<-
->

Sal 121:1 I will lift up mine eyes unto the hills, from whence cometh my help. Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin' ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy? Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin' ny tendrombohitra aho: Avy aiza no hihavian' ny famonjena ahy? Cantique pour les montées. Je lève les yeux vers les monts d' où viendra mon secours?
Sal 121:2 My help cometh from the Lord, which made heaven and earth. Ny famonjena ahy dia avy amin' i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Ny famonjena ahy dia avy amin' ny Tompo, izay nanao ny lanitra sy ny tany. Le secours me vient de Yahvé qui a fait le ciel et la terre.
Sal 121:3 He will not suffer thy foot to be moved: he that keepeth thee will not slumber. Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. Tsy havelany ho tafintohina ny tongotrao; tsy ho rendremana ilay miambina anao. Qu' il ne laisse broncher ton pied! qu' il ne dorme, ton gardien!
Sal 121:4 Behold, he that keepeth Israel shall neither slumber nor sleep. Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely. Tsia, tsy rendremana na matory ilay miambina an' Israely. Vois, il ne dort ni ne sommeille, le gardien d' Israël.
Sal 121:5 The Lord is thy keeper: the Lord is thy shade upon thy right hand. Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin' ny an-kavananao. Iaveh no mpiambina anao, Iaveh no fialofanao, eo an-kavananao. Yahvé est ton gardien, ton ombrage, Yahvé, à ta droite.
Sal 121:6 The sun shall not smite thee by day, nor the moon by night. Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina. Tsy hisy hamely anao, na ny masoandro amin' ny andro, na ny volana amin' ny alina. De jour, le soleil ne te frappe, ni la lune en la nuit.
Sal 121:7 The Lord shall preserve thee from all evil: he shall preserve thy soul. Jehovah hiaro anao amin' ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao amin' ny ratsy rehetra Iaveh, hiaro ny fanahinao izy. Yahvé te garde de tout mal, il garde ton âme.
Sal 121:8 The Lord shall preserve thy going out and thy coming in from this time forth, and even for evermore. Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin' izao ka ho mandrakizay. Hiaro anao Iaveh, na mivoaka na miditra hianao, hatramin' izao ka ho mandrakizay. Yahvé te garde au départ, au retour, dès lors et à jamais.

<-
->