<-
->

Job / Jb 2:1 Again there was a day when the sons of God came to present themselves before the Lord, and Satan came also among them to present himself before the Lord. Ary tamin' ny indray andro koa dia avy ireo zanak' Andriamanitra hiseho teo anatrehan' i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan' i Jehovah. Indray andro, raha tonga teo anatrehan' ny Tompo ireo zanak' Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan' izy ireo koa Satana, ka tonga teo anatrehan' ny Tompo. Un autre jour où les Fils de Dieu venaient se présenter devant Yahvé, le Satan aussi s' avançait parmi eux.
Job / Jb 2:2 And the Lord said unto Satan, From whence comest thou? And Satan answered the Lord, and said, From going to and fro in the earth, and from walking up and down in it. Dia hoy Jehovah tamin' i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an' i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin' ny tany aho ka nivezivezy teny. Ary hoy Iaveh tamin' i Satana: Avy aiza hianao? Ka hoy Satana namaly an' ny Tompo: Avy nitety ny tany aho ary nitsangantsangana teny. Yahvé dit alors au Satan : " D' où viens-tu ? " - " De parcourir la terre, répondit-il, et de m' y promener. "
Job / Jb 2:3 And the Lord said unto Satan, Hast thou considered my servant Job, that there is none like him in the earth, a perfect and an upright man, one that feareth God, and escheweth evil? and still he holdeth fast his integrity, although thou movedst me against him, to destroy him without cause. Dia hoy Jehovah tamin' i Satana: Efa nandinika an' i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin' ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an' Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao. Dia hoy Iaveh tamin' i Satana: Efa nandinika an' i Joba mpanompoko va hianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin' ny tany, marina, mahitsy, matahotra an' Andriamanitra ary mifady ny ratsy. Maharitra mandrakariva amin' ny fahamarinana izy, na dia notaominao hamery azy tsy ahoan-tsy ahoana aza aho. Et Yahvé reprit : " As-tu remarqué mon serviteur Job ? Il n' a point son pareil sur la terre : c' est un homme intègre et droit, qui craint Dieu et s'écarte du mal! Il persévère dans son intégrité et c' est en vain que tu m' as excité contre lui pour le détruire. "
Job / Jb 2:4 And Satan answered the Lord, and said, Skin for skin, yea, all that a man hath will he give for his life. Ary Satana dia namaly an' i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin' ny hoditra, eny, izay rehetra ananan' ny olona dia homeny ho-fefin' ny ainy. Fa hoy ny navalin' i Satana an' ny Tompo: Hoditra fefin' ny hoditra! Izay ananan' ny olona dia atolony ho fefin' ny ainy avokoa. Et le Satan de répliquer à Yahvé : " Peau après peau! Tout ce que l' homme possède, il le donne pour sa vie!
Job / Jb 2:5 But put forth thine hand now, and touch his bone and his flesh, and he will curse thee to thy face. Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza Izy e! Fa ahinjiro hikasika ny nofo amam-batany ny tànanao, raha tsy manozona anao manatrika izy! Mais étends la main, touche à ses os et à sa chair, et je gage qu' il te maudira en face! " -
Job / Jb 2:6 And the Lord said unto Satan, Behold, he is in thine hand; but save his life. Dia hoy Jehovah tamin' i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana. Ka hoy Iaveh tamin' i Satana: Indro atolotro eo an-tànanao izy; ny ainy tokana no hany tsimbino. " Soit! dit Yahvé au Satan, il est en ton pouvoir mais respecte pourtant sa vie. "
Job / Jb 2:7 So went Satan forth from the presence of the Lord, and smote Job with sore boils from the sole of his foot unto his crown. Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan' i Jehovah ka namely vay ratsy an' i Joba hatramin' ny faladiany ka hatramin' ny tampon-dohany. Dia niala teo anatrehan' ny tavan' ny Tompo Satana, ka nasiany habokana ratsy Joba, hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany. Et le Satan sortit de devant Yahvé. Il frappa Job d' un ulcère malin, depuis la plante des pieds jusqu' au sommet de la tête.
