra à eux pour s' associer à la maison de Jacob.
Isa / Iz 14:2 And the people shall take them, and bring them to their place: and the house of Israel shall possess them in the land of the Lord for servants and handmaids: and they shall take them captives, whose captives they were; and they shall rule over their oppressors. Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak' Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin' ny tanin' i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy. Ny firenena no haka azy, ka hanatitra azy hody, ary ny taranak' Israely handray azy ireo ho an' ny tenany, ao amin' ny tanin' ny Tompo, ho mpanompolahy amam-panompovavy; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy, sy hanapaka an' ireo nampahory azy. Des peuples les prendront et les ramèneront chez eux. La maison d' Israël les assujettira sur le sol de Yahvé, pour en faire des esclaves et des servantes. Ils asserviront ceux qui les avaient asservis, ils maîtriseront leurs oppresseurs.
Isa / Iz 14:3 And it shall come to pass in the day that the Lord shall give thee rest from thy sorrow, and from thy fear, and from the hard bondage wherein thou wast made to serve, Ary amin' ny andro hanomezan' i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin' ny fahorianao sy ny fitebitebin' ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao, Ary amin' ny andro hampitsaharan' ny Tompo anao amin' ny fisasarana aman-tebitebinao, sy amin' ny fanompoana mafy nampanaovina anao, Et il arrivera qu' au jour où Yahvé te soulagera de ta souffrance, de tes tourments et de la dure servitude à laquelle tu étais asservi,
Isa / Iz 14:4 That thou shalt take up this proverb against the king of Babylon, and say, How hath the oppressor ceased! the golden city ceased! dia hataonao izao oha-teny ny amin' ny mpanjakan' i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena! dia hoventesinao izao hira faniniana izao, ny amin' ny mpanjakan' i Babilona, ka hataonao hoe: Akory ity niafaran' ilay mpanjaka manao jadona, ary nitsaharan' ny fampahoriana? tu entonneras cette satire sur le roi de Babylone, et tu diras : Comment a fini le tyran, a fini son arrogance ?
Isa / Iz 14:5 The Lord hath broken the staff of the wicked, and the sceptre of the rulers. Jehovah efa nanapatapaka ny tehin' ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan' ny mpanapaka, Notapatapahan' ny Tompo ny tehin' ny ratsy fanahy, ny tehim-panjakan' ny mpanapaka! Yahvé a brisé le bâton des méchants, le sceptre des souverains,
Isa / Iz 14:6 He who smote the people in wrath with a continual stroke, he that ruled the nations in anger, is persecuted, and none hindereth. Izay namely firenena tamin' ny fahatezerana, tamin' ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin' ny fahatezerana, tamin' ny fanenjehana tsy misy antra. Nikapoka ny vahoaka tamin-katezerana mafy izy, tamin' ny kapoka tsy an-kijanona; nentin' ny fisafoahany dia nataony ambany jioga ny firenena, tamin' ny fanenjehana tsy misy hiainana. lui qui rouait de coups les peuples, avec emportement et sans relâche, qui maîtrisait avec colère les nations, les pourchassant sans répit.
Isa / Iz 14:7 The whole earth is at rest, and is quiet: they break forth into singing. Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby, Indro miadana ny tany rehetra, mandry fehizay izy, velona ny hobin-kafaliana. Toute la terre repose dans le calme, on pousse des cris de joie.
Isa / Iz 14:8 Yea, the fir trees rejoice at thee, and the cedars of Lebanon, saying, Since thou art laid down, no feller is come up against us. Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatý aminay. Ny sipresa aza mifaly amin' ny fahalavoanao mbamin' ny sedera any Libana: Hatrizay nahalavoanao teo izay, tsy misy olona miakatra hikapa anay intsony. Les cyprès même se réjouissent à ton sujet, et les cèdres du Liban : " Depuis que tu t' es couché, on ne monte plus pour nous abattre! "
Isa / Iz 14:9 Hell from beneath is moved for thee to meet thee at thy coming: it stirreth up the dead for thee, even all the chief ones of the earth; it hath raised up from their thrones all the kings of the nations. Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin' ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin' ny tany; Aingainy hiala amin' ny seza fiandrianana ny mpanjakan' ny firenena rehetra. Taitra ny aminao ny seoly any ambany lalina any, handeha hitsena anao. Fohaziny noho ny aminao ny avelo ny mpanjakan' ny tany rehetra; asainy hitsangana avy eo amin' ny seza fiandrianany avokoa ny mpanjakan' ny firenena rehetra. En bas, le shéol a tressailli à ton sujet pour venir à ta rencontre, il a réveillé pour toi les ombres, tous les potentats de la terre, il a fait lever de leur trône tous les rois des nations.
