<-
->

Oha / Oh 24:1 Be not thou envious against evil men, neither desire to be with them. Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany; Aza mialona ny ratsy fanahy, na maniry hiaraka aminy akory. Ne porte pas envie aux méchants, ne souhaite pas leur compagnie,
Oha / Oh 24:2 For their heart studieth destruction, and their lips talk of mischief. Fa fandravana no saintsainin' ny fony, Ary fampahoriana notenenin' ny molony. Fa fandozana no saintsainin' ny fony, ary fampahoriana no mahavantam-bava azy. car leur coeur ne songe qu'à la violence, leurs lèvres n' expriment que malheur.
Oha / Oh 24:3 Through wisdom is an house builded; and by understanding it is established: Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy; Ny fahendrena no itsanganan' ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy. C' est par la sagesse qu' on bâtit une maison, par l' intelligence qu' on l' affermit;
Oha / Oh 24:4 And by knowledge shall the chambers be filled with all precious and pleasant riches. Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin' izay harena soa sy mahafinaritra rehetra. Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin' ny harena soa sy mahafinaritra rehetra. par le savoir, on emplit ses greniers de tous les biens précieux et désirables.
Oha / Oh 24:5 A wise man is strong; yea, a man of knowledge increaseth strength. Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana; Feno hatanjahana, rahefa olon-kendry, ary maneho hery lehibe, izay manam-pahaizana. Un homme sage est plein de force, l' homme de science affermit sa vigueur;
Oha / Oh 24:6 For by wise counsel thou shalt make thy war: and in multitude of counsellors there is safety. Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena. Fa ny fahamalinana no itarihanao ny ady, ary ny mpanolo-tsaina maro no isian' ny famonjena. car c' est par des calculs que tu feras la guerre, et le succès tient au grand nombre des conseillers.
Oha / Oh 24:7 Wisdom is too high for a fool: he openeth not his mouth in the gate. Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy. Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, tsy mba mahaloa-bava izy, eo am-bavahady: Pour le fou, la sagesse est une forteresse inaccessible : à la porte de la ville, il n' ouvre pas la bouche.
Oha / Oh 24:8 He that deviseth to do evil shall be called a mischievous person. Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy. Izay misaintsaina hanao ratsy, no hatao hoe mpamoron-tsain-dratsy. Qui songe à mal faire, on l' appelle un maître en astuce.
Oha / Oh 24:9 The thought of foolishness is sin: and the scorner is an abomination to men. Ota ny fikasan' ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason' ny olona ny mpaniratsira. Ota no fikasan' ny adala, ary fahavetavetana eo imason' ny olona, ny mpamazivazy. La folie ne rêve que péché, le railleur est honni des hommes.
Oha / Oh 24:10 If thou faint in the day of adversity, thy strength is small. Raha reraka amin' ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao. Raha osa amin' ny andron' ny fahoriana hianao, dia fahosana ihany ny herinao. Si tu te laisses abattre au jour mauvais, ta vigueur est peu de chose.
Oha / Oh 24:11 If thou forbear to deliver them that are drawn unto death, and those that are ready to be slain; Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana! Afaho izay entina hovonoina ho faty; ary vonjeo izay mandroso mangozohozo entin-kovonoina. Délivre ceux qu' on envoie à la mort, ceux qu' on traîne au supplice, puisses-tu les sauver!
Oha / Oh 24:12 If thou sayest, Behold, we knew it not; doth not he that pondereth the heart consider it? and he that keepeth thy soul, doth not he know it? and shall not he render to every man according to his works? Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra. Raha hoy hianao: Tsy mahalala izany anie izahay! moa tsy mahita izany va, ilay mandanja ny fo? tsy mahalala izany va, ilay mitandrina ny fanahinao? ary tsy hovaliany araka ny nataony avy va ny olona rehetra? Diras-tu : " Voilà! nous ne savions pas " ? Celui qui pèse les coeurs ne comprend-il pas ? Alors qu' il sait, lui qui a façonné ton âme; c' est lui qui rendra à l' homme selon son oeuvre.
