<-
->

Sal 146:1 Praise ye the Lord. Praise the Lord, O my soul. Haleloia. Miderà an' i Jehovah, ry fanahiko. Aleloia Midera an' ny Tompo, ry fanahiko. Alleluia! Loue Yahvé, mon âme!
Sal 146:2 While I live will I praise the Lord: I will sing praises unto my God while I have any being. Hidera an' i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an' Andriamanitra aho, raha mbola velona koa. Sitrako ny midera an' ny Tompo, amin' ny andro rehetra iainako; sitrako ny mihira ho an' Andriamanitra raha mbola velona koa aho. Je veux louer Yahvé tant que je vis, je veux jouer pour mon Dieu tant que je dure.
Sal 146:3 Put not your trust in princes, nor in the son of man, in whom there is no help. Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak' olombelona izay tsy mahavonjy. Aza mametraka ny fitokianareo amin' ny mpanapaka, na amin' ny zanak' olombelona izay tsy mahavonjy; Ne mettez point votre foi dans les princes, dans un fils de la glaise, il ne peut sauver!
Sal 146:4 His breath goeth forth, he returneth to his earth; in that very day his thoughts perish. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin' ny taniny izy; Ary amin' izay indrindra no hahafoanan' ny fikasany. fa miala ny fofon' ainy, dia miverina amin' ny vovony izy, ary amin' izay andro izay ihany dia levona ny hevitra kasainy. Il rend le souffle, il retourne à sa glaise, en ce jour-là périssent ses pensées.
Sal 146:5 Happy is he that hath the God of Jacob for his help, whose hope is in the Lord his God: Sambatra izay manana an' Andriamanitr' i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an' i Jehovah Andriamaniny, Sambatra izay manana ny Andriamanitr' i Jakoba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin' ny Tompo Andriamaniny. Heureux qui a l' appui du Dieu de Jacob et son espoir en Yahvé son Dieu,
Sal 146:6 Which made heaven, and earth, the sea, and all that therein is: which keepeth truth for ever: Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay, Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina mbamin' izay rehetra ao aminy; maharitra amin' ny tsy fivadihany izy. lui qui a fait le ciel et la terre, la mer, et tout ce qu' ils renferment! Il garde à jamais la vérité,
Sal 146:7 Which executeth judgment for the oppressed: which giveth food to the hungry. The Lord looseth the prisoners: Izay manome rariny ho an' ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an' ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra; Manome rariny an' izay ampahoriana, manome hanina an' izay noana; Iaveh manafaka an' izay voababo; il rend justice aux opprimés, il donne aux affamés du pain, Yahvé délie les enchaînés.
Sal 146:8 The Lord openeth the eyes of the blind: the Lord raiseth them that are bowed down: the Lord loveth the righteous: Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina; Iaveh mampihiratra ny jamba; Iaveh mampitraka ny mitanondrika; Iaveh tia ny marina; Yahvé rend la vue aux aveugles, Yahvé redresse les courbés, Yahvé aime les justes,
Sal 146:9 The Lord preserveth the strangers; he relieveth the fatherless and widow: but the way of the wicked he turneth upside down. Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan' ny ratsy fanahy kosa. Iaveh miaro ny mpivahiny; manohana ny kamboty amam-pitondratena izy; fa mampiolakolana ny làlan' ny ratsy fanahy kosa. Yahvé protège l'étranger, il soutient l' orphelin et la veuve. Mais détourne la voie des impies,
Sal 146:10 The Lord shall reign for ever, even thy God, O Zion, unto all generations. Praise ye the Lord. Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin' ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia. Mpanjaka mandrakizay Iaveh, Andriamanitrao amin' ny taona mifandimby izy, ry Siona. Aleloia! Yahvé règne pour les siècles, ton Dieu, ô Sion, d'âge en âge.

<-
->