Isa / Iz 14:10 All they shall speak and say unto thee, Art thou also become weak as we? art thou become like unto us? Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao! Samy miteny izy rehetra, hilaza aminao hoe: Hianao koa miongana toa anay, ka indro hianao tsy misy hafa aminay! Tous prennent la parole pour te dire : " Toi aussi, tu es déchu comme nous, devenu semblable à nous.
Isa / Iz 14:11 Thy pomp is brought down to the grave, and the noise of thy viols: the worm is spread under thee, and the worms cover thee. Efa navarina ho etý amin' ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin' ny feon' ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao. Nivarina amin' ny seoly ny reharehanao, mbamin' ny feom-balihanao. Voalafika kankana hianao, ary olitra no irakofanao! Ton faste a été précipité au shéol, avec la musique de tes cithares. Sous toi s' est formé un matelas de vermine, les larves te recouvrent.
Isa / Iz 14:12 How art thou fallen from heaven, O Lucifer, son of the morning! how art thou cut down to the ground, which didst weaken the nations! Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik' andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin' ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena. Akory ity hianao no potraka avy any an-danitra, ry kintana mamirapiratra, zanaky ny maraina? Akory ity hianao no mitsingidina amin' ny tany, hianao ilay mpandrava firenena? Comment es-tu tombé du ciel, étoile du matin, fils de l' aurore ? As-tu été jeté à terre, vainqueur des nations ?
Isa / Iz 14:13 For thou hast said in thine heart, I will ascend into heaven, I will exalt my throne above the stars of God: I will sit also upon the mount of the congregation, in the sides of the north: Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin' ny kintan' Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho; Hianao ilay nanao anakampo hoe: Hiakatra any an-danitra aho; ary ambony mihoatra ny kintan' Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; hipetraka eo ambonin' ny tendrombohitry ny fivoriana, eny amin' ny avaratra avo tsy hita noanoa; Toi qui avais dit dans ton coeur : "J' escaladerai les cieux, au-dessus des étoiles de Dieu j'élèverai mon trône, je siégerai sur la montagne de l' Assemblée, aux confins du septentrion.
Isa / Iz 14:14 I will ascend above the heights of the clouds; I will be like the most High. Hiakatra ho any ambonin' ny havoan' ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra; hisondrotra any an-tampon' ny rahona, ary hitovy amin' ny Avo Indrindra! Je monterai au sommet des nuages, je m'égalerai au Très-haut. "
Isa / Iz 14:15 Yet thou shalt be brought down to hell, to the sides of the pit. Kanjo hampidinina hatrany amin' ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao. Kanjo indro hianao latsaka aty amin' ny seoly aty amin' ny hantsana lalina tsy hita noanoa! Mais tu as été précipité au shéol, dans les profondeurs de l' abîme. "
Isa / Iz 14:16 They that see thee shall narrowly look upon thee, and consider thee, saying, Is this the man that made the earth to tremble, that did shake kingdoms; Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana Izay mahita anao, mibanjina anao, sady manao tsara jery anao, manao hoe: Io va re izany olona nampitabataba ny tany, nampihozongozona ny fanjakana, Ceux qui t' aperçoivent te considèrent, ils fixent leur regard sur toi. " Est-ce bien l' homme qui faisait trembler la terre, qui ébranlait les royaumes ?
Isa / Iz 14:17 That made the world as a wilderness, and destroyed the cities thereof; that opened not the house of his prisoners? Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody? nampanjary efitra an' izao tontolo izao, nandrava ny tanàna, tsy nandefa ny babo hody any aminy? Il a réduit le monde en désert, rasé les villes, il ne renvoyait pas chez eux les prisonniers.
