<-
->

Sal 128:1 Blessed is every one that feareth the Lord; that walketh in his ways. Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an' i Jehovah, Dia izay mandeha amin' ny lalany. Fihirana fiakarana. Sambatra ny lehilahy matahotra an' ny Tompo, izay mandeha amin' ny làlany. Cantique des montées. Heureux tous ceux qui craignent Yahvé et marchent dans ses voies!
Sal 128:2 For thou shalt eat the labour of thine hands: happy shalt thou be, and it shall be well with thee. Fa hohaninao tokoa ny asan' ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao. Mihinana ny asan-tànanao hianao amin' izany, ka dia sambatra sy voky soa. Du labeur de tes mains tu te nourriras, heur et bonheur pour toi!
Sal 128:3 Thy wife shall be as a fruitful vine by the sides of thine house: thy children like olive plants round about thy table. Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin' ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak' oliva Manodidina ny latabatrao. Ny vadinao manahaka ny voaloboka mahavanom-boa, ao an-tokantranonao. Ny zanakao manahaka ny zanak' oliva manodidina ny latabatrao. Ton épouse : une vigne fructueuse au fort de ta maison. Tes fils : des plants d' olivier à l' entour de la table.
Sal 128:4 Behold, that thus shall the man be blessed that feareth the Lord. Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an' i Jehovah. Toy izany no hitahiana ny lehilahy matahotra an' ny Tompo. Voilà de quels biens sera béni l' homme qui craint Yahvé.
Sal 128:5 The Lord shall bless thee out of Zion: and thou shalt see the good of Jerusalem all the days of thy life. Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan' i Jerosalema anie ianao Amin' ny andro rehetra hiainanao. Iaveh anie hanambina anao, avy ao Siona! Enga anie ka hahita an' i Jerosalema miadana tsara hianao, amin' ny andro rehetra hiainanao! Que Yahvé te bénisse de Sion! Puisses-tu voir Jérusalem dans le bonheur tous les jours de ta vie,
Sal 128:6 Yea, thou shalt see thy children' s children, and peace upon Israel. Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin' ny Isiraely. Hahita ny zanaky ny zanakao anie hianao! Ho amin' Israely anie ny fiadanana! et voir les fils de tes fils! Paix sur Israël!

<-
->