Oha / Oh 24:13 My son, eat thou honey, because it is good; and the honeycomb, which is sweet to thy taste: Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao; Anaka, mihinana tantely fa tsara izany, ho mamy eo am-bavanao ny takela-tantely. Mange du miel, mon fils, car c' est bon, un rayon de miel est doux à ton palais.
Oha / Oh 24:14 So shall the knowledge of wisdom be unto thy soul: when thou hast found it, then there shall be a reward, and thy expectation shall not be cut off. Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an' ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao. Ary fantaro fa torak' izany ny fahendrena ho an' ny fanahinao; ka raha mahazo azy hianao, dia hanan-kiafarana, ary tsy ho foana ny fanantenanao. Ainsi sera, sache-le, la sagesse pour ton âme. Si tu la trouves, il y aura un avenir et ton espérance ne sera pas anéantie.
Oha / Oh 24:15 Lay not wait, O wicked man, against the dwelling of the righteous; spoil not his resting place: Aza manotrika ao akaikin' ny tranon' ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany; Aza manotrika eo amin' ny fonenan' ny marina, ry ilay ratsy; ary aza mandrava ny toerana fitsaharany, Ne t' embusque pas, méchant, près de la demeure du juste, ne dévaste pas son habitation.
Oha / Oh 24:16 For a just man falleth seven times, and riseth up again: but the wicked shall fall into mischief. Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana. fa ny marina, lavo impito, nefa tafarina ihany; ny ratsy fanahy kosa avarina amin' ny loza. Car le juste tombe sept fois et se relève, mais les méchants trébuchent dans l' adversité.
Oha / Oh 24:17 Rejoice not when thine enemy falleth, and let not thine heart be glad when he stumbleth: Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy; Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao; ary aza miravoravo fo amin' ny faharavany. Si ton ennemi tombe, ne te réjouis pas, que ton coeur n' exulte pas de ce qu' il trébuche,
Oha / Oh 24:18 Lest the Lord see it, and it displease him, and he turn away his wrath from him. Fandrao hitan' i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany. fandrao hitan' ny Tompo izany, ka ratsy eo imasony, dia haviliny tsy ho aminy, ny hatezerany. de peur que, voyant cela, Yahvé ne soit mécontent et qu' il ne détourne de lui sa colère.
Oha / Oh 24:19 Fret not thyself because of evil men, neither be thou envious at the wicked: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin' ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy; Aza sosotra noho ny amin' ny ratsy fanahy, na mialona an-dry zareo olon-dratsy, Ne t'échauffe pas au sujet des méchants, ne jalouse pas les impies.
Oha / Oh 24:20 For there shall be no reward to the evil man; the candle of the wicked shall be put out. Fa tsy hisy fanantenana ho an' ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron' ny ratsy fanahy. fa tsy mba manan-kiafarana ny manao ratsy, ary ho faty ny jiron' ny ratsy fanahy. Car pour le méchant, il n' est pas d' avenir : la lampe des impies s'éteint.
Oha / Oh 24:21 My son, fear thou the Lord and the king: and meddle not with them that are given to change: Anaka, matahora an' i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin' izay miovaova; Anaka, matahora an' ny Tompo sy ny mpanjaka, ary aza mba miharoharo amin' ny olona mpanakorontana. Crains Yahvé, mon fils, et le roi; ne te lie pas avec les novateurs :
Oha / Oh 24:22 For their calamity shall rise suddenly; and who knoweth the ruin of them both? Fa ho tampoka no hitrangan' izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin' ny androny? Fa hidona tampoka ny lozan' ireny, ary iza moa no mahalala izay hanjo azy isany? (Teny hafa avy amin' ny olon-kendry) car tout soudain surgira leur malheur, et la ruine de l' un et de l' autre, qui la connaît ?