Isa / Iz 14:18 All the kings of the nations, even all of them, lie in glory, every one in his own house. Ny mpanjaka rehetra amin' ny firenena samy mandry amin' ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany avy; Ny mpanjaka rehetran' ny firenena, samy mandry amim-boninahitra avokoa, eo an-tranony avy; Tous les rois des nations, tous, reposent avec honneur, chacun chez soi.
Isa / Iz 14:19 But thou art cast out of thy grave like an abominable branch, and as the raiment of those that are slain, thrust through with a sword, that go down to the stones of the pit; as a carcase trodden under feet. Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin' ny fatin' ny voavono ianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka midina ho ao amin' ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin' ny tongotra. fa hianao kosa nariana lavitry ny fasanao, toy ny sampana atao ho tsinontsinona, tototry ny maty novonoina tamin' ny sabatra, sy voavarina any amin' ny sola-baton' ny hantsana manjombona, tahaka ny faty voahosihosy. Toi, on t' a jeté hors de ton sépulcre, comme un rameau dégoûtant, au milieu de gens massacrés, transpercés par l'épée, jetés sur les pierres de la fosse, comme une charogne foulée aux pieds.
Isa / Iz 14:20 Thou shalt not be joined with them in burial, because thou hast destroyed thy land, and slain thy people: the seed of evildoers shall never be renowned. Tsy halevina tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy! Tsy mba hiaraka amin' izy ireo eny am-pasana hianao, satria nandevona ny taninao, ary nandringana ny vahoakanao! Tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny ratsy fanahy. Tu ne leur seras pas uni dans la tombe, car tu as ruiné ton pays, fait périr ton peuple. Plus jamais on ne prononcera le nom de la race des méchants.
Isa / Iz 14:21 Prepare slaughter for his children for the iniquity of their fathers; that they do not rise, nor possess the land, nor fill the face of the world with cities. Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran' izao tontolo izao. Manomàna famonoana hamelezana ny taranany, noho ny helok' ireo razany. Aza tafarina intsony hampanaiky ny tany izy ireo, aoka anie ka tsy handrakotra tanàna ny vohon' ny tany izy ireo. Préparez le massacre de ses fils pour la faute de leur père. Qu' ils ne se lèvent plus pour conquérir la terre et couvrir de villes la face du monde. "
Isa / Iz 14:22 For I will rise up against them, saith the Lord of hosts, and cut off from Babylon the name, and remnant, and son, and nephew, saith the Lord. Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon' ny maro, ary hofoanako ny anaran' i Babylona sy izay sisa ao mbamin' ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah. Hitsangan-kamaly ireny aho, - teny ton' ny Tompon' ny tafika - ary ho foanako amin' i Babilona avokoa ny anarana sy izay sisa eo, ny taranaka aman-tsolofo, - teny ton' ny Tompo' ny tafika. - Je me lèverai contre eux, oracle de Yahvé Sabaot et je retrancherai de Babylone le nom et le reste, descendance et postérité, oracle de Yahvé.
Isa / Iz 14:23 I will also make it a possession for the bittern, and pools of water: and I will sweep it with the besom of destruction, saith the Lord of hosts. Ary hataoko fonenan' ny sokina sy fihandronan' ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon' ny maro. Hataoko fonenan-tsokina, amam-piandronan-drano izy, ary hofafako amin' ny kofafa fandringanana, - teny ton' ny Tompo' ny tafika. - J' en ferai un repaire de hérissons, un marécage. Je la balaierai avec le balai de la destruction. Oracle de Yahvé Sabaot.
Isa / Iz 14:24 The Lord of hosts hath sworn, saying, Surely as I have thought, so shall it come to pass; and as I have purposed, so shall it stand: Jehovah, Tompon' ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy, Iaveh' ny tafika nianiana hoe: Eny, ho to izay hevitra efa nokasaina; ary ho tanteraka izay efa notapahako. Yahvé Sabaot l' a juré : Oui! Comme j' ai projeté, cela se fera, comme j' ai décidé, cela se réalisera :
Isa / Iz 14:25 That I will break the Assyrian in my land, and upon my mountains tread him under foot: then shall his yoke depart from off them, and his burden depart from off their shoulders. Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin' ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin' ireo, ary ny entany ho afaka amin' ny sorony Hanorotoro an' i Asora amin' ny taniko aho, ary hanosihosy azy eo an-tendrombohitro. Dia ho esorina amin' izy ireo ny jiogany, ary halana eo an-tsorok' izy ireo ny entany. Je briserai Assur dans mon pays, je le piétinerai sur mes montagnes. Et son joug glissera de sur eux, son fardeau glissera de son épaule.
