<-
->

Oha / Oh 16:1 The preparations of the heart in man, and the answer of the tongue, is from the Lord. Ny fikasan' ny fo no amin' ny olona; Fa ny famalian' ny lela dia avy amin' i Jehovah. Ny mamorona fikasana ao am-po no an' ny olona; fa ny famalian' ny lela dia avy amin' ny Tompo. A l' homme les projets du coeur, de Yahvé vient la réponse.
Oha / Oh 16:2 All the ways of a man are clean in his own eyes; but the Lord weigheth the spirits. Ataon' ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy. Madio eo imason' ny olona ny lalany rehetra; fa Iaveh ihany no mandanja ny fanahy. Toutes les voies de l' homme sont pures à ses yeux, mais Yahvé pèse les esprits.
Oha / Oh 16:3 Commit thy works unto the Lord, and thy thoughts shall be established. Ankino amin' i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao. Mangataha fanampiana amin' ny Tompo amin' ny asanao; dia ho vanona ny fikasanao. Recommande à Yahvé tes oeuvres, et tes projets se réaliseront.
Oha / Oh 16:4 The Lord hath made all things for himself: yea, even the wicked for the day of evil. Ny zavatra rehetra nataon' i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin' ny andro hahitan-doza. Nataon' ny Tompo ho amin' ny antony kendreny avokoa ny zavatra rehetra; ary na ny ratsy fanahy aza ho amin' ny andro mahory koa. Yahvé fit toute chose en vue d' une fin, et même le méchant pour le jour du malheur.
Oha / Oh 16:5 Every one that is proud in heart is an abomination to the Lord: though hand join in hand, he shall not be unpunished. Fahavetavetana eo imason' i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy. Fahavetavetana amin' ny Tompo ny miavona am-po rehetra; azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy. Abomination pour Yahvé : tout coeur altier; à coup sûr, il ne restera pas impuni.
Oha / Oh 16:6 By mercy and truth iniquity is purged: and by the fear of the Lord men depart from evil. Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin' ny heloka; Ary ny fahatahorana an' i Jehovah no analavirana ny ratsy. Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no anonerana ny heloka; ary ny fahatahorana an' ny Tompo no analavirana ny ratsy. Par la piété et la fidélité on expie la faute, par la crainte de Yahvé on s'écarte du mal.
Oha / Oh 16:7 When a man' s ways please the Lord, he maketh even his enemies to be at peace with him. Raha sitrak' i Jehovah ny alehan' ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy. Raha sitrak' Iaveh ny lalan' ny olona, na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy. Que Yahvé se plaise à la conduite d' un homme, il lui réconcilie même ses ennemis.
Oha / Oh 16:8 Better is a little with righteousness than great revenues without right. Aleo ny kely omban' ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin' ny tsy rariny. Aleo kely ombam-pahamarinana toy izay harem-be omban' ny tsy fahamarinana. Mieux vaut peu avec la justice que d' abondants revenus sans le bon droit.
Oha / Oh 16:9 A man' s heart deviseth his way: but the Lord directeth his steps. Ny fon' ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany. Ny fon' ny olona no misaina izay halehany, fa Iaveh ihany no mitondra ny diany. Le coeur de l' homme délibère sur sa voie, mais c' est Yahvé qui affermit ses pas.
Oha / Oh 16:10 A divine sentence is in the lips of the king: his mouth transgresseth not in judgment. Ny teny marina dia eo amin' ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara. Teny to no eo amin' ny molotry ny mpanjaka; aoka tsy hanota ny vavany raha mitsara izy. L' oracle est sur les lèvres du roi, dans un jugement, sa bouche est sans défaillance.
Oha / Oh 16:11 A just weight and balance are the Lord' s: all the weights of the bag are his work. An' i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo. Avy amin' ny Tompo ny mizana aman-delany mahiratra, asany avokoa ny vato-mizana amin' ny kitapo. La balance et les plateaux justes sont à Yahvé, tous les poids du sac sont son oeuvre.
