<-
->

Sal 61:1 Hear my cry, O God; attend unto my prayer. Ho an' ny mpiventy hira. Hampiarahina amin' ny valiha. Nataon' i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako. Ho an' ny mpampianatra hira. Ampiarahana amin' ny zava-maneno tendrena. Nataon' i Davida. Du maître de chant. Sur les instruments à cordes. De David.
Sal 61:2 From the end of the earth will I cry unto thee, when my heart is overwhelmed: lead me to the rock that is higher than I. Any am-paran' ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin' ny vatolampy izay avo ka tsy tratro; Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako, mihainoa tsara ny fivavahako. Ecoute, ô Dieu, mes cris, sois attentif à ma prière.
Sal 61:3 For thou hast been a shelter for me, and a strong tower from the enemy. Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo. Mitaraina aminao aho atý am-paran' ny tany, ao anatin' ny fahorian' ny foko; ento any ambony vatolampy tsy azoko takarina aho Du bout de la terre vers toi j' appelle, le coeur me manque. Au rocher qui s'élève loin de moi, conduis-moi.
Sal 61:4 I will abide in thy tabernacle for ever: I will trust in the covert of thy wings. Selah. Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin' ny fanomban' ny elatrao aho, Fa fialofako hianao, tilikambo mafy misakana ny fahavalo. Car tu es pour moi un abri, une tour forte devant l' ennemi.
Sal 61:5 For thou, O God, hast heard my vows: thou hast given me the heritage of those that fear thy name. Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan' izay matahotra ny anaranao. Satriko ny monina mandrakizay ao an-dainao, mialoka ao ambanin' ny elatrao. - Selà. Qu'à jamais je loge sous ta tente et m' abrite au couvert de tes ailes!
Sal 61:6 Thou wilt prolong the king' s life: and his years as many generations. Halavao ny andron' ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro. Fa manaiky ny faniriako hianao, ry Andriamanitra: efa nomenao ahy ny lovan' ireo manaja ny anaranao. Car toi, ô Dieu, tu écoutes mes voeux tu accordes le domaine de ceux qui craignent ton nom.
Sal 61:7 He shall abide before God for ever: O prepare mercy and truth, which may preserve him. Aoka hitoetra eo anatrehan' Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy; Ampitomboy andro ny andron' ny mpanjaka, hihalava hatrany hatrany anie ny taonany! Aux jours du roi ajoute les jours; ses années : génération sur génération.
Sal 61:8 So will I sing praise unto thy name for ever, that I may daily perform my vows. Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan' andro ny voadiko. Hitoetra eo amin' ny seza fiandrianana mandrakizay anie izy eo anatrehan' Andriamanitra. Didio hiaro azy ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao! Qu' il trône à jamais devant la face de Dieu! Assigne Amour et Fidélité pour le garder.
Sal 61:9 Dia hankalaza ny anaranao mandrakizay aho, ary hanefa ny voadiko isan' andro aho. Alors je jouerai sans fin pour ton nom, accomplissant mes voeux jour après jour.

<-
->