<-
->

Si 2:1 Anaka, raha mandroso hianao hanompo ny Tompo, omany ho amin' ny fizahan-toetra ny fanahinao. Mon fils, si tu prétends servir le Seigneur, prépare-toi à l'épreuve.
Si 2:2 Ahitsio ny fonao, ka mahareta, ary aza mikoropaka foana amin' ny andron' ny fahoriana. Fais-toi un coeur droit, arme-toi de courage, ne te laisse pas entraîner, au temps de l' adversité.
Si 2:3 Miraiketa amin' Andriamanitra hianao, ka aza misaraka aminy, mba hitomboanao ho amin' izay hiafaranao. Attache-toi à lui, ne t'éloigne pas, afin d'être exalté à ton dernier jour.
Si 2:4 Ekeo avokoa izay manjo anao, ary mandefera amin' ny fifandimbiasan' ny fietrenao. Tout ce qui t' advient, accepte-le et, dans les vicissitudes de ta pauvre condition, montre-toi patient,
Si 2:5 Fa ny volamena sy ny volafotsy aofana amin' ny afo; ary ny olona ankasitrahan' Andriamanitra kosa, amin' ny memin' ny fietrena. car l' or est éprouvé dans le feu, et les élus dans la fournaise de l' humiliation.
Si 2:6 Matokia an' Andriamanitra ary izy hanarina anao; mizora amin' ny lala-mahitsy, ary manantena azy. Mets en Dieu ta confiance et il te viendra en aide, suis droit ton chemin et espère en lui.
Si 2:7 Miandrasa ny famindram-pony, hianareo matahotra ny Tompo, ary aza mivily lalana, fandrao dia levona hianareo. Vous qui craignez le Seigneur, comptez sur sa miséricorde, ne vous écartez pas, de peur de tomber.
Si 2:8 matokia azy, hianareo matahotra ny Tompo, dia tsy ho very valisoa hianareo. Vous qui craignez le Seigneur, ayez confiance en lui, et votre récompense ne saurait faillir.
Si 2:9 Manantenà, hianareo matahotra ny Tompo, ny hasambarana, ny hafaliana mandrakizay sy ny famindram-po. Vous qui craignez le Seigneur, espérez ses bienfaits, la joie éternelle et la miséricorde.
Si 2:10 Diniho ange ny taranaka fahagola, ka fantaro; iza no nanantena ny Tompo, ka nahazo henatra na oviana na oviana? Zovy no naharitra tsy niala tamin' ny fahatahorana azy, ka mba nilaozany? Iza no niantso azy, ka latsa no hany azony? Considérez les générations passées et voyez qui donc, confiant dans le Seigneur, a été confondu? Ou qui, persévérant dans sa crainte, a été abandonné? Ou qui l' a imploré sans avoir été écouté?
Si 2:11 Fa miantra sy mamindra fo ny Tompo, ary mamela heloka sy mamonjy amin' ny andro mahory izy. Car le Seigneur est compatissant et miséricordieux, il remet les péchés et sauve au jour de la détresse.
Si 2:12 Loza ho an' ny fo ketraka sy ny tànana osa, sy ny mpanota miroa làlana! Malheur aux coeurs lâches et aux mains nonchalantes, et au pécheur dont la conduite est double.
Si 2:13 Loza ho an' ny fo kanosa, fa tsy matoky an' Andriamanitra izy! Ka tsy mba hahazo fiarovana. Malheur au coeur nonchalant faute de foi, car il ne sera pas protégé.
Si 2:14 Loza ho anareo manary faharetana! Hanao ahoana hianareo, amin' ny andro hamangian' ny Tompo? Malheur à vous qui avez perdu l' endurance, que ferez-vous lorsque le Seigneur vous visitera?
Si 2:15 Izay matahotra ny Tompo, tsy mba mandà tsy hihaino ny teniny, ary izay tia azy, mitandrina ny lalàny, tsy mivadika! Ceux qui craignent le Seigneur ne transgressent pas ses paroles, ceux qui l' aiment observent ses voies.
Si 2:16 Izay matahotra ny Tompo, mitady izay sitrany, ary izay tia azy mivoky ny lalàny. Ceux qui craignent le Seigneur cherchent à lui plaire, ceux qui l' aiment se rassasient de la loi.
Si 2:17 Izay matahotra ny Tompo, mamboatra ny fony, ary mampaharitra ny fanahiny amim-panetren-tena eo anatrehany, Ceux qui craignent le Seigneur ont un coeur toujours prêt et savent s' humilier devant lui.
Si 2:18 manao hoe: Ho lavo eo an-tànan' ny Tompo izahay, fa tsy eo an-tanan' ny olombelona; satria, araka ny haben' ny fahefany no haben' ny famindram-pony koa. Jetons-nous dans les bras du Seigneur, et non dans ceux des hommes, car telle est sa majesté, telle aussi sa miséricorde.

<-
->