Oha / Oh 16:12 It is an abomination to kings to commit wickedness: for the throne is established by righteousness. Fahavetavetana eo imason' ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan' ny seza fiandrianana. Fahavetavetana amin' ny mpanjaka ny manao ratsy; fa ny rariny no iorenan' ny seza fiandrianana mafy. Abomination pour les rois : commettre le mal, car sur la justice le trône est établi.
Oha / Oh 16:13 Righteous lips are the delight of kings; and they love him that speaketh right. Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany. Mahita sitraka amin' ny mpanjaka, ny molotra marina; ary tiany izay miteny amim-pahatsoram-po. Les lèvres justes gagnent la faveur du roi, il aime qui parle avec droiture.
Oha / Oh 16:14 The wrath of a king is as messengers of death: but a wise man will pacify it. Ny fahatezeran' ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany. Iraky ny fahafatesana ny hatezeran' ny mpanjaka; ny olon-kendry anefa dia mahatony izany. La fureur du roi est messagère de mort, mais l' homme sage l' apaise.
Oha / Oh 16:15 In the light of the king' s countenance is life; and his favour is as a cloud of the latter rain. Amin' ny fahamiramiranan' ny tarehin' ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin' ny fararano. Mampiaina ny fahamiramiranan-tarehin' ny mpanjaka; ary toy ny oran-dohataona ny fanambinany. Dans la lumière du visage royal est la vie; telle une pluie printanière est sa bienveillance.
Oha / Oh 16:16 How much better is it to get wisdom than gold! and to get understanding rather to be chosen than silver! Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy. Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena; mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana. Combien il vaut mieux acquérir la sagesse que l' or! L' acquisition de l' intelligence est préférable à l' argent.
Oha / Oh 16:17 The highway of the upright is to depart from evil: he that keepeth his way preserveth his soul. Ny manalavitra ny ratsy no lalamben' ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy. Ny manalavitra ny ratsy no lalamben' ny marina; ny mitandrina ny alehany no miaro ny ainy. Le chemin des gens droits, c' est d'éviter le mal; il garde sa vie, celui qui veille sur ses démarches.
Oha / Oh 16:18 Pride goeth before destruction, and an haughty spirit before a fall. Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana. Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana. L' arrogance précède la ruine et l' esprit altier la chute.
Oha / Oh 16:19 Better it is to be of an humble spirit with the lowly, than to divide the spoil with the proud. Tsara ny malemy fanahy ao amin' izay manetry tena Noho ny mizara babo amin' izay miavonavona. Aleo miara-mietry tena amin' ny madinika, toy izay miara-mizara babo amin' ny mpiavonavona. Mieux vaut être humble avec les pauvres qu' avec les superbes partager le butin.
Oha / Oh 16:20 He that handleth a matter wisely shall find good: and whoso trusteth in the Lord, happy is he. Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an' i Jehovah no ho sambatra. Mahita ny fahasambarana izay mihaino tsara ny teny; ary sambatra izay mitoky amin' ny Tompo. Qui est attentif à la parole trouve le bonheur, qui se fie en Yahvé est bienheureux.
Oha / Oh 16:21 The wise in heart shall be called prudent: and the sweetness of the lips increaseth learning. Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian' ny molotra mampandroso fahendrena. Izay hendry am-po dia antsoina hoe manan-tsaina; ary ny hamamian' ny molotra mampitombo ny fahalalana. Un coeur sage est proclamé intelligent, la douceur des lèvres augmente le savoir.
Oha / Oh 16:22 Understanding is a wellspring of life unto him that hath it: but the instruction of fools is folly. Loharanon' aina ny fahazavan-tsaina amin' izay manana izany; Fa ny famaizana ataon' ny adala dia fahadalana ihany. Loharanon' aina ho an' izay manana azy ny fahalalana; ary ny sazy ho an' ny adala dia ny fahadalany. Le bon sens est source de vie pour qui le possède, la folie des fous est leur châtiment.