Isa / Iz 14:26 This is the purpose that is purposed upon the whole earth: and this is the hand that is stretched out upon all the nations. Izany no fikasana ny amin' ny tany rehetra, ary izany no tanana ahinjitra amin' ny firenena rehetra. Izany no hevitra raikitra hamelezana ny tany rehetra, ary tànana ahinjitra hamelezana ny firenena rehetra! Telle est la décision prise contre toute la terre, telle est la main étendue sur toutes les nations.
Isa / Iz 14:27 For the Lord of hosts hath purposed, and who shall disannul it? and his hand is stretched out, and who shall turn it back? Fa Jehovah, Tompon' ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany? Fa Iaveh' ny tafika no efa nanapaka izany, ka zovy no hahasakana izany, ary ny tànany efa nahinjiny, ka iza no hamily izany? Quand Yahvé Sabaot a décidé, qui l' arrêtera, et sa main levée, qui la fera revenir ?
Isa / Iz 14:28 In the year that king Ahaz died was this burden. Tamin' ny taona nahafatesan' i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao: Tamin' ny taona nahafatesan' i Akaza mpanjaka no nivoahan' izao faminaniana izao. L' année de la mort du roi Achaz, cet oracle fut prononcé :
Isa / Iz 14:29 Rejoice not thou, whole Palestina, because the rod of him that smote thee is broken: for out of the serpent' s root shall come forth a cockatrice, and his fruit shall be a fiery flying serpent. Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon' ny bibilava no hihavian' ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran' afo manidina. Aza manaram-po amin' ny fifaliana, ry Filistina manontolo, noho ny nahatapahan' ny tsorakazo namely anao; fa hisy menarana hateraky ny tarana-bibilava ary dragona manidina no haterany. Ne te réjouis pas, Philistie tout entière, de ce qu' est brisé le bâton qui te frappait. Car de la souche du serpent sortira une vipère, et son fruit sera un dragon volant.
Isa / Iz 14:30 And the firstborn of the poor shall feed, and the needy shall lie down in safety: and I will kill thy root with famine, and he shall slay thy remnant. Ny faraidina indrindra hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao, eny, izay sisa aminao ho matiny. Ka amin' izay ny farahidiny hahita hanina; ary ny mahantra handry fahizay. Fa ny tanarakao kosa, hataoko maty mosary; ary izay sisa avy aminao, haringana. - Car les premiers-nés des pauvres auront leur pâture, et les malheureux reposeront en sécurité, tandis que je ferai mourir de faim ta souche, et que je tuerai ce qui reste de toi.
Isa / Iz 14:31 Howl, O gate; cry, O city; thou, whole Palestina, art dissolved: for there shall come from the north a smoke, and none shall be alone in his appointed times. Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin' ny laharany akory ny miaramilany. Midradradradrà, ry vavahady; miantsoantsoa, ry tanàna; Matahora mafy, ry Filistina manontolo! Fa indro misy setroka tamy avy any avaratra, ary tsy misy miala amin' ny laharany, ny antoko miaramilany. Hurle, porte! Crie, ville! Chancelle, Philistie tout entière! Car du nord vient une fumée, et personne ne déserte ses bataillons.
Isa / Iz 14:32 What shall one then answer the messengers of the nation? That the Lord hath founded Zion, and the poor of his people shall trust in it. Ary inona moa no valiny ho entin' ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an' i Ziona, ary ao no hialofan' izay olony ory. Inona no havaly ireo iraky ny firenena? Izao: Iaveh no nanorina an' i Siona, ka mahita fialofana ao izay ory amin' ny vahoakany. Que répondra-t-on aux messagers de cette nation ? Que Yahvé a fondé Sion, et que là se réfugieront les pauvres de son peuple.

<-
->