Oha / Oh 24:23 These things also belong to the wise. It is not good to have respect of persons in judgment. Izao koa no tenin' ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan' olona amin' ny fitsarana. Izao manaraka izao koa no avy amin' ny hendry: Tsy mety ny mizaha tavan' olona amin' ny fitsarana. Ceci est encore des Sages : Avoir égard aux personnes dans les jugements n' est pas bien.
Oha / Oh 24:24 He that saith unto the wicked, Thou are righteous; him shall the people curse, nations shall abhor him: Izay manao amin' ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin' ny olona sady ho halan' ny firenena; Izay milaza amin' ny ratsy hoe: Marina hianao, dia hozonim-bahoaka, ho halam-pirenena. Quiconque dit au méchant : " Tu es juste ", les peuples le maudissent, les nations le honnissent;
Oha / Oh 24:25 But to them that rebuke him shall be delight, and a good blessing shall come upon them. Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara. Fa izay mamay azy kosa ankalazaina, mirotsaka aminy ny tso-drano amam-pahasambarana. mais ceux qui punissent s' en trouvent bien, sur eux viendra une heureuse bénédiction.
Oha / Oh 24:26 Every man shall kiss his lips that giveth a right answer. Izay mahavoa tsara amin' ny famaliana dia manoroka ny molotra. Manoroka ao amin' ny molotra, izay mahavoaka valy marina. Il met un baiser sur les lèvres, celui qui répond franchement.
Oha / Oh 24:27 Prepare thy work without, and make it fit for thyself in the field; and afterwards build thine house. Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao. Alamino ny asanao eo ivelany; ny sahanao aloha no iraiketo asaina, vao izay no manao ny tranonao hianao. Organise au-dehors ta besogne et prépare-la aux champs; ensuite, tu bâtiras ta maison.
Oha / Oh 24:28 Be not a witness against thy neighbour without cause; and deceive not with thy lips. Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin' ny molotrao va ianao? Aza mba mety ho vavolombelona foana, hamely ny namana, fa hianao angaha te-hamitaka amin' ny molotrao? Ne témoigne pas à la légère contre ton prochain, ne trompe pas par tes lèvres.
Oha / Oh 24:29 Say not, I will do so to him as he hath done to me: I will render to the man according to his work. Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony. Aza manao hoe: Hataoko aminy izay nataony tamiko; hovaliako araka ny nafitsony iny olona iny. Ne dis pas : " Comme il m' a fait, je lui ferai! à chacun je rendrai selon son oeuvre! "
Oha / Oh 24:30 I went by the field of the slothful, and by the vineyard of the man void of understanding; Nandalo ny sahan' ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho; Nandalo ny sahan' ny kamo aho, sy nanamorona ny tanimboaloboky ny adala. Près du champ du paresseux j' ai passé, près de la vigne de l' homme court de sens.
Oha / Oh 24:31 And, lo, it was all grown over with thorns, and nettles had covered the face thereof, and the stone wall thereof was broken down. Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron' ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony. Ka indro tsilo no maniry hatraiza hatraiza, roy no mandrakotra eny rehetra eny, mirodana koa ny tamboho vato aminy. Or voici : tout était monté en orties, le chardon en couvrait la surface, le mur de pierres était écroulé.
Oha / Oh 24:32 Then I saw, and considered it well: I looked upon it, and received instruction. Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra. Nijery aho, ka nandinika tao am-poko, nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao: Ayant vu, je réfléchis, ayant regardé, je tirai cette leçon :
Oha / Oh 24:33 Yet a little sleep, a little slumber, a little folding of the hands to sleep: Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory; Torimaso kely ihany, firendremana kely ihany, ohon-tanana kely hatory, " Un peu dormir, un peu s' assoupir, un peu croiser les bras en s' allongeant,
Oha / Oh 24:34 So shall thy poverty come as one that travelleth; and thy want as an armed man. Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy. dia indro, tonga toy ny jiolahy ny fahantranao, ary toy ny lehilahy mitam-piadiana, ny tsy fanananao. et, tel un rôdeur, viendra l' indigence et la disette, comme un mendiant! "

<-
->