Oha / Oh 16:23 The heart of the wise teacheth his mouth, and addeth learning to his lips. Ny fon' ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin' ny molony. Manolo-pahendrena ny vavany, ny fon' ny hendry, sady mampitombo ny fahalalana eo amin' ny molony. Le coeur du sage rend sa bouche avisée et ses lèvres riches de savoir.
Oha / Oh 16:24 Pleasant words are as an honeycomb, sweet to the soul, and health to the bones. Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin' ny fanahy no mahatsara ny taolana. Ny teny soa dia toho-tantely: mamin' ny fanahy sy mahasalama ny vatana. Les paroles aimables sont un rayon de miel : doux au palais, salutaire au corps.
Oha / Oh 16:25 There is a way that seemeth right unto a man, but the end thereof are the ways of death. Misy lalana ataon' ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin' ny fahafatesana no iafarany. Misy lalana miseho ho mahitsy amin' ny olona; kanjo lalana mankamin' ny fahafatesana no iafarany. Tel chemin paraît droit à quelqu' un, mais en fin de compte, c' est le chemin de la mort.
Oha / Oh 16:26 He that laboureth laboureth for himself; for his mouth craveth it of him. Ny fahanoanan' ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy. Miasa ho an' ny tenany ny mpiasa, fa asesiky ny vavany hanao izy. L' appétit du travailleur travaille pour lui, car sa bouche le presse.
Oha / Oh 16:27 An ungodly man diggeth up evil: and in his lips there is as a burning fire. Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin' ny molony. Loza no vononin' ny ratsy fanahy; ary toa afo miredareda no eo amin' ny molony! L' homme de rien produit le malheur, c' est comme un feu brûlant sur ses lèvres.
Oha / Oh 16:28 A froward man soweth strife: and a whisperer separateth chief friends. Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza. Ny olon-dratsy mamelona adiady, ary ny mpitati-bolana mampisaraka ny mpisakaiza. L' homme fourbe sème la querelle, le diffamateur divise les intimes.
Oha / Oh 16:29 A violent man enticeth his neighbour, and leadeth him into the way that is not good. Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin' ny lalana tsy tsara. Ny olona mpanao an-keriny manodoka ny namany, ka mitarika azy amin' ny lalana tsy tsara. L' homme violent séduit son prochain et le mène dans une voie qui n' est pas bonne.
Oha / Oh 16:30 He shutteth his eyes to devise froward things: moving his lips he bringeth evil to pass. Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy. Izay mikipy maso hieritreri-pitaka, sy izay efa manaikitraiki-molotra, dia manao ratsy. Qui ferme les yeux pour méditer des fourberies, qui pince les lèvres, a commis le mal.
Oha / Oh 16:31 The hoary head is a crown of glory, if it be found in the way of righteousness. Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin' ny lalan' ny fahamarinana no ahazoana azy. Loza no vononin' ny ratsy fanahy; ary eo amin' ny lalan' ny fahamarinana no ahitana azy. C' est une couronne d' honneur que des cheveux blancs, sur les chemins de la justice on la trouve.
Oha / Oh 16:32 He that is slow to anger is better than the mighty; and he that ruleth his spirit than he that taketh a city. Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra. Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo; ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny. Mieux vaut un homme lent à la colère qu' un héros, un homme maître de soi qu' un preneur de villes.
Oha / Oh 16:33 The lot is cast into the lap; but the whole disposing thereof is of the Lord. Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin' i Jehovah ihany no isehoan' ny fitsarany. Ny olona manipy ny filokana amin' ny zoron' akanjo, fa avy amin' ny Tompo ihany izay fanapahana rehetra. Dans le pli du vêtement on jette le sort, de Yahvé dépend le jugement.

<-
->