Job / Jb 2:8 And he took him a potsherd to scrape himself withal; and he sat down among the ashes. Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona. Ary Joba naka tavim-bilany hihaorany ny feriny, sy nipetraka teo ambony lavenona. Job prit un tesson pour se gratter et il s' installa parmi les cendres.
Job / Jb 2:9 Then said his wife unto him, Dost thou still retain thine integrity? curse God, and die. Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an' Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty. Dia hoy ny vavy taminy: Mbola maharitra amin' ny fahamarinanao ihany va hianao? Ozony Andriamanitra dia aoka ho faty hianao. Alors sa femme lui dit : " Pourquoi persévérer dans ton intégrité ? Maudis donc Dieu et meurs! "
Job / Jb 2:10 But he said unto her, Thou speakest as one of the foolish women speaketh. What? shall we receive good at the hand of God, and shall we not receive evil? In all this did not Job sin with his lips. Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin' ny anankiray amin' ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin' Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin' izany rehetra izany dia tsy nanota tamin' ny molony Joba. Fa hoy izy taminy: Miteny toy ny vehivavy adala hianao! Mandray ny soa avy amin' Andriamanitra isika, ka nahoana no tsy handray ny ratsy avy aminy koa? Tamin' izany rehetra izany Joba tsy mba nanota tamin' ny molony. Job lui répondit : " Tu parles comme une folle. Si nous accueillons le bonheur comme un don de Dieu, comment ne pas accepter de même le malheur! " En tout cela, Job ne pécha point en paroles.
Job / Jb 2:11 Now when Job' s three friends heard of all this evil that was come upon him, they came every one from his own place; Eliphaz the Temanite, and Bildad the Shuhite, and Zophar the Naamathite: for they had made an appointment together to come to mourn with him and to comfort him. Ary rehefa ren' ny sakaizan' i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin' ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy. Nony nandre ny loza rehetra nanjo an' i Joba ireo sakaizany telo lahy: Elifaza avy any Temàna, Baldada avy any Sohe, ary Sofara avy any Naamà, dia samy niainga avy any amin' ny fonenany avy, ka niara-nidinika izay handehanana hitsapa alahelo sy hampionona azy. Trois amis de Job apprirent tous les malheurs qui l' avaient frappé. Ils arrivèrent chacun de son pays, Éliphaz de Témân, Bildad de Shuah, Çophar de Naama. Ensemble, ils décidèrent d' aller le plaindre et le consoler.
Job / Jb 2:12 And when they lifted up their eyes afar off, and knew him not, they lifted up their voice, and wept; and they rent every one his mantle, and sprinkled dust upon their heads toward heaven. Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin' ny lanitra hiraraka amin' ny lohany. Mbola teny lavidavitra teny izy, dia nanopy ny masony fa tsy nahalala azy, ka nanandra-peo nitomany; samy nandrovitra ny kapaotiny izy ireo, nanipy vovoka mankany an-danitra ambonin' ny lohany. De loin, fixant les yeux sur lui, ils ne le reconnurent pas. Alors ils éclatèrent en sanglots. Chacun déchira son vêtement et jeta de la poussière sur sa tête.
Job / Jb 2:13 So they sat down with him upon the ground seven days and seven nights, and none spake a word unto him: for they saw that his grief was very great. Ary niara-nipetraka teo aminy tamin' ny tany hafitoan' andro sy hafitoan' alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany. Dia niara-nipetraka tamin' ny tany teo akaikiny izy, fito andro sy fito alina tsy nisy niteny taminy, na dia indraim-bava aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany. Puis, s' asseyant à terre près de lui, ils restèrent ainsi durant sept jours et sept nuits. Aucun ne lui adressa la parole, au spectacle d' une si grande douleur